Mpangataka
Olona mangataka fiantrana eny rehetra eny amin’izay olona sendra azy.
Teo ambany fahefan’ny loham-pianakaviana ny fiaraha-monina taloha sy taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. Tsy nisy àry olona nitoka-monina sy tena sahirana, ka hoe voatery nangataka na lasa nahantra faraidiny. Noraisina tsara hatry ny ela ny vahiny sy ny mpanao dia lavitra, fa nahalana vao nisy tsy nandray, rehefa jerena ny fitantaran’ny Baiboly. (Ge 19:1-3; Ek 2:18-20; Mpts 19:15-21) Tsy ny loham-pianakaviana intsony anefa no nitantana ny fiaraha-monina rehefa niorina ny tanàna. Toa noho izany antony izany sy noho ny fanararaotan’ny olona sasany ny fandraisana azy tsara na ny fiantrana azy no nampisy ny mpangataka.
Toa efa hatry ny ela no nisy mpangataka tany amin’ireo firenena tatsinanana. Mahavariana anefa fa tsy milaza ny Soratra Hebreo hoe nisy mpangataka teo amin’ny Israely na hoe olana teo amin’izy ireo ny fisian’ny mpangataka, nanomboka tamin’ny niforonan’ilay firenena ka mandra-panao sesitany azy tany Babylona. “Nangataka [endriny hafa amin’ny matoanteny heb. hoe shaʼal] zavatra tamin’ny Ejipsianina, dia zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena mbamin’ny lamba fitafy” ny Israelita rehefa tsy andevo intsony ka niala tany Ejipta. ‘Koa nataon’izy ireo fongana ny fananan’ny Ejipsianina.’ (Ek 12:35, 36) Nifanaraka tamin’ny baikon’Andriamanitra sy ny faminaniany anefa izany. Toy ny hoe noneran’ny Ejipsianina mantsy ny nanandevozany sy nitondrany azy ireo tsy ara-drariny ela be (Ek 3:21, 22; ampit. De 15:12-15), fa tsy hoe lasa mpangataka ny Israelita ka tokony hotahafina.
Naneho fiahiana ny mahantra ny Lalàn’i Mosesy. Tsy tokony hisy mpangataka mihitsy àry teo amin’ny Israely. (Le 19:9, 10; De 15:7-10; 24:19-21; jereo FIANTRANA NY MAHANTRA.) Asongadin’ny Soratra Hebreo hoe natoky ireo niezaka nanao ny marina fa hanampy azy foana Andriamanitra. Nilaza, ohatra, i Davida tamin’izy efa antitra hoe: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra aho ankehitriny, nefa mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka [endriny hafa amin’ny teny heb. hoe bikkesh] hanina.” Nalala-tanana koa anefa ireny olo-marina ireny. (Sl 37:25, 26; ampifanohero amin’izay nanjo an’i Jerosalema nivadi-pinoana, Ft 1:11; 4:4.) Ny olona kamo kosa ‘hangataka rehefa fotoam-pijinjana.’ (Oh 20:4) Ny sazin’ny ratsy fanahy koa dia hoe ‘hirenireny ny zanany, ary hangataka, ka handao ny tanànany efa aolo, mba hitady hanina.’ (Sl 109:10) Ny teny hebreo hoe shaʼal no nadika eo amin’ireo andininy roa ireo hoe ‘mangataka’, ary mety ho nangataka teny rehetra teny toy ny fanaon’ny mpangataka ireo olona voaresaka eo.
Toa lasa nihevitra ny Jiosy, taorian’ny nodiany avy tany an-tsesitany (537 T.K.) ka hatramin’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, fa ho voavonjy izay miantra ny mahantra. Hoy tokoa ny Eklesiastika (3:28) (boky tsy anisan’ny Baiboly nosoratana tany am-piandohan’ny taonjato faharoa T.K.): “Ny fiantrana manonitra ny fahotana.” Lasa nisy àry ny mpangataka. (Ampitahao amin’ny Mt 6:2, izay milaza ny tsy fankasitrahan’i Jesosy an’ireo te hoderain’olona rehefa manao fanomezana.)
Rehefa nofehezin’ny firenen-kafa ny Jiosy, dia nampahoriny ka lasa tsy afaka nampihatra firy intsony ny Lalàn’i Mosesy momba ny zon’ny mpandova tany sy ny lalàna hafa toy izany. Nanaraka filozofia sy fampianaran-diso koa izy ireo, ka lasa tsy tena tia namana intsony. (Mt 23:23; Lk 10:29-31) Nihamaro àry ny mpangataka tany Palestina, ary miresaka imbetsaka momba azy ireo ny Soratra Grika Kristianina.
Nisy jamba, malemy tongotra, ary marary ireo mpangataka tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Ny fivontosan’ny maso (areti-maso mbola fahita any Israely sy ny firenena manodidina azy) no mety ho naha lasa jamba ny sasany. (Mr 10:46-49; Lk 16:20, 22; 18:35-43; Jn 9:1-8; As 3:2-10) Toy ny ankehitriny ihany, dia matetika no nisy mpangataka teny amin’ny lalana na toerana be olona, ohatra hoe tao amin’ny tempoly. Tian’ny Jiosy ny nanao fiantrana, nefa nohamavoiny ny mpangataka, ka hoy ilay mpanompo tao amin’ny fanoharan’i Jesosy: “Ny mangataka mahamenatra ahy.”—Lk 16:3.
Iray tarika amin’ny hoe aiteô (“mangataka”) (Mt 7:7) ny matoanteny grika roa ilazana ny ataon’ny mpangataka.
Ptôkôs ny teny grika nilazan’i Lioka (16:20, 22) an’i Lazarosy mpangataka. Olona mitampify sy mitakoko no dikan’io teny io, ka ilazana olona mahantra be, tsy manana na inona na inona, ary mpangataka. Ptôkôs koa no ilazan’ny Matio 5:3 an’ireo “mahatsapa fa mila an’Andriamanitra [na “mpangataka fanahy”]” (“mahantra am-panahy”, Kat.). Hoy ny Famakafakana Teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao (nataon’i M. Vincent, 1957, Boky I, p. 36) momba an’ilay hoe ptôkôs eo: “Mazava sy mety tsara izy io eo ilazana ny hoe tokony hahatsapa ho mahantra faraidiny eo amin’ny lafiny ara-panahy ny olona iray, vao afaka ny hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Hahantra ara-panahy foana izy raha miantehitra amin’ny herin’ny tenany fotsiny, ka mila ny famindram-pon’Andriamanitra.”
Nampiasain’i Paoly koa ilay teny grika rehefa nilaza izy fa nanahy momba an’ireo “miverina indray any amin’ireo zavatra fototra tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy [ptôka]” efa nialana. (Ga 4:9) “Tsy misy ilana azy” ireny zavatra ireny raha oharina amin’ny harena ara-panahy azo avy amin’i Kristy Jesosy.
Tsara fanahy tamin’ny mpangataka i Jesosy sy ireo apostoly, nefa tsy nampirisihiny ny olona ho lasa mpangataka. Faly izy ireo rehefa nisy nanasa, nefa tsy hoe nangataka ny hampiantranoina akory. Nisy olona nanaraka an’i Jesosy satria te hahazo mofo fotsiny. Nampirisihiny anefa izy ireo tsy Jn 6:26, 27) Hoy i Petera tamin’ny mpangataka iray nalemy tongotra tao an-tempoly: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako kosa no omeko anao.” Dia nositraniny izy io noho ny fahaizana nomen’ny fanahy. (As 3:6) Nisy fotoana noana, tsy nanan-kialofana, ary tsy nanan-kitafy ny apostoly, nefa nisasatra ‘niasa tamin’ny tanany andro aman’alina, mba tsy hampitondra enta-mavesatra ny hafa teo amin’ny lafiny ara-bola.’ (1Ko 4:11, 12; 1Te 2:9) Izao àry ny fitsipika mifehy ny Kristianina: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.”—2Te 3:10-12.
hitady ‘sakafo mety simba, fa sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.’ (