Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanelanelana

Mpanelanelana

Olona miezaka hampifandray ny andaniny sy ny ankilany mba hihavanan’izy ireo; mpanalalana. Lazain’ny Baiboly hoe mpanelanelana i Mosesy sy Jesosy. I Mosesy no mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, fa i Jesosy kosa amin’ny fifanekena vaovao.​—Ga 3:19; 1Ti 2:5.

Tsy manan-kery ny fifanekena raha tsy misy ra alatsaka. Miresaka momba ny fifanekena roa ny bokin’ny Hebreo, dia ny fifaneken’ny Lalàna sy ny fifanekena vaovao. Voalaza ao fa i Kristy no mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. (He 9:15) Niteraka adihevitra be teo amin’ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly kosa ny Hebreo 9:16. Toy izao no nandikan’ny Baiboly vitsivitsy azy io: “Fa raha misy didim-pananana, dia teny foana izany, raha tsy efa maty ilay nanao azy.” (Prot.) “Satria amin’ny didim-pananana dia ilaina ny fahafatesan’ny mpandidy.” (Kat.) “Raha misy didim-pananana, dia ilaina hoporofoina fa maty tokoa ilay nanao izany didim-pananana izany.” (DIEM) “Fa raha misy didim-pananana, dia tsy maintsy ilaina koa ny hisian’ny fahafatesan’ny mpanao ny didim-pananana.” (JM) “Rehefa misy mantsy fifanekena atao, dia takina ny hahafatesan’ilay olona nanao fifanekena.” (TV) Nadika koa hoe “fifanekena” ilay teny hoe diateke ao amin’ny Soratra Grika​—Fandikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana sy ny Testamenta Vaovao​—Fandikan-teny Isan’andalana Grika-Anglisy, nadikan’i Alfred Marshall.

Mahalaza tsara ny tian’ny apostoly Paoly horesahina ny nandikana ny diateke amin’ny hoe “fifanekena.” Tsy hoe “didim-pananana” (toy ny hita ao amin’ny Baiboly maro) no nandikana ny hoe diateke ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny andininy maro ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. (Lk 1:72; As 3:25; 7:8; Ro 9:4; 11:27; He 8:6-10; 12:24) Tsy misy ifandraisany amin’ny fifaneken’ny Lalàna sy ny fifanekena vaovao noresahin’i Paoly koa ny hoe “didim-pananana.” Samy tsy “didim-pananana” mantsy ireo fifanekena roa ireo.

Fifanekena teo amin’Andriamanitra sy ny olona (fa tsy teo amin’ny olona sy olona) no resahin’ny Hebreo 9:16, ary nilaza i Paoly fa nitaky fanaovana sorona izany. Fanaon’ny Hebreo koa ny nanolotra biby ho sorona rehefa nanatona an’Andriamanitra, na nanao fifanekena taminy. Norasarasaina ilay biby indraindray rehefa natao ilay fifanekena. Tsy maintsy nisy ra nalatsaka àry vao nanan-kery teo anatrehan’Andriamanitra ny fifaneken’ny Lalàna sy ny fifanekena vaovao. Raha tsy izany mantsy, dia tsy ho nekeny ireny fifanekena ireny ary tsy ho nifandray tamin’ireo olona nanao azy ireny izy. (He 9:17) Biby (ombilahy sy osilahy) no novonoina mba hampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna. Ireny no natao sorona ho solon’i Mosesy, ilay mpanelanelana. (He 9:19) Ny ain’i Jesosy Kristy kosa no natao sorona mba hampanan-kery an’ilay fifanekena vaovao.​—Lk 22:20.

Mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna. I Mosesy no mpanelanelana tamin’i Jehovah Andriamanitra sy ny firenen’Israely, rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna. Voalaza fa niresaka “mivantana” taminy i Jehovah (No 12:8), nefa anjely no nirahin’Andriamanitra hiresaka taminy, raha ny marina. (As 7:38; Ga 3:19; He 2:2) I Mosesy indray avy eo no nampita ny tenin’i Jehovah tamin’ny Israely (Ek 19:3, 7, 9; 24:9-18), ary ‘nankinin’i Jehovah’ taminy ‘izay rehetra tao an-tranony.’ (No 12:7) Nanampy ny firenen’Israely hanaja an’ilay fifanekena sy handray soa tamin’izany i Mosesy, ilay mpanelanelana.

Lasa nanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna. Hoy i Paoly: “Tsy ilaina ny mpanelanelana raha olona iray monja no voakasika. Andriamanitra irery ihany anefa no nanao an’ilay fampanantenana.” (Ga 3:20) Andriamanitra sy ny firenen’Israely no andaniny roa tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna. Mpanota anefa ny Israelita ka tsy afaka nanatona mivantana an’Andriamanitra, fa nila mpanelanelana. Izany no antony niangaviany an’i Mosesy hoe: “Aleo ianao no miteny aminay, dia aoka izahay hihaino. Fa aoka tsy Andriamanitra no hiteny aminay sao ho faty izahay.” (Ek 20:19; He 12:18-20) Namindra fo àry i Jehovah ka i Mosesy no nataony mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, ary nasainy nanao sorona biby ny Israelita mba hampanan-kery an’ilay fifanekena. Tsy lavorary sy mpanota koa i Mosesy nefa nankasitrahan’Andriamanitra izy, toa an’i Abrahama ihany. (He 11:23-28; jereo MANAMBARA HO MARINA [“Nekena ho isan’ny” olo-marina].) I Mosesy no niandraikitra ny fanolorana an’ireo biby hatao sorona, rehefa natao ilay fifanekena. Nafafiny teo amin’ny horonam-boky na “ny bokin’ny fifanekena” avy eo ny ran’ireo biby. Novakiny tamin’ny vahoaka ny fepetra notakina tamin’izy ireo, ary nanaiky ny hankatò izany izy ireo. Nafafiny teny amin’izy ireo (azo inoana fa tamin’ny anti-panahy nisolo tena azy ireo) ilay ra sady hoy izy: “Ity no ran’ny fifanekena nataon’i Jehovah taminareo, momba izany teny rehetra izany.”​—Ek 24:3-8; He 9:18-22.

Napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona. Tsy maintsy napetraka teo amin’ny toerany aloha ireo voatendry ho mpisorona tao amin’ny fianakavian’i Arona, vao afaka nanomboka ny asany. I Mosesy, ilay mpanelanelana nofidin’Andriamanitra, no niandraikitra izany tamin’ny 1-7 Nisana 1512 T.K. Nohosorany tamin’ny menaka manokana ny tranolay sy ny fanaka ary ny fitaovana tao, ary nohosorany koa i Arona. Nasiany fanatitra teo ambony tanan’i Arona sy ny zanany lahy, ary avy eo nahetsiketsiny teo anatrehan’i Jehovah ny tanan’izy ireo, mba hanokanana azy ireo na ‘hanomezana fahefana azy ireo ho mpisorona.’ Nakany ny menaka fanosorana sy ny ra teo amin’ny alitara, ary nafafiny tamin’izy ireo. Anisan’ny andraikitr’i Mosesy àry ny nametraka ny mpisorona teo amin’ny toerany mba hahafahan’izy ireo manomboka ny asa fisoronana, izay lafiny iray tamin’ny fifaneken’ny Lalàna.​—Le 8; He 7:11; jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY.

Nisahana andraikitra lehibe koa i Mosesy, rehefa nanomboka ny fanompoany ireo mpisorona tamin’ny 8 Nisana 1512 T.K. Nanome toromarika an’ireo mpisorona izy ny amin’izay tokony hataon’izy ireo, ary avy eo nitso-drano ny vahoaka izy sy Arona. (Le 9) Mpanelanelana àry i Mosesy nandritra ny andro maromaro nanombohana ny zava-drehetra notakin’ny Lalàna.

Asa hafa nataon’ilay mpanelanelana. Tamin’ny alalan’i Mosesy no nanomezana ho an’ny Israely lalàna 600 mahery, anisan’izany ny lalàna momba ny fisoronana. Nanao fahagagana maro ho an’ilay vahoaka koa i Mosesy, noho ny hery nomen’Andriamanitra azy. Nifona ho azy ireo izy, ary nitalaho tamin’i Jehovah mba hitsimbina ny ain’izy ireo noho ny Anarany. (Ek 32:7-14; No 14:11-20; 16:20-22; 21:7; De 9:18-20, 25-29; 10:8-11) Izay tsy hahafa-baraka ny anaran’i Jehovah sy izay hahasoa an’ilay vahoaka no notadiavin’i Mosesy, fa tsy izay hahasoa ny tenany.​—Ek 32:30-33; No 11:26-29; 12:9-13.

Mpanelanelana toa an’i Mosesy. Nampidirina tao amin’ny fifanekena vaovao ny Kristianina, ary mpanota toy ny Israely fahiny ihany izy ireo. Tsy mahavita manaisotra ny ota anefa ny ran’ny biby, ka nilaina ny sorona tsara kokoa. (He 10:4) I Jesosy Kristy io sorona io. (He 10:5-10) Hoy i Paoly rehefa avy niresaka momba an’ireo fanatitra notakin’ny Lalàna: “Mainka fa ny ran’i Kristy? ... Ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona. Koa izany no mahatonga azy ho mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao. Amin’izay dia hahazo fampanantenana ny amin’ny lova mandrakizay ireo voantso. Fa maty i Kristy mba hanafahana azy ireo amin’ny alalan’ny vidim-panavotana, ka hanavotana azy ireo tamin’ny fandikan-dalàna teo ambanin’ilay fifanekena taloha. Rehefa misy mantsy fifanekena atao, dia takina ny hahafatesan’ilay olona nanao fifanekena. Fa izay vonoina atao sorona no mampanan-kery ny fifanekena, satria tsy manan-kery mihitsy izy io raha mbola velona ilay olona nanao fifanekena.”​—He 9:11-17.

Nilaza koa i Paoly fa tsy nanan-kery ilay fifanekena taloha raha tsy nisy ra nalatsaka. Izany no nahatonga an’i Mosesy hampanao fanatitra sy hamafy ra “ny bokin’ny fifanekena.” (He 9:18-28) Nanolotra ny vidim-panavotana koa i Jesosy Kristy, ilay mpanelanelana amin’ny fifanekena vaovao, rehefa niseho teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Tsy ram-biby anefa no nentiny fa ny ran’ny tenany, izay natolony ho sorona. Firenena iray manontolo no nanaovana ny fifaneken’ny Lalàna. (Ek 24:7, 8) Ny ‘firenena masin’Andriamanitra’ na ny “Israelin’Andriamanitra” koa no nanaovana ny fifanekena vaovao.​—1Pe 2:9; Ga 6:15, 16.

Ireo tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao. Hoy i Paoly: “Iray ny mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy, izay nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra”, na Jiosy na tsy Jiosy. (1Ti 2:5, 6) I Kristy no mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny Israely ara-panahy nanaovana ny fifanekena vaovao. (He 8:10-13; 12:24; Ef 5:25-27) Lasa Mpanelanelana i Kristy mba “hahazo fampanantenana ny amin’ny lova mandrakizay” ireo voantso. (He 9:15) Tsy anjely àry no ampiany, fa “ny taranak’i Abrahama” (He 2:16), mba ‘hatsangan’i’ Jehovah ho zanany izy ireo. Ho lasa rahalahin’i Kristy any an-danitra izy ireo, ka ho taranak’i Abrahama toa azy koa. (Ro 8:15-17, 23-25; Ga 3:29) Omeny azy ireo koa ny fanahy masina nampanantenainy. Io fanahy io no anisiana tombo-kase azy ireo sy antoka ny amin’izay ho avy, dia ny lovany any an-danitra. (2Ko 5:5; Ef 1:13, 14) Miisa 144 000 ny Kristianina rehetra voaisy tombo-kase farany.​—Ap 7:4-8.

Nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao. Niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra i Jesosy taorian’ny nitsanganany, rehefa avy nanolotra ny ainy ho sorona, ka ireo tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao no mandray soa voalohany amin’izany. (He 9:24) Sady nanao ny asan’ny Mpisoronabe izy no Mpanelanelana tamin’izay. Rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàna, dia azo lazaina hoe niseho teo anatrehan’Andriamanitra i Mosesy tamin’izy namafy ra ny bokin’ny Lalàna, izay toy ny hoe solontenan’Andriamanitra. Niseho teo anatrehan’Andriamanitra tany an-danitra koa i Jesosy Kristy, ka nanolotra ny vidim-panavotana. Nandrotsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianatra 120 izy, tamin’ny Pentekosta taona 33. Ireo no voalohany tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao. Niampy Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy niisa 3000 teo ho eo izy ireo, ny androtr’iny ihany. (As 1:15; 2:1-47; He 9:19) Nolazain’i Jesosy Kristy tamin’ireo tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao ny mombamomba an’ilay fifanekena sy ny lalàna ao anatin’izy io, tsy misy hafa amin’ny namakian’i Mosesy ny Lalàna tamin’ny vahoaka.​—Ek 24:3-8; He 1:1, 2; Jn 13:34; 15:14; 1Jn 5:1-3.

Tsy mety maty i Jesosy Kristy, ilay Mpanelanelana sady Mpisoronabe. Velona mandrakizay izy, ka afaka ny hiangavy ho an’ireo anisan’ny Israely ara-panahy manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany. Mpanelanelana ny amin’ilay fifanekena vaovao àry izy, mandra-pahavoavonjy tanteraka an’ireo olona ampiany ireo. (He 7:24, 25) Ho vitany ny hanatanteraka hatramin’ny farany ny zava-kendren’ilay fifanekena, dia ny hahatonga an’izay rehetra tafiditra ao amin’izy io ho mpisorona lefitra miaraka amin’i Kristy Mpisoronabe any an-danitra.​—Ap 5:9, 10; 20:6.

Fitahiana ho an’ny olona rehetra. Mpanelanelana amin’Andriamanitra sy amin’ireo ao anatin’ilay fifanekena vaovao ihany i Jesosy. Mpisoronabe sy Taranak’i Abrahama koa anefa izy, ka hitondra fitahiana ho an’ny olon-kafa koa. Ny firenena rehetra mantsy no hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama. Izay ao amin’ilay fifanekena vaovao aloha no hotahin’i Kristy, ilay Taranaka voalohany (Ga 3:16, 29), ary ho lasa anisan’ilay taranaka koa izy ireo. Ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Jesosy izy ireo, ka hitondra fitahiana (azo avy amin’ny soron’i Jesosy sy ny Fanjakany) ho an’ny firenena rehetra eto an-tany. Ho tratra ny zava-kendren’ny nifidianana an’i Kristy ho mpanelanelana, rehefa hitondra soa sy fitahiana ho an’ny olona rehetra “ny Israelin’Andriamanitra.”​—Ga 6:16; Ge 22:17, 18.

Tsy ireo 144 000 “voaisy tombo-kase” ihany no mivavaka amin’i Jehovah amin’ny anaran’i Kristy sy mino ny sorom-panavotany. Tsy ireo ao amin’ny fifanekena vaovao ihany àry no mandray soa amin’io sorona io, fa izay rehetra mino an’i Kristy koa. (1Jn 2:2) Mino mantsy izy ireo fa “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.” (As 4:12) Miaiky izy ireo fa Mpisoronabe any an-danitra i Jesosy Kristy, ka amin’ny alalany no anatonany an’Andriamanitra sy ahazoany famelan-keloka. (He 4:14-16) ‘Handeha amin’ny fahazavan’i Jerosalema Vaovao ireo firenena’, ka i Jehovah Andriamanitra no fahazavana, ary i Jesosy Kristy na ny Zanak’ondry no jiro.​—Ap 21:22-24.