Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpampianatra Ampahibemaso

Mpampianatra Ampahibemaso

Olona nampianarina taranja iray ka mampita fahalalana amin’ny besinimaro. Grammateos (gr.) no nadika hoe “mpampianatra ampahibemaso.” Misy Baiboly mandika azy io hoe “mpahay lalàna.” (DIEM) Ny fanamarihana ambany pejin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy) kosa manao hoe “olona nahita fianarana.” (Mt 13:52; 23:34) Adika matetika hoe “mpanora-dalàna” ilay hoe grammateos. Nataon’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao hoe “mpampianatra ampahibemaso” anefa izy io rehefa ilazana ny mpianatr’i Jesosy, mba hanavahana azy amin’ny mpanora-dalàna, izay mpitondra fivavahana jiosy.

Mpampianatra sy mpahay Lalàna ny mpanora-dalàna (grammateis) tamin’ny andron’i Jesosy, saingy lasa mpanaraka fomban-drazana sy fampianaran’ny mpanompo sampy. Lasa anaram-boninahitr’io antokon’olona io ny hoe “mpanora-dalàna”, fa tsy nilazana intsony ny asany, dia ny fanaovana dika soratra.

Tonga hanambara ny marina i Jesosy. Nampiofaniny ho lasa mpampianatra ampahibemaso koa ny mpianany, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nantsoiny hoe mpampianatra ampahibemaso izy ireo satria tena sarobidy ny asan’izy ireo ary tokony hohenoina ny fampianarany. Toy ny lehilahy nahita fianarana, izay nizara harena avy tao amin’ny trano fitehirizany, ny mpianany tsirairay, hoy izy. (Mt 13:52) Nirahiny hitory tany Israely izy ireo. Tsy takatry ny mpanora-dalàna tany anefa fa harena avy tamin’Andriamanitra ny fampianarana nampitain’izy ireo ka notoheriny. Nokaravasin’ireny sy nenjehiny ary novonoiny koa i Jesosy sy ny mpampianatra ampahibemaso niaraka taminy. Mpampianatra sandoka tokoa ny mpanora-dalàna! Nanaiky hampianarin’ny mpianatr’i Jesosy anefa ny olona maro tany Israely sy tany an-tany hafa, ka lasa mpampianatra ampahibemaso ny Tenin’Andriamanitra koa.​—Mt 23:34; 28:19, 20.

Ny Levita no nampianatra ny vahoakan’Israely teo ambanin’ny Lalàna. (Le 10:11; De 17:10, 11; 2Ta 17:7-9) Mpampianatra ampahibemaso koa i Mosesy Levita (mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna), sy Josoa Efraimita, mpitarika ny Israely. (De 4:1; 34:9; Js 8:35) Nampianatra Lalàna koa ny mpitsara sy ny mpanjaka tsy nivadika, rehefa nihaino fitarainana sy namoaka didim-pitsarana ary nitarika fankalazana nisy fotoam-pivavahana.​—1Mp 8:1-61; 2Mp 23:2.

Mpampianatra ampahibemaso tena nahay i Ezra mpisorona. Nampianatra an’ireo Israelita nody avy tany Babylona izy sy Nehemia. Novakiny ny Lalàna ary nalaminy ny Levita mba hahafahan’izy ireo ‘hanazava ny lalàna tamin’ny vahoaka’ sy ‘hanazava ny heviny’, ary ‘hanao izay hahazoan’ny olona tsara izay vakina’, izany hoe “hampianatra ny vahoaka.”​—Ne 8:1-9.