Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpandefa Zana-tsipìka

Mpandefa Zana-tsipìka

Mpampiasa tsipìka sy zana-tsipìka. Nampiasa an’ireo ny olona taorian’ny Safodrano rehefa namono biby haingam-pandeha na nasiaka loatra izay sarotra nosamborina (mba hatao sakafo, fitafiana na hanamboarana fialofana). Azo inoana fa nanana mpandefa zana-tsipìka i Nimroda rehefa lasa mpanjaka.

“Lasa mpandefa zana-tsipìka” i Ismaela lahimatoan’i Abrahama mba hahazoana sakafo tany an-tany efitra (taonjato faha-20 T.K.). (Ge 21:20) Nahay nampiasa tsipìka koa i Esao zafikelin’i Abrahama. (Ge 27:3) Ireo mpandefa zana-tsipìka no tena herin’ny mpanafika ejipsianina efa hatry ny ela, rehefa jerena ny tsangambato. Nisy mpandefa zana-tsipìka koa ny sary sokitra tany Babylona. Herin’ny tafik’Israely koa ny mpandefa zana-tsipìka tamin’ny andron’i Josoa (Js 24:12), Davida (1Ta 12:1, 2), ary taorian’izay. (2Ta 14:8; 26:14) Filistinina no nitifitra an’i Saoly Mpanjaka tamin’ny zana-tsipìka, Syrianina no nitifitra an’i Ahaba, ary Ejipsianina no nitifitra an’i Josia.​—1Sa 31:1-3; 1Mp 22:34, 35; 2Ta 35:20, 23.

Nitondra tsipìka roa, lava sy fohy, ny mpandefa zana-tsipìka asyrianina nitaingina kalesy (sary mivohitra tany Ninive). Sady nihazona zana-tsipìka vitsivitsy izy no nitifitra, ka afaka nitifitra haingana. Toa tetikadin’ny Asyrianina mantsy ny nanao tifitra variraraka, ary avy eo nenjehiny tamin’ny sabatra sy lefona ny fahavalo.

Mpandefa zana-tsipìka mpiambina ny mpanjakan’i Persa

Voalaza fa ny Persianina no mpandefa zana-tsipìka kalazalahy indrindra eran-tany. Nanana tsipìka sy tranon-jana-tsipìka ny miaramilan’i Media sy Persa eo amin’ny sary mivohitra tany Persepolisy sy Sosa. Nampianarina nitifitra zana-tsipìka sy nitaingin-tsoavaly ny ankizilahy persianina (5-20 taona). Nahay nitifitra nankany aoriana koa ireo miaramila mpitaingin-tsoavaly. Sady nandeha no nitifitra ireo mpandefa zana-tsipìka, ka afaka nanao tifitra variraraka.

Tsy toy ny firenena tatsinanana i Gresy sy Roma tany andrefana satria tsy dia nampiasa tsipìka sy zana-tsipìka, na dia nanampy azy ireo handresy ihany aza indraindray ny mpandefa zana-tsipìka. Ny Grika mantsy nisintona ny tsipìka nankeo amin’ny vatany ka tsy nahavoa firy, fa ny Ejipsianina sy Persianina kosa nisintona nankeo amin’ny takolaka na maso. Toa mpikarama an’ady kretanina sy aziatika no mpandefa zana-tsipìka, fa nampiasa sabatra sy lefona kosa ny Grika sy Romanina.​—Jereo FIADIANA, FITAOVAM-PIADIANA.

Heviny an’ohatra. Nanao ny tsy rariny tamin’i Josefa ny rahalahiny, ka hoy i Jakoba: “Tsy nitsahatra nampahory sy nitifitra azy ny mpandefa [a.b.t.: tompon’ny] zana-tsipìka.” (Ge 49:23) Nihevitra i Joba fa nankahala azy Andriamanitra ka hoy izy: “Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany.” (Jb 16:13) Avy amin’ny hoe ravav (“mitifitra”) ny teny hebreo hoe rav nadika eo hoe “mpandefa zana-tsipìka.” (Ge 49:23) Hoy ny Ohabolana 26:10: “Izay manakarama ny tsisy saina na manakarama ny mpandalo, dia toy ny mpandefa zana-tsipìka [rav] manatrobaka ny zava-drehetra.” Hahita olana àry izay mampiasa olona tsy mahay ny asa ampanaovina azy.