Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpampianatra, Fampianarana

Mpampianatra, Fampianarana

Ny mpampianatra dia mampita fahalalana na fahaizana amin’ny alalan’ny teniny na ny ohatra omeny. Mazàna ny mpampianatra mahay no manazava na manome porofo, na mampiasa fomba hafa mba hanampiana ny mpihaino hanaiky sy hitadidy izay ren’izy ireo.

I Jehovah Andriamanitra Mpamorona no Mpampianatra Be Voninahitra, izay mampianatra ny mpanompony. (1Mp 8:36; Sl 27:11; 86:11; 119:102; Is 30:20; 54:13) Mampianatra antsika ny zavaboary fa misy Andriamanitra iray faran’izay hendry. Vao ampahany kely monja amin’ny zavaboary anefa no fantatra ankehitriny, fa mbola maro no azo anaovana fikarohana sy fandinihana. (Jb 12:7-9) Mampianatra ny olona momba ny anarany sy ny fikasany ary ny lalàny koa i Jehovah Andriamanitra ka nanao fanambarana manokana. (Ampit. Ek 4:12, 15; 24:12; 34:5-7.) Hita ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny, ary ahafantarana ny marina momba ny sitrapon’Andriamanitra. (Ro 15:4; 2Ti 3:14-17) Mpampianatra koa ny fanahin’Andriamanitra.​—Jn 14:26.

Fampianarana an’ireo Israelita. Nomen’Andriamanitra andraikitra hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny teo amin’ny Israely. (De 4:9; 6:7, 20, 21; 11:19-21; Sl 78:1-4) Ny mpaminany sy ny Levita, indrindra fa ny mpisorona, ary ny olon-kendry hafa kosa no mpampianatra an’ilay firenena iray manontolo.​—2Ta 35:3; Je 18:18; jereo FIANARANA, FAMPIANARANA.

Mpaminany. Nampianatra momba ny toetran’i Jehovah sy ny fikasany ny mpaminany, sady nampiharihary ny fahadisoan’ny Israelita sy nampahafantatra izay tokony hataon’izy ireo. Matetika no nampitain’ny mpaminany am-bava ny fampianarany, ary avy eo vao nosoratany. (Ampit. 1Sa 12:23-25; Is 7:3, 4; 22:15, 16; Je 2:2.) Ireto avy no nampiasainy rehefa nampianatra: Fanontaniana (Je 18:13, 14; Am 3:3-8; Hg 2:11-14), fanoharana (2Sa 12:1-7; Is 10:15; Je 18:3-10), ankamantatra (Ezk 17:2), ary fihetsika misy heviny manokana (1Mp 11:30-32; Je 13:4-11; 19:1-12; 27:2; 28:10-14; Ezk 4:1–5:4).

Mpisorona sy Levita. Andraikitry ny mpisorona sy ny Levita ny nampianatra ny lalàn’Andriamanitra tamin’ny firenen’Israely. (Le 10:11; 14:57; 2Ta 15:3; 35:3) Maro ny fomba nampiasain’izy ireo. Novakina tamin’ny vahoaka ny Lalàna iray manontolo isaky ny taona sabata, tamin’ny Fetin’ny Trano Rantsankazo. Nihaino izany ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy, ary ny vahiny. (De 31:9-13) Nasain’ny Levita namaly ny vahoaka indraindray, mba hilentehan’ny lalàn’Andriamanitra tao am-pon’izy ireo. (Ampit. De 27:14-26.) Tsy namaky an’ilay Lalàna fotsiny ny mpisorona sy ny Levita fa nanazava izany koa. (Ampit. Ne 8:8.) Nampiana-javatra koa ny didim-pitsarana navoakan’izy ireo. Tamin’ireny no nahalalan’ny olona ny toro lalana momba ny atao hoe rariny eo imason’Andriamanitra.​—De 17:8-13; 1Ta 26:29; 2Ta 19:8-11.

Mpanora-dalàna. Mpampianatra Lalàna tena niavaka ny mpanora-dalàna, tamin’i Jesosy teto an-tany. Tsy noraharahain’izy ireo anefa ny tena olana nahazo ny olona sy ny zavatra nilainy. Toy ny Fariseo ihany izy ireo satria ny fitsipika be pitsipitsiny sy ireo lovantsofina no zava-dehibe taminy, fa tsy ny fanaovana ny rariny sy ny famindram-po ary ny tsy fivadihana. Nataon’izy ireo navesatra tamin’ny olona ny Lalàna. (Mt 23:2-4, 23, 24; Lk 11:45, 46) Na dia tokony ho nandaitra aza ny fampianaran’izy ireo dia tsy nisy vokany, satria nanambany ny sarambabem-bahoaka izy ireo sady tsy nanome modely.​—Mt 23:3, 6, 7; Jn 7:48, 49; jereo MPANORA-DALÀNA.

Nahoana ny fampianaran’i Jesosy no tena nandaitra?

Nihatsaravelatsihy ny mpitondra fivavahana jiosy rehefa niantso an’i Jesosy Kristy hoe “Mpampianatra [gr.: Didaskalôs].” Tena nanaiky an’i Jesosy ho mpampianatra anefa na ireo nino azy na ireo tsy nino azy. (Mt 8:19; 9:11; 12:38; 19:16; 22:16, 24, 36; Jn 3:2) Talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesosy ireo mpiambina nirahina hisambotra azy, ka nody maina sady niteny hoe: “Mbola tsy nisy olona niteny tahaka izany mihitsy.” (Jn 7:46) Nampianatra “toy ny manana fahefana” i Jesosy, “fa tsy toy ny mpanora-dalàna.” (Mt 7:29) Avy amin’Andriamanitra ny fampianarany. (Jn 7:16; 8:28) Tsotra ny fanazavany, mirindra tsara sady tsy azo lavina ny porofo nomeny, mampisaintsaina ny fanontaniany, tena mahavariana ny sarin-teny nampiasainy, misy heviny sady nalaina avy tamin’ny zavatra efa fantatry ny olona ny fanoharana nataony. (Mt 6:25-30; 7:3-5, 24-27; jereo FANOHARANA.) Nampiasa ohatra hita maso koa i Jesosy: Nanasa ny tongotry ny mpianany izy, indray andro, mba hampianarana azy ireo fa tokony hifanompo izy ireo.​—Jn 13:2-16.

Nifandray akaiky tamin’Andriamanitra Rainy i Jesosy talohan’ny hidinany tetỳ an-tany. Vao mainka nampitombo ny fahalalany izany. Izy irery ihany àry no tena nahalala tsara an’Andriamanitra, ka azo antoka tanteraka ny fampianarany momba ny Rainy. Hoy izy: “Tsy misy tena mahafantatra ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na tena mahafantatra ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hampiharihariana azy.”​—Mt 11:27; Jn 1:18.

Tena hain’i Jesosy koa ny Tenin’Andriamanitra voasoratra. Rehefa nanontaniana izy hoe inona no didy lehibe indrindra tao amin’ny Lalàna, dia nofintininy avy hatrany tamin’ny didy roa tao amin’ny Deoteronomia (6:5) sy ny Levitikosy (19:18) ny Lalàna iray manontolo. (Mt 22:36-40) Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia efa ho ny antsasak’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo no notononiny mivantana na nakany hevitra​—Genesisy (2:24; Mt 19:5; Mr 10:7, 8), Eksodosy (3:6; Mt 22:32; Lk 20:37), Levitikosy (14:2-32; Mt 8:4), Nomery (30:2; Mt 5:33), Deoteronomia (5:16; Mt 15:4; Mr 7:10), Samoela Voalohany (21:4-6; Mt 12:3, 4), Mpanjaka Voalohany (17:9; Lk 4:26), Joba (42:2; Mt 19:26), Salamo (8:2; 110:1; Mt 21:16; 22:44), Ohabolana (24:12; Mt 16:27), Isaia (6:9, 10; Mt 13:14, 15; Jn 12:40), Jeremia (7:11; Mt 21:13; Mr 11:17; Lk 19:45, 46), Fitomaniana (2:1; Mt 5:35), Daniela (9:27; Mt 24:15), Hosea (6:6; Mt 9:13), Jona (1:17; Mt 12:40), Mika (7:6; Mt 10:21, 35, 36), Zakaria (13:7; Mt 26:31), ary Malakia (3:1; Mt 11:10).

Tena nandaitra ny fampianaran’i Jesosy noho ny modely tonga lafatra nomeny. (Jn 13:15) Tsy nitovy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izy, ka hoy izy momba azy ireo: “Ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, kanefa aza manao izay ataony, satria miteny izy nefa tsy manao.”​—Mt 23:3.

Azo antoka sy nandaitra koa ny fampianaran’i Jesosy satria nahatakatra izay nanjo ny olona izy sady be fiahiana sy fitiavana. Fantany ny tao an-tsain’ny olona sy ny zavatra niainan’izy ireo ka vao mainka nanampy azy hahay hanavaka izany. (Mt 12:25; Lk 6:8; Jn 1:48; 4:18; 6:61, 64; 13:11) “Ny tenany ihany dia efa nahalala izay tao am-pon’ny olona.” (Jn 2:25) Nangoraka koa i Jesosy ka nafoiny hatramin’ny fotoana tokony hakany aina aza, mba hampianarana ny olona. Nandeha sambo izy sy ny mpianany, indray andro, mba hiala sasatra tany amin’ny toerana mitokana. “Hitan’ny olona anefa ny niaingan’ireo, ka nanjary fantatry ny maro izany. Ary niala avy any amin’ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nirohotra nankany, ary tonga talohan’ireo. Nony niala avy tao an-tsambokely i Jesosy, dia nahita vahoaka be. Nangoraka an’ireo anefa izy, satria toy ny ondry tsy misy mpiandry ireo. Ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro izy.”​—Mr 6:31-34.

Tsara fanahy tamin’ny mpihaino azy i Jesosy satria fantany tsara ny zavatra mety ho takany sy tsy ho takany. Rehefa tsy takatry ny mpianany ny hevitry ny fanoharana iray dia nanam-paharetana izy nanazava izany. (Mt 13:10-23) Tsy nataony be loatra ny fanazavany satria fantany ny mety ho takatr’izy ireo. (Jn 16:4, 12) Namerina fanazavana saika nitovy tanteraka i Jesosy, rehefa nilaina izany. (Mr 9:35; 10:43, 44) Matetika izy no nanamafy ny valin-teniny tamin’ny fanoharana sy ohatra hita maso, ka nilentika tao an-tsain’ny mpihaino izany sady nandrisika azy ireo hieritreritra.​—Mt 18:1-5, 21-35; Lk 10:29-37.

Mpampianatra ny fanahin’Andriamanitra. Nampiofana an’ireo apostoliny hanohy ny asa efa natombony i Jesosy, nandritra ny fanompoany telo taona sy tapany teto an-tany. Tsy lavorary izy ireo ka tsy ho tadidiny mihitsy ny tsipirian’ny fampianaran’i Jesosy. Nampanantena anefa i Jesosy hoe: “Ny mpanampy, dia ny fanahy masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako, izy io no hampianatra anareo ny zava-drehetra, ary hampahatsiaro anareo izay rehetra nolazaiko taminareo.” (Jn 14:26) Hampianatra azy ireo momba izay rehetra ilainy mba hamitany ny fanompoany àry ny fanahin’Andriamanitra. Hanampy azy ireo izy io mba hahatakatra ny zavatra efa reny taloha nefa tsy azony. Mpampahatsiaro ny fanahy masina ka hamerina ao an-tsain’izy ireo ny zavatra efa nolazain’i Jesosy taminy. Mpampianatra koa io fanahy io, ka hanoro azy ireo ny fomba hampiharana ny tenin’i Jesosy.​—Ampit. Jn 2:19-22; jereo FAHAMARINANA (“Ny fanahin’ny fahamarinana”).

Mpampahatsiaro sy mpampianatra ny fanahin’Andriamanitra, ka afaka niantehitra tanteraka tamin’izy io ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nentina teo anatrehan’ny vahoaka, na mpanjaka, na manam-pahefana hafa. Toy ny namana io fanahy io, ka hampahatsiahy azy ireo ny teny holazaina, ary hanampy azy ireo hahay hanazava izany. Hahavita fitoriana tsara izy ireo amin’izay, ary hampangina ny mpanohitra. (Mt 10:18-20; Mr 13:11; Lk 12:11, 12; 21:13-15) Izany no nahatonga an’i Petera sy Jaona ho sahy hiteny rehefa nanontanian’ny Fitsarana Avo Jiosy, momba ny nanasitranan’izy ireo lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Tsy nampoizina ho sahy hiteny toy izany mihitsy ny olona ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra.’ Nahagaga an’ireo anisan’ilay Fitsarana Avo izany. “Tsy nanan-kavaly” ireo avara-pianarana ireo rehefa nandre ny tenin’i Petera sy nahita an’ilay lehilahy sitrana nijoro teo.​—As 4:5-14.

Avy amin’ny herin’ny fanahy masina ny Tenin’Andriamanitra manontolo (2Ti 3:16), ka ao ihany no misy ny fampianaran’ny fanahy masina. Tsy mihaino fampianarana mifanohitra amin’ny Tenin’Andriamanitra àry ny Kristianina. Hoy ny apostoly Jaona: “Tsy mila ampianarin’olona ianareo. Koa satria ilay fanosorana avy aminy no mampianatra anareo ny zava-drehetra, ary marina sady tsy misy lainga ilay fanosorana, dia aoka ianareo ho tafaray foana aminy, araka ny nampianarina anareo.” (1Jn 2:27) Nosoratan’i Jaona ho an’ny Kristianina nateraky ny fanahy ireo teny ireo. Nanjary nahalala an’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy Zanany izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara ny fahamarinan’Andriamanitra. Tsy mila ampianarin’olona mandà ny Ray sy ny Zanaka àry izy ireo. Hamitaka azy ireo fotsiny ireny mpampianatra ireny, ka hampiala azy amin’ny fahamarinana nampianarin’ny fanahin’Andriamanitra, izay voalaza mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina. (1Jn 2:18-26) Tsy azon’ny Kristianina atao àry ny mampiantrano na miarahaba mpampianatra nivadi-pinoana.​—2Jn 9-11.

Manao mpianatra sy mampianatra. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: ‘Ataovy mpianatra ny olona, ka ataovy batisa ary ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.’ (Mt 28:19, 20) Natomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 io asa fampianarana io ary mbola hitatra maneran-tany. Telo arivo teo ho eo ireo natao batisa tamin’io andro io rehefa nanaiky an’i Jesosy ho ilay Mesia nampanantenaina. Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy ireo. Lasa mpanara-dia an’i Kristy Jesosy ireo mpianatra vaovao ireo, rehefa nandre ny lahatenin’ny apostoly Petera. Tsy nifarana hatreo anefa ny fampianarana azy ireo. Mbola maro no tokony hianarany. Nijanona ela kokoa tao Jerosalema mba hihaino ny fampianaran’ny apostoly àry ireo avy lavitra izay tonga nanatrika ny fetin’ny Pentekosta. Nivory isan’andro tao amin’ny tempoly izy ireo mba hihaino ny apostoly. Nihamaro ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy nandre ny vaovao tsara, ka niampy 5000 teo ho eo ireo lasa mpino. (As 2:14–4:4) Nampianatra ampahibemaso tao amin’ny tempoly ny apostoly, sady nitory isan-trano ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.​—As 5:42; jereo FITORIANA, MPITORY (“Isan-trano”).

Niely tany an-tany lavitra koa ny asa fanaovana mpianatra tatỳ aoriana, rehefa niparitaka noho ny fanenjehana ireo mpino, ary nanomboka nitoriana ireo hafa firenena. (As 8:4-12; 11:1-26) Matetika no natao mba hahitana an’ireo olona liana ny fitoriana sy fampianarana ampahibemaso, toy ny tany Jerosalema ihany. Mbola nampianarina izy ireny rehefa lasa mpianatra. Nampianatra ampahibemaso tao amin’ny synagoga, ohatra, ny apostoly Paoly, tany Efesosy. Tsy nino anefa ny Jiosy sasany ary nanohitra azy. Niala teo amin’izy ireo àry i Paoly ary nentiny ny mpianatra, ka nandaha-teny ho azy ireo tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano izy. (As 19:8-10) Nampianatra tany an-tranon’ny mpianatra koa i Paoly, ary nampianatra isan-trano izy mba hitadiavana olona liana hafa. Nampahatsiahiviny ireo anti-panahin’ny fiangonan’i Efesosy hoe: “Tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano.”​—As 20:20, 21; ampitahao amin’ny As 18:6, 7 izay mitantara ny nataon’i Paoly tany Korinto; jereo MPIANATRA.

Mpampianatra teo anivon’ny fiangonana kristianina. Toerana maro no nanjary nisy fiangonana kristianina noho ny asa nataon’ny apostoly Paoly sy ny hafa, ary niroborobo ireny fiangonana ireny. Nilaina àry ny mpampianatra mahay mba hanampy an’izay rehetra nifandray tamin’ireny fiangonana ireny ‘mandra-pananan’ny rehetra zavatra inoana iray ihany sy fahalalana marina tsara iray ihany momba ny Zanak’Andriamanitra, sy mandra-pahatongan’izy ireo ho olon-dehibe, ary hahatratrarany ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.’ (Ef 4:11-13) Navesatra àry ny andraikitry ny mpampianatra satria nisy fiantraikany mivantana tamin’ny fiainan’ny Kristianina hafa izany. Tena lehibe ny toeran’ny mpampianatra teo anivon’ny fiangonana satria voatonona fahatelo izy, aorian’ny apostoly sy ny mpaminany. (1Ko 12:28) Tsy ny Kristianina rehetra no afaka nitana izany toerana izany (1Ko 12:29), ary tsy afaka nitana izany mihitsy ny vehivavy. Hoy ny apostoly Paoly: “Ny vehivavy tsy avelako hampianatra, na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy.” (1Ti 2:12) Ireo mpiandraikitra na anti-panahy voatendrin’ny fanahy masina no afaka nitana izany andraikitra izany.​—As 20:17, 25-30; 1Ti 3:1, 2; 5:17.

Tokony ho modely ireny anti-panahy ireny, ary tokony ho marina ny fampianarany, izany hoe, mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra foana. Mpampianatra mahay izy ireo, ka tokony hiaro ny Kristianina mba tsy hiala amin’ny tena finoana. Tokony ho mailo foana àry izy ireo mba hanitsy an’ireo voafandriky ny fampianaran-diso, ary tokony handray fepetra amin’ireo mamorona sekta.​—1Ti 4:6, 7, 16; 6:2b-6; 2Ti 2:2, 14-26; 3:14-17; Tit 1:10, 11; 2:1, 6, 7; 3:9-11; ampit. Ap 2:14, 15, 20-24.

Mendrika ny hohajaina ireo anti-panahy (gr.: presbyterôi) izay miasa mafy mampianatra ny Kristianina (ampit. He 13:17.). Tokony hanisy fiheverana azy ireny ny Kristianina ary hanome fanampiana azy ireny mihitsy aza. Izany no tian’ny apostoly Paoly holazaina tamin’ny hoe: “Aoka koa izay ampianarina ny tenin’Andriamanitra mba hifampizara ny zava-tsoa rehetra amin’ilay mampianatra.” (Ga 6:6) “Aoka hatao mendrika hahazo fanajana roa heny ny anti-panahy mahay mitondra, indrindra fa izay mikely aina amin’ny fitenenana sy ny fampianarana. Hoy mantsy ny Soratra Masina hoe: ‘Aza asiana fehivava ny omby miasa eny am-pamoloana’, sy hoe: ‘Mendrika hahazo karama ny mpiasa.’”​—1Ti 5:17, 18.

“Maniry asa tsara” ireo lehilahy tsy tia tena, izay miezaka ho tonga mpiandraikitra mahay mampianatra eo anivon’ny fiangonana. (1Ti 3:1) Tsy natao hanakiviana an’ireo lehilahy ireo tsy ho tonga mpampianatra mahay anefa ny tenin’i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: “Tsy tokony ho maro ianareo, ry rahalahiko, no ho tonga mpampianatra, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana antsika mpampianatra.” (Jk 3:1) Asongadiny eo kosa fa mavesatra ny andraikitr’ireo mpampianatra eo anivon’ny fiangonana. Nisy mantsy nanao ny tenany ho mpampianatra nefa tsy voatendry ary tsy nahafeno fepetra akory. Mitovy ihany angamba ny olona tao an-tsain’i Jakoba sy ireo noresahin’i Paoly tamin’i Timoty hoe: “Nivily ho amin’ny resadresaka tsy misy antony [ny sasany]. Te ho mpampiana-dalàna izy ireo, nefa tsy takany akory ny hevitr’izay lazainy na izingizininy mafy.” (1Ti 1:6, 7) Te halaza ho mpampianatra an’ireo mpiray finoana taminy ireny lehilahy ireny. Nasehon’i Jakoba anefa hoe ahoana no tokony hiheveran’ny mpampianatra ny toerana tanany. Nilaza izy fa hotakina be ny mpampianatra. Hatao ampamoaka mafimafy kokoa noho ny Kristianina hafa izy ireo. (Ampit. Ro 14:12.) Toy ny olon-drehetra ihany anefa izy ireo, ka manao fahadisoana amin’izay lazainy.​—Jk 3:2.

Tokony ho mpampianatra ny Kristianina rehetra. Marina fa vitsy ihany no afaka nampianatra ny fiangonana, kanefa tokony hiezaka ny Kristianina rehetra mba hahay hampianatra ny finoany amin’ny hafa. Nohazavaina tamin’ny Kristianina hebreo izany. Nilazana izy ireo hoe: “Na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo raha ny fahelan’ny fotoana no jerena, dia mbola mila olona hampianatra anareo hatramin’ny voalohany ny fampianarana fototra momba ny fanambarana masin’Andriamanitra.” Ny Jiosy no voalohany nandre ny vaovao tsara momba an’i Kristy ka tsy tokony ho zaza ara-panahy intsony izy ireo, fa tokony ho efa Kristianina matotra sy mahay mampianatra, ka ho modely. (He 5:12–6:2) Fampianarana amin’ny ankapobeny àry no tian’i Paoly horesahina eto, fa tsy fampianarana eo anivon’ny fiangonana. Fampianarana amin’ny ankapobeny toy izany ihany no nolazainy momba ilay Jiosy nanam-pahalalana izay nanjary “mpananatra ny tsy misaina, [sy] mpampianatra ny zaza bodo.” (Ro 2:17-20) Nasehon’i Paoly anefa fa rehefa mampianatra toy izany ny olona iray, dia tokony hifanaraka amin’izay ampianariny ny fiainany, mba hanome voninahitra an’Andriamanitra.​—Ro 2:21-24.

Afaka nifampianatra koa ny samy Kristianina. Azon’ny vehivavy zokiolona nampianarina, ohatra, ny vehivavy tanora mba “ho tia vady aman-janaka, hisaina tsara, hadio fitondran-tena, hazoto hikarakara tokantrano, hanao izay tsara, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.” Nandaitra ny fampianarana toy izany rehefa niezaka ny ho modely ilay mpampianatra.​—Tit 2:3-5; ampit. 2Ti 1:5; 3:14, 15.