Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanjaka

Mpanjaka

Mpitondra manana fahefana hifehy olona. Mpanjaka fara tampony i Jehovah, ary tsy manam-petra ny heriny sy ny fahefany. Mpanjaka lefitra nisolo tena azy tetỳ an-tany ireo mpanjakan’ny Joda. Mpanjaka lefitra koa i Jesosy Kristy, nefa be lavitra noho ny an’ireo mpanjaka teo an-tany ireo ny fahefany. Notendren’i Jehovah hifehy an’izao rehetra izao mantsy izy. (Fi 2:9-11) Izy àry no “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo.”​—Ap 19:16; jereo FANJAKANA; JESOSY KRISTY.

Mpanjaka taloha. Lehilahy nanana fahefana tampony ny mpanjaka ary nifehy tanàna, foko, firenena, na fanjakana. Nanjaka mandra-pahafatiny izy matetika. I Nimroda, taranak’i Hama, no mpanjaka voalohany resahin’ny Baiboly. Nanjaka tamin’ny tanàna maromaro tany Mezopotamia izy. Nanohitra ny zon’i Jehovah hitondra anefa izy.​—Ge 10:6, 8-10.

Efa nanana mpanjaka ny Kananita sy ireo firenena nanodidina azy tamin’ny andron’i Abrahama, ela be talohan’ny Israelita. (Ge 14:1-9) Efa ela koa no nanana mpanjaka ny Filistinina, Edomita, Moabita, Midianita, Amonita, Syrianina, Hetita, Ejipsianina, Asyrianina, Babylonianina, Persianina, Grika, ary Romanina. Nanjaka tamin’ny tanàna fanjakana ny ankamaroan’izy ireny. Nirehareha, ohatra, i Adoni-bezeka hoe resiny ny 70 tamin’ireny mpanjaka ireny.​—Mpts 1:7.

I Melkizedeka, mpanjakan’i Salema sady mpisorona, no mpanjaka tsara voalohany resahin’ny Baiboly. (Ge 14:18) Izy irery no mpitondra neken’Andriamanitra hitana an’ireo andraikitra roa ireo, ankoatra an’i Jesosy Kristy izay Mpanjaka sady Mpisoronabe. Mifanitsy amin’i Melkizedeka i Kristy, hoy ny apostoly Paoly. (He 7:1-3; 8:1, 6) Tsy nisy nanao ny tenany ho mpanjaka ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, na dia i Noa aza. Tsy nisy tamin’ireny koa notendren’Andriamanitra ho mpanjaka, talohan’ny nanosorana an’i Saoly.

Mpanjaka israelita. Mpanjaka tsy hita maso nifehy ny Israely i Jehovah tany am-boalohany. Nisolo tena azy i Mosesy, ary avy eo ireo mpitsara nanomboka tamin’i Otniela ka hatramin’i Samsona. (Mpts 8:23; 1Sa 12:12) Nangataka mpanjaka ny Israelita tatỳ aoriana, satria te hitovy amin’ireo firenena nanodidina azy. (1Sa 8:5-8, 19) Nasain’i Jehovah nohosoran’i Samoela mpaminany ho mpanjaka àry i Saoly avy tamin’ny fokon’i Benjamina. Voalazan’ny Lalàna mantsy fa izay hofidin’Andriamanitra ihany no azo atao mpanjaka. (De 17:14-20; 1Sa 9:15, 16; 10:21, 24) Tsy nankatò sy niana-kendry anefa i Saoly, ka tsy nankasitrahan’i Jehovah ary tsy lasa mpanjaka ny taranany. (1Sa 13:1-14; 15:22-28) I Davida zanak’i Jese, avy tamin’ny fokon’i Joda, indray no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. (1Sa 16:13; 17:12) Nanompo an’i Jehovah sy nankatò foana ny lalàny izy, ka lasa mpanjaka koa ny taranany. (2Sa 7:15, 16) Tamin’ny andron’i Solomona zanak’i Davida ny Israelita no niadana indrindra.​—1Mp 4:25; 2Ta 1:15.

Nizara roa ilay fanjakana tamin’ny andron’i Rehoboama Mpanjaka, zanak’i Solomona. I Jeroboama zanak’i Nebata avy tamin’ny fokon’i Efraima no mpanjaka voalohany tao amin’ny fanjakan’ny foko folo tany avaratra, na Israely. (1Mp 11:26; 12:20) Nasainy nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena anefa ny vahoakany, ka tsy nankasitrahan’i Jehovah izy. (1Mp 14:10, 16) Miisa 20 ireo mpanjaka tany avaratra, nanomboka tamin’i Jeroboama ka hatramin’i Hosea zanak’i Elaha (997-740 T.K.). Nisy 19 kosa ireo nanjaka tao Joda tany atsimo, nanomboka tamin’i Rehoboama ka hatramin’i Zedekia (997-607 T.K.). (Tsy isaina i Atalia, vehivavy nandrombaka fahefana.)​—Jereo FANDEVENANA, TOERAM-PANDEVENANA; FANISAN-TAONA.

Solontena notendren’Andriamanitra. Notendren’i Jehovah izay hanjaka eo amin’ny vahoakany. Nisolo tena Azy izy ireny satria “ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah” no nipetrahany fa tsy ny an’ny tenany. (1Ta 28:5; 29:23) Tsy toy ny firenena tatsinanana sasany ny Israelita, satria tsy nanao an’ireo mpanjakany ho andriamanitra. Voahosotr’i Jehovah ny mpanjaka rehetra tao Joda, na dia tsy voalaza aza hoe nohosorana menaka ara-bakiteny izy tsirairay rehefa nahazo fahefana. Nohosorana menaka ara-bakiteny kosa ny mpanjaka rehefa izy no niavian’ny tarana-mpanjaka vaovao, rehefa nisy niady seza tamin’ny andron’i Davida (tamin’izy efa antitra) sy Joasy, ary rehefa ny zandriny no natao mpanjaka talohan’ny zokiny toy ny tamin’i Joahaza. (1Sa 10:1; 16:13; 1Mp 1:39; 2Mp 11:12; 23:30, 31, 34, 36) Efa fanao tamin’izany anefa ny nanosotra menaka an’izay ho mpanjaka.

Nitantana ny raharaham-pirenena ny mpanjakan’ny Joda sady niandry an’ilay vahoaka. (Sl 78:70-72) Nitari-tafika izy rehefa nisy ady. (1Sa 8:20; 2Sa 21:17; 1Mp 22:29-33) Mpitsara fara tampony koa izy, raha tsy hoe nila nanontany an’i Jehovah angaha ny mpisoronabe rehefa nisy raharaha lehibe momba an’ilay firenena, na sarotra ny fanapahan-kevitra nila noraisina, na tsy ampy ny porofo naroson’ny vavolombelona.​—1Mp 3:16-28.

Voafetra ny fahefany. Tsy nanampatra fahefana ny mpanjaka rehefa natahotra an’Andriamanitra sy nankatò ny lalàny, sy rehefa nihaino ny fampirisihan’ireo mpaminany sy mpisorona ary nanaraka ny torohevitry ny anti-panahy. Nasaina nadikany tamin’ny boky ny Lalàna mba hovakiny amin’ny andro rehetra iainany. (De 17:18, 19) Mpanompon’i Jehovah niavaka sady solontenany izy, ka tompon’andraikitra teo anatrehany. Indrisy anefa fa tsy nanao an’ireo rehetra voalaza ireo ny mpanjaka maro tao Joda, fa nanampatra fahefana sy nanao ratsy.​—1Sa 22:12, 13, 17-19; 1Mp 12:12-16; 2Ta 33:9.

Andraikiny ara-pivavahana. Tsy nahazo nanao asa fisoronana ny mpanjaka. Izy anefa no voalohany tokony hanohana ny fivavahana tamin’i Jehovah, ankoatra ny mpisorona. Nitso-drano an’ilay firenena tamin’ny anaran’i Jehovah izy indraindray, ary nisolo tena azy ireo tamin’ny vavaka. (2Sa 6:18; 1Mp 8:14, 22, 54, 55) Niaro ny vahoaka tamin’ny fanompoan-tsampy koa izy, ary nanana fahefana hanaisotra an’izay mpisoronabe nivadika. Nesorin’i Solomona Mpanjaka tsy ho mpisoronabe, ohatra, i Abiatara rehefa niandany tamin’i Adonia izay saika hanongam-panjakana.​—1Mp 1:7; 2:27.

Vady sy fananana. Fanaon’ny mpanjakan’ny Joda ny nanana vady sy vadikely maro, na dia voalazan’ny Lalàna aza fa tsy tokony hampitombo ny isan’ny vadiny ny mpanjaka. (De 17:17) Fananan’ny mpanjaka ny vadikeliny ka nolovan’izay nandimby azy, toa an’ireo zo sy zavatra hafa nananany ihany. Toy ny hoe nanambara ny tenany ho mpanjaka izay olona nanambady na naka ny vadikelin’ny mpanjaka iray efa maty. Te haka ny toeran’i Davida Mpanjaka àry i Absaloma matoa nanao firaisana tamin’ireo vadikelin-drainy. Te ho mpanjaka koa i Adonia matoa nasainy nomena ho vadiny i Abisaga, mpikarakara an’i Davida tamin’izy efa antitra. (2Sa 16:21, 22; 1Mp 2:15-17, 22) Mpamadika àry izy ireo.

Nanana fidiram-bola hafa ny fanjakana, ankoatra ny fananan’ny mpanjaka sy ny zavatra azo babo ary ny fanomezana. (1Ta 18:10) Teo, ohatra, ny fakana ny vokatry ny tany mba hamatsiana sakafo ny mpanjaka, ny hetra naloan’ireo fanjakana resy, ny haba nalaina tamin’ny mpivaro-mandeha nandalo tao amin’ilay tany, ary ny fanaovana raharaham-barotra (nampiasa sambo mpitondra entam-barotra, ohatra, i Solomona).​—1Mp 4:7, 27, 28; 9:26-28; 10:14, 15.

Tsy nilamina ny fanjakana tany avaratra. Nifandovana ny fanjakana tany, afa-tsy rehefa nisy namono ny mpanjaka na nisy nikomy. Nanjaka ny fivavahan-diso ka lasa nisy foana ny korontana. Matetika no nisy namono ny mpanjaka, na nisy nanongana. I Omry sy Jeho ihany no nanan-taranaka nanjaka hatramin’ny zafikeliny na zafiafiny. Tsy nisy voahosotr’i Jehovah na nipetraka ‘teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah’ anefa ireo mpanjaka tany avaratra, satria izy ireo tsy tafiditra tao amin’ilay fifanekena natao tamin’i Davida momba ilay fanjakana.​—1Ta 28:5.

Mpanjaka hafa firenena sy mpanjaka lefitra. Nambara tamin’ny fomba ofisialy fa mpanjakan’ny Fanjakana Babylonianina manontolo izay olona nandray ny tanan’i Mardoka, sarivongana volamena. Nandray ny tanan’i Mardoka àry i Kyrosy Lehibe ka lasa nifehy an’ilay fanjakana manontolo, nefa tsy nila niady akory.

Nisy kosa lasa mpanjaka satria notendren’ny mpanjaka ambony kokoa, izay naharesy an’ilay faritra angamba. Matetika no nanendry mpanjaka teratany hifehy an’ilay faritra resy ireo mpanjaka nandresy, ary nampandoa hetra azy io. Notendren’ny mpanjakan’i Roma hifehy an’i Jodia, ohatra, i Heroda Lehibe ary nampandoaviny hetra. (Mt 2:1) I Roma koa no nanendry sy nampandoa hetra an’i Areta mpanjakan’ny Nabateanina.​—2Ko 11:32.

Sarotra nohatonina kokoa ny mpanjaka tsy Israelita, raha oharina amin’ireo mpitondra ny vahoakan’Andriamanitra. Niharoharo matetika tamin’ny olom-peheziny ny mpanjaka israelita, fa ny mpanjaka hafa firenena kosa tsy dia azo nifandraisana loatra. Novonoina ho faty izay sahy niditra tao amin’ny tokotany anatin’ny lapa persianina nefa tsy nahazo alalana, raha tsy hoe neken’ny mpanjaka angaha ny handray azy ka notondroiny tamin’ny tehiny izy, toy ny nataony tamin’i Estera. (Es 4:11, 16) Azon’ny olom-pirenena romanina natao kosa ny nampiakatra raharaha tany amin’ny mpanjakan’i Roma, rehefa avy notsarain’ny mpitsara. Nisy ambaratongam-pahefana maro nolalovana anefa aloha.​—As 25:11, 12.