Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpamory Hetra

Mpamory Hetra

Nisy mpiasam-panjakana notendrena hanangona ny hetra isan-dahy sy ny hetran-tany nanerana ny Fanjakana Romanina. Natao lavanty kosa ny zo hamory ny hetra naloan’ireo nanondrana sy nanafatra entana ary ireo mpivaro-mandeha, ka izay nanome vola be indrindra no nahazo an’ilay zo. Nahazo tombony anefa izy ireo rehefa nihoatra an’ilay vola nividianany an’ilay zo ny hetra voangony. Namidin’izy ireo tamin’olon-kafa ilay zo hamory hetra tany amin’ny faritra sasany niandraiketany. Ireny indray avy eo no nanendry olona hanao ilay famoriana. Toa i Zakaiosy, ohatra, no lehiben’ny mpamory hetra tao Jeriko sy ny manodidina. (Lk 19:1, 2) Mpamory hetra kosa i Matio, ilay nantsoin’i Jesosy ho apostoliny, ary toa tao Kapernaomy na teny akaikiny ny biraony.​—Mt 10:3; Mr 2:1, 14.

Be Jiosy mpamory hetra àry tany Palestina. Nohamavoin’ny mpiray firenena taminy anefa izy ireny, satria mihoatra noho ny tokony ho izy matetika ny hetra notakiny. (Mt 5:46; Lk 3:12, 13; 19:7, 8) Nihatakatahan’ny Jiosy hafa izy ireny ary nampitoviny tamin’ny mpanota sy mpivaro-tena. (Mt 9:11; 11:19; 21:32; Mr 2:15; Lk 5:30; 7:34) Tsy tian’olona koa izy ireny, satria niasa ho an’ny mpanjana-tany romanina sady nifanerasera tamin’ny hafa firenena “maloto.” Ny hoe nanao ny ‘rahalahy’ iray tsy nibebaka ho toy ny “mpamory hetra” àry dia midika hoe tsy nifanerasera taminy intsony.​—Mt 18:15-17.

Tsy nankasitrahan’i Kristy Jesosy ny mpamory hetra tia kolikoly. Nisy tamin’ireny anefa te hihaino azy, ka vonona ny hanampy azy ireny izy na dia nisy nanakiana aza. (Mt 9:9-13; Lk 15:1-7) Nilaza izy tao amin’ny fanoharany fa marina kokoa noho ny Fariseo iray nanambony tena sy nihevi-tena ho marina, ilay mpamory hetra nanetry tena izay niaiky fa mpanota ka nibebaka. (Lk 18:9-14) Afaka nanantena ny hahazo ny Fanjakan’ny lanitra ireo mpamory hetra nanetry tena sy nibebaka, toa an’i Matio sy Zakaiosy.​—Mt 21:31, 32.