Mpanakalo Vola
Olona mpanolo ny volan’ny tany iray ho vola vahiny mitovy sanda aminy, na mpanolo ny vola vaventy ho vola madinika. Nahazo vola ilay olona isaky ny nisy nanakalo vola. Avy amin’ny hoe kôllybôs, teny iantsoana ny vola madinika andoavana ny karaman’ny mpanakalo vola, àry ny teny grika hoe kôllybistes (mpanakalo vola). Ny teny grika hoe kermatistes (mpanakalo vola, Jn 2:14) kosa iray tarika amin’ny hoe kerma, izay nadika hoe ‘vola madinika’ ao amin’ny Jaona 2:15. Nitahiry vola sy nandoa ny karaman’ireo nampiseho taratasim-bola koa ny mpanakalo vola, hoy ny Mishnah Jiosy.—Bava Mezia 3:11; 9:12.
Drakma roa (didrakma) ny hetran’ny tempoly tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Mt 17:24) Mety ho nila nanakalo vola handoavana an’io hetra io sy hividianana biby hatao sorona na zavatra hafa àry ireo Jiosy avy any an-tany hafa, rehefa tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Paska. Nankany amin’ny faritany ny mpanakalo vola ny faha-15-n’ny volana Adara na iray volana teo ho eo talohan’ny Paska, hoy ny Mishnah (Shekalim 1:3). Nankao amin’ny faritry ny tempoly anefa izy ireo ny 25 Adara, rehefa tonga tao Jerosalema ny Jiosy sy ny olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy avy any amin’ny tany maro.
Tao amin’ny tempoly i Jesosy Kristy no nanjera indroa ny latabatr’ireo mpanakalo vola. Noteneniny mafy izy ireo satria nataony “trano fivarotana” sy “lava-bato fieren-jiolahy” ny tempoly. (Jn 2:13-16; Mt 21:12, 13; Mr 11:15-17) Hitan’i Jesosy angamba hoe naka tombony be loatra ireo mpanakalo vola. Nahazo tombony be tokoa indraindray ireo nivarotra biby hatao sorona. Lazain’ny Mishnah fa nisy fotoana nahatratra denaria volamena iray (denaria volafotsy 25) ny vidin’ny voromailala roa. Niteny àry i Simeona zanak’i Gamaliela hoe: “Mianiana amin’ny Tempoly aho fa tsy hatory aho anio alina, raha tsy lasa denaria [volafotsy] iray ny vidin’ireo!” Nidina be ny vidin’ny voromailala androtr’iny.—Keritôt 1:7 (nadikan’i H. Danby).