Mpanandro
Ao amin’ilay ampahany amin’ny bokin’i Daniela nosoratana tamin’ny teny aramianina ihany no misy hoe gazerin. (Da 2:4b–7:28) Avy amin’ny fototeny midika hoe “manapatapaka” izy io, ary ilazana an’ireo mizarazara ny lanitra ho faritra maromaro. “Ombiasy” no andikan’ny Baiboly sasany (DIEM) an’io teny aramianina io. (Da 2:27; 4:4 [and. 7, TV]; 5:7, 11) Hoy ny Diksionera Hebreo sy Kaldeanina Nataon’i Gesenius momba ny mpanandro: “Nandinika ny toeran’ny kintana teny amin’ny lanitra izy ireo, ary nanandro sy nanao kajikajy ... mba hamantarana izay hitranga amin’ny olona tsirairay.” (Nadikan’i S. Tregelles, 1901, p. 166, 167) Mazàna no mivavaka amin’andriamanitra maro ny mpanandro. Niandoha tany amin’ny faritra atsimon’ny Lohasahan’i Mezopotamia ny fanandroana taoriana kelin’ny Safodrano, rehefa tsy nanompo an’i Jehovah intsony ny olona. Lasa nidika hoe “mpanandro” àry ny hoe Kaldeanina, tatỳ aoriana.
Nino ireo mpanandro fa misy andriamanitra mifehy ny faritra tsirairay amin’ny lanitra. Ireo andriamanitra ireo, hono, no mandrindra ny fihetsehan’ny zava-drehetra eny amin’ny lanitra, toy ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany, ny lalan’ny masoandro rehefa vanin-taona mafana sy mangatsiaka, ny fanakona-masoandro sy ny fanakonam-bolana, ary ny tainkintana. Noraisina an-tsoratra tsara izy ireny, ary natao sary sy tabilao be tsipiriany. Avy tamin’ireny no nilazana hoe inona no hitranga eto an-tany sy amin’ny olombelona. Noheverina fa ireo andriamanitry ny lanitra ireo no mifehy ny zava-drehetra mitranga eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainan’ny tsirairay. Nasaina nanazava an’ireo fambara àry aloha ny mpanandro, vao sahy nanapa-kevitra ny mpanao politika na ny miaramila handeha hiady. Nanjary to teny sy nanana fahefana be ny mpisorona vokatr’izany. Nihambo ho nanana fahendrena sy fahiratan-tsaina ary hery lehibe izy ireo. Nasiana toerana fandinihana ny lanitra izay tempoly lehibe tany Babylona.
Naminany i Isaia (taonjato fahavalo T.K.), fa ho rava i Babylona. Nilaza an-kolaka izy fa tsy ho vitan’ireo mpanolo-tsaina mpandinika ny lanitra ny hamonjy an’ilay tanàna. Hoy izy: “Tofoka amin’ny mpanolo-tsaina maro be ianao [Babylona]. Aoka hitsangana hamonjy anao ireny ankehitriny, dia ireo mpivavaka amin’ny lanitra, ireo mpijery ny kintana, ireo mampahafantatra anao isaky ny tsinam-bolana izay hitranga aminao.”—Is 47:13.
Natao sesitany tany Babylona, tany amin’ny tanin’ny mpanandro, i Daniela sy ny namany telo lahy. Nanontanian’ny mpanjakan’i Babylona azy ireo “ny zava-drehetra nilana fahendrena sy fahiratan-tsaina.” Hitan’ilay mpanjaka ‘fa avo folo heny ny fahaizan’izy ireo raha noharina tamin’ny an’ny mpisorona rehetra nampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra tamin’ny maty, nanerana ny fanjakany.’ (Da 1:20) Nantsoiny hoe “lehiben’ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina” i Daniela taorian’izay. (Da 4:9) Tsy hoe lasa mpandinika kintana sy ‘mpizarazara ny lanitra’ akory i Daniela, fa mbola nanompo an’i Jehovah foana. Tezitra be tamin’ireo mpanandro sy ny ‘olon-kendriny’, ohatra, i Nebokadnezara, indray mandeha, satria tsy hain’izy ireo ny nofiny. Hoy izy: “Hotapahina hatao tsy hisy rantsambatana intsony ianareo ary hatao kabinem-bahoaka ny tranonareo.” (Da 2:5) Tokony ho nampiharana an’io sazy io koa i Daniela sy ny namany. Nentina teo anatrehan’ny mpanjaka anefa aloha i Daniela, ka niteny hoe: “Misy Andriamanitra ... any an-danitra, izay Mpampiharihary zava-miafina ... Fa raha ny amiko kosa, dia tsy noho izaho manana fahendrena mihoatra noho ny velona rehetra akory no nampiharihariana tamiko izany zava-miafina izany.”—Da 2:28, 30.
Iza ireo Magy tonga nitsidika an’i Jesosy zaza?
Nisy mpanandro (gr.: magôi; “Magy”, Prot.; “Majy”, Kat.) nitondra fanomezana ho an’i Jesosy zaza. (Mt 2:1-16) Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly (Boky II, p. 139): “Nilaza i Hérodote fa foko medianina [I, 101] nihambo ho nahay nanazava ny hevitry ny nofy ireo magy, ary izy ireo no nitarika fombafomba ara-pivavahana ... Raha tsorina, dia mpisorona nahita fianarana izy ireo. Noheverina fa nahay namantatra ny hoavy izy ireo, noho izy ireo nandalina boky sy nandinika ny kintana ... Hitan’ny mpikaroka tatỳ aoriana fa hay tany Babylona, fa tsy tany Media sy Persa, no tena nisy Magy be dia be. ‘Tsy natao hoe Magy ny mpisorona medianina tany am-boalohany ... Naka tahaka an’ireo Kaldeanina anefa ny Medianina ka nantsoiny hoe Magy koa ny mpisorony. Izany angamba no nahatonga an’i Hérodote hilaza fa foko medianina ny magy’ ... (J. Müller ao amin’ny Rakipahalalan’i Herzog.).”—Nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874.
Tsy mahagaga àry raha hoe mpanandro no nahazoan’i Justin Maritiora sy Origène ary Tertullien an’ilay hoe magôi, rehefa namaky ny Matio 2:1 izy ireo. Hoy i Tertullien (“Momba ny Fanompoan-tsampy”, IX): “Fantatsika fa misy ifandraisany ny asan’ny maizina sy ny fanandroana. Ireo mpandinika ny toeran’ny kintana sy mpanazava ny hevitr’izany àry no voalohany ... nanolotra ‘fanomezana’ ho Azy [Jesosy].” (Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée, 1957, Boky III, p. 65) Lasa nantsoina hoe Magy ireo “mpanandro tany Atsinanana.”—Ny Rakipahalalana Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls, 1952, Boky Faha-22, p. 8076.
Azo inoana fa mpanandro ireo magôi tonga nitsidika an’i Jesosy zaza. Hoy ny Fiainana Feno, Baiboly Fianarana momba ny hoe Magy: “Mety ho mambra tamina sokajim-pivavahana nandalim-pahaizana ireo ... Ny taranja astrolojia [fanandroana] ... no nifotoran’izy ireo manokana.” (Mt 2:1, f.a.p.) Mety àry raha hoe “mpanandro” no nampiasain’ny Baiboly sasany ao amin’ny Matio 2:1.—TV.
Tsy milaza ny Baiboly hoe telo ireo mpanandro “avy any atsinanana” nanome “volamena sy ditin-kazo manitra ary miora” ho an’i Jesosy zaza. (Mt 2:1, 11) Nanompo andriamani-diso izy ireo, ary mety ho nanaiky an-tsitrapo hotarihin’ilay “kintana” toa nifindrafindra. Nilaza tamin’i Heroda izy ireo fa teraka ilay “mpanjakan’ny Jiosy”, ka nitetika ny hamono an’i Jesosy i Heroda. Nandamòka anefa ilay tetika satria nisalovana i Jehovah, izay mahery noho ny demonia notompoin’ireo mpanandro. Lalan-kafa àry no nandehanan’izy ireo nody, rehefa “nampitandreman’Andriamanitra tamin’ny nofy” izy ireo.—Mt 2:2, 12.
Fandinihana atin-kena. Mampiavaka ny fanandroana ny ‘fandinihana atin-kena.’ (Ezk 21:21) Nahitana atin-kena tanimanga tao amin’ny sekoly anisan’ny tempoly iray tao Babylona nisy tamin’ny andron’i Hammourabi. Nozarain’ny mpanandro ho “andro” sy “alina” ny lafiny iray tamin’izy io. Nozarainy 16 kosa ny sisiny, ary nampitondrainy ny anaran’ireo andriamanitry ny lanitra ny fizarana tsirairay. Tahaka ny nizarazarany ny lanitra ho faritra samy hafa araka izay saim-pantany fotsiny, no nizarazarany ny atin’ireo biby nataony sorona. Noheveriny ho toy ny lanitra kely mantsy ilay atin-kena. Nodinihiny àry ilay izy, mba hahitany hoe inona no fambara nampitain’ireo andriamanitra taminy.—Jereo SIKIDY.
Moleka sy ny fanandroana tany Israely. Misy ifandraisany akaiky ny fanandroana sy ny fivavahana tamin’i Moleka. Andriamanitra manana lohan’ombilahy no natao sariny indraindray. Sarina ombilahy koa ny sarin’ny andriamani-diso toa an’i Mardoka sy Moleka ary Bala, izay nivavahan’ireo Babylonianina sy Kananita sy Ejipsianina ary firenen-kafa. Anisan’ny misongadina indrindra amin’ireo kintana fijerena tononandro ny ombilahy (Taureau). Sarina ombilahy matetika ny sarin’ny andriamanitra masoandro, ka ny tandrony no nanehoana ny tara-masoandro ary ny taovam-pananahany no herin’ny masoandro “mpanome aina.” Nomem-boninahitra toy izany koa ny ombivavy, ka sarin’ombivavy ny sarin’i Ishtar na Astarta. Fahotana lehibe teo imason’i Jehovah àry ny nivavahan’ny Israely tamin’ny sarivongana zanak’omby nataon’i Arona sy Jeroboama.—Ek 32:4, 8; De 9:16; 1Mp 12:28-30; 2Mp 10:29.
Nomelohina ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely satria ‘niala tamin’ny didy rehetra nomen’i Jehovah Andriamaniny, ka nanao sarivongana zanak’omby roa tamin’ny metaly. Nanao tsato-kazo masina koa izy ireo, sady niankohoka tamin’izay rehetra eny amin’ny lanitra, ary nanompo an’i Bala. Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo izy ireo, sady nanao sikidy sy nitady fambara.’—2Mp 17:16, 17.
Inona kosa no nataon’ny fanjakan’ny foko roa tany atsimo? I Ahaza Mpanjaka sy Manase zafikeliny mihitsy no nitarika ny vahoaka hivavaka tamin’ny kintana sy hanao sorona ny zanak’izy ireo tao anaty afo. (2Mp 16:3, 4; 21:3, 6; 2Ta 28:3, 4; 33:3, 6) Nesorin’i Josia Mpanjaka “tamin’ny asany [kosa] ireo mpisoron’ny andriamani-kafa”, izay “nanolotra setroka ho sorona ho an’i Bala, sy ho an’ny masoandro sy ny volana sy ireo antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra.” Noravany ny toerana avo ary nozimbazimbainy ilay toeram-pivavahana hoe Tofeta, mba “tsy hisy handoro ny zanany lahy na ny zanany vavy ao anaty afo ho an’i Moleka intsony eo.” (2Mp 23:5, 10, 24) Nasain’i Jehovah nomelohin’i Zefania sy Jeremia mpaminany ireo ‘nankeny an-tampon-trano mba hiankohoka tamin’izay rehetra teny amin’ny lanitra’, sy ireo ‘nianiana tamin’ny anaran’i Malkama [Moleka].’—Ze 1:5; Je 8:1, 2; 19:13.
Misy ifandraisany tokoa ny fivavahana tamin’i Moleka sy tamin’ny zanak’omby ary ny fanandroana, araka ny notantarain’i Stefana momba ny fikomian’ny Israelita tany an-tany efitra. Rehefa niteny tamin’i Arona izy ireo hoe “Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika”, dia navelan’i Jehovah “hanao fanompoana masina ho an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: ‘Izaho angaha moa no nanoloranareo fanatitra biby sy sorona ... Tsia, fa ny tranolain’i Moloka sy ilay kintana andriamanitra atao hoe Refana no nentinareo.’”—As 7:40-43.
Melohin’Andriamanitra ny fanandroana. Tsotra ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Anisan’izany ny masoandro sy ireo planeta mihodidina aminy, ary ireo antokon-kintana. (Ge 1:1, 16; Jb 9:7-10; Am 5:8) Tsy irin’i Jehovah hivavaka amin’ireny anefa ny olona. Norarany mafy àry ny vahoakany mba tsy hivavaka amin’ny “bikabikan-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra ambony.” (Ek 20:3, 4) Voarara ny karazana fanandroana rehetra.—De 18:10-12.