Mpanjakavavin’ny Lanitra
Anaram-boninahitry ny andriamanibavy nivavahan’ny Israelita nivadi-pinoana tamin’ny andron’i Jeremia.—Je 44:17-19.
Ny vehivavy no tena nivavaka tamin’io “mpanjakavavin’ny lanitra” io. Nandray anjara koa anefa ny mpianakavy rehetra, ka ny vehivavy nanao mofo atao fanatitra, ny zanany naka kitay, ary ny vadiny nandrehitra afo. (Je 7:18) Mpivavaka nafana fo tamin’ilay andriamanibavy ny Jiosy. Nilaza mantsy ireo nandositra tany Ejipta rehefa nisy namono i Gedalia Governora, fa nahita loza izy ireo satria tsy nanolotra setroka ho sorona sy fanatitra zava-pisotro ho an’ilay “mpanjakavavin’ny lanitra.” Nohazavain’i Jeremia mpaminany anefa fa diso hevitra izy ireo.—Je 44:15-30.
Tsy resahin’ny Baiboly hoe iza ilay “mpanjakavavin’ny lanitra.” Misy mihevitra hoe i Inanna andriamanibavin’ny fahavokarana nivavahan’ny Somerianina izy io, na i Ishtar nivavahan’ny Babylonianina. Midika ara-bakiteny hoe “Mpanjakavavin’ny Lanitra” ny hoe Inanna. Antsoina koa hoe “mpanjakavavin’ny lanitra” sy “mpanjakavavin’ny lanitra sy ny kintana” i Ishtar andriamanibavin’ny Babylonianina, ao amin’ny soratra akadianina.
Toa nanjary nivavaka tamin’i Ishtar koa ny firenen-kafa. Misy hoe “Ishtar, tompovavin’ny lanitra”, ohatra, ao amin’ny teny nosoratan’i Toshrata ho an’i Amenofisy III, ao amin’ny Takelaka Hita tao Amarna. Ahitana hoe “Astarta [Ishtar] andriambavin’ny lanitra” koa ny soratra nataon’i Horemheb, mpanjakan’i Ejipta, izay toa nitondra tamin’ny taonjato faha-14 T.K. Misy sarin’i Astarta sy soratra hoe “Astarta, andriambavin’ny lanitra” ny silaka tsangambato hita tany Memfisa. Tamin’ny andron’i Merneptah, mpanjaka toa nitondra tany Ejipta tamin’ny taonjato faha-13 T.K., io tsangambato io. Nantsoina hoe “mpanjakavavin’ny lanitra” koa i Astarta tany Syena (Assouan ankehitriny), tamin’ny andron’ny Persianina.
Mbola nisy nivavaka tamin’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” tamin’ny taonjato fahefatra A.K. Hoy i Épiphane (t. 375): “Ravahan’ny vehivavy sasany ny kalesy na dabilio misy zorony efatra. Amelarany lamba rongony eo amboniny, ary asiany mofo eo anoloany amin’ny andro fety iray ao anatin’ny taona. Avelany andro maromaro eo ilay mofo ary ataony fanatitra amin’ny anaran’i Maria. Hohanin’ny vehivavy rehetra ilay izy avy eo.” (Panarion, 79, 1, 7) Nilaza i Épiphane (79, 8, 1, 2) fa ilay fivavahana amin’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” noresahin’i Jeremia izany, sady namerina ny voalazan’ny Jeremia 7:18 sy 44:25 izy.—Épiphane, nataon’i Karl Holl, Leipzig, 1933, Boky Faha-3, p. 476, 482, 483.