Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanefy

Mpanefy

Olona miasa amin’ny metaly na vy, ka mandrendrika sy manome bika azy, na mikapokapoka azy amin’ny marotoa, na manao sokitra, sy ny toy izany. (Is 41:7) I Tobala-kaina no olona voalohany lazaina hoe “mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy.” (Ge 4:22) Inona avy no namboarin’ny mpanefy fahiny? Izay fitaovana fampiasa amin’ny fambolena, sy ao an-tokantrano, ary any an’ady. Nanao zavamaneno sy ravaka ary sarivongana kely koa izy. Tsy hoe nanao zava-baovao fotsiny ny mpanefy, fa nanamboatra ny simba koa. (2Ta 24:12) Nisy tena havanana tamin’ny fanefena volamena (Ne 3:8, 31, 32), volafotsy (Mpts 17:4; As 19:24), na varahina (2Ti 4:14). Namorona fikambanana mihitsy ny mpanefy, indraindray. (Ne 3:31; As 19:24-28) Nilana fahaizana zava-kanto ny asan’ny mpanefy.

Mety ho efa nahay nanefy ny Israelita rehefa tonga tany Ejipta, nefa mety ho tany koa izy ireo vao nianatra izany. Efa nahay nanao zanak’omby tamin’ny metaly sy nanamboatra bibilava varahina izy ireo, rehefa niala tany Ejipta. (Ek 32:4; No 21:9) Nahavariana anefa ny nahavitan’izy ireo an’ireo fitaovana metaly maro samihafa nampiasaina tao amin’ny tranolay masina. Ny fanahin’i Jehovah no nanampy an’i Bezalila sy ireo mpiara-miasa taminy hanao izany.​—Ek 31:2, 3; 35:30-35.

Nampahory an’ireo Israelita ny Filistinina, tatỳ aoriana, ka tsy navelany hisy mpanefy teo amin’izy ireo sao hanamboatra fitaovam-piadiana. (1Sa 13:19-22) Mety ho antony nitovy tamin’izany koa no nahatonga an’i Nebokadnezara hambabo an’ireo mpanefy sy mpahay asa tanana, tamin’izy nanafika voalohany an’i Jerosalema.​—2Mp 24:14, 16; Je 24:1; 29:1, 2.