Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanasa Lamba

Mpanasa Lamba

Taloha izy io dia olona nanadio akanjo avy nanaovana, na nanala loko sy menaka ary nampifintina ny lamba holokoana. Avy amin’ny fototeny midika hoe “manosihosy”, izany hoe manitsakitsaka lamba sasana mba hialan’ny loto, izy io amin’ny teny hebreo. (Ml 3:2; jereo FANDROANA.) Iray tarika amin’ny hoe gnafôs (voninkazo misy tsilo; borosin-kofehy) kosa ny hoe gnafeos (gr.; “mpanadio lamba”), ary ilazana olona manatsara lamba voatenona na manasa sy mikosoka akanjo maloto.

Azo inoana fa fotsy tsara ny akanjo nosasana sy nofotsian’ny mpanadio lamba fahiny. Hoy anefa i Marka momba ny hafotsin’ny akanjon’i Jesosy tamin’izy niova tarehy: “Nanjary namirapiratra ny akanjony ivelany, sady tena fotsy be, ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba toy izany eto an-tany.”​—Mr 9:3.

Sirahazo. Neter (karbonatana sodioma) ny teny hebreo ilazana ny sirahazo. Avy any anaty tany ilay neter fa tsy avy amin’ny zavamaniry. Mbola tsy nafangaro zavatra simika toy ireo amidy eny an-tsena koa ilay sirahazo resahina eto. Mandroatra izy io rehefa afangaro amin’ny ranon-javatra marikivy, toy izay resahina an-kolaka ao amin’ny Ohabolana 25:20. Misy Baiboly mandika azy io hoe “sirantany”, nefa tsy mitovy amin’ny nitiratana potasioma na nitiratana sodioma ilay izy.

Tena manadio tsara ny sirahazo, na amin’izao fotsiny na atao savony. Vao mainka àry azontsika ny tian’i Jehovah holazaina momba ny haben’ny fahotan’ny Israely hoe: “Na dia hisasa aza ianao ka hampiasa sirahazo sy savony be dia be, dia ho toy ny tasy eo anatrehako ny fahadisoanao.”​—Je 2:22.

Tsy avy tamin’ny zavamaniry ihany no nahazoana sirahazo fahiny, fa tany anaty farihy, tany Syria, Inde, Ejipta, na teny amin’ny morony atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty koa. Nataon’ny Ejipsianina sy ny firenen-kafa ho solon’ny leviora anaty koba izy io, ary nampiasainy hampahalemy ny hena nandrahoina, hampitonena areti-nify (nafangaro tamin’ny vinaingitra), ary hikarakarana faty, ankoatra ny hoe hanadiovana.

Savony. Avy amin’ny zavamaniry ilay hoe bôrit (heb.; “savony”), fa tsy mitovy amin’ilay hoe neter, izay avy any anaty tany. Samy hita ao amin’ny Jeremia 2:22 ireo teny ireo. Karbonatana sodioma na karbonatana potasioma ny savony fahiny, arakaraka ny hoe lavenon’ny zavamaniry teny amin’ny tany be sira amoron-dranomasina sa teny afovoan-tany no nanaovana azy. Notampohina rano ilay lavenona, ary notantavanina ny zavatra simika taminy. Tsy toy ny savony ankehitriny izay avy amin’ny hidiroksidana potasioma mahery be ny savony tamin’izany. Nanadiovana akanjo (Ml 3:2) sy metaly toy ny firamainty sy volafotsy ny savonin’ny mpanasa lamba fahiny.​—Is 1:25, f.a.p.

Nadika koa hoe “savony” (TV) na “ranon-davenona” (Prot.) ny teny hebreo hoe bôr, ao amin’ny Joba 9:30. Voalaza ao fa nanasana tanana ilay savony, izay mety ho karbonatana potasioma na karbonatana sodioma koa.