Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanompo, Andevo

Mpanompo, Andevo

Olona miasa ho an’olon-kafa. Manana heviny hafa koa anefa ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “mpanompo” na “andevo.” Ireto avy no mety ho dikan’ilay teny hebreo hoe ʽeved: Olona lasa fananan’olon-kafa (Ge 12:16; Ek 20:17), olom-pehezin’ny mpanjaka (2Sa 11:21; 2Ta 10:7), firenena resy mandoa hetra (2Sa 8:2, 6), ireo miasa ho an’ny mpanjaka, toy ny mpandroso zava-pisotro, mpanao mofo, tantsambo, miaramila, mpanolo-tsaina, ary ny toy izany na fananan’olona izy na tsia (Ge 40:20; 1Sa 29:3; 1Mp 9:27; 2Ta 8:18; 9:10; 32:9). Tsy nilaza ny tenany hoe “izaho” na “aho” ny Hebreo indraindray, fa nanao hoe mpanompon’ilay (ʽeved) olona niresahany, ho mari-panajana. (Ge 33:5, 14; 42:10, 11, 13; 1Sa 20:7, 8) ʽEved no nilazana ny mpanompon’i Jehovah na mpivavaka taminy (1Mp 8:36; 2Mp 10:23), indrindra fa ireo solontenany niavaka toa an’i Mosesy (Js 1:1, 2; 24:29; 2Mp 21:10). Azo nantsoina hoe mpanompon’Andriamanitra koa ny olona nanao zavatra nifanaraka tamin’ny sitrapon’i Jehovah, toa an’i Nebokadnezara Mpanjaka, na dia tsy mpivavaka taminy aza.​—Je 27:6.

Mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe ʽeved ny teny grika hoe dolôs, ary ilazana an’ireo olona fananan’olon-kafa (Mt 8:9; 10:24, 25; 13:27); ireo tena mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany, na olona izany (As 2:18; 4:29; Ro 1:1; Ga 1:10) na anjely (Ap 19:10, ahitana ny teny hoe syndolôs [mpanompo]); ary ilazana an’ohatra an’ireo andevozin’ny ota (Jn 8:34; Ro 6:16-20) na fahalotoana (2Pe 2:19).

Midika hoe zazalahy, tanora, na mpanompo ny teny hebreo hoe naʽar sy ny teny grika hoe pais. (1Sa 1:24; 4:21; 30:17; 2Mp 5:20; Mt 2:16; 8:6; 17:18; 21:15; As 20:12) Ny teny grika hoe ôiketes kosa no ilazana ny mpiasa an-trano na mpanompo (Lk 16:13), ary hoe paidiske ny mpanompovavy. (Lk 12:45) Azo adika hoe ‘mpanompo’ (Ek 33:11) na “mpandroso sakafo” (1Mp 10:5) ny endriny hafa amin’ny fototeny hebreo hoe sharat. Ny teny grika hoe hyperetes kosa azo adika hoe “mpikarakara”, “mpampihatra didim-pitsarana”, na “mpiasa an-trano.” (Mt 26:58; Mr 14:54, 65; Lk 4:20) Ao amin’ny Hebreo 3:5 ihany no misy an’ilay teny grika hoe terapôn midika hoe lefitra na mpanompo.

Talohan’i Kristy. Ny ady sy fahantrana ary heloka bevava no tena nahatonga ny olona ho lasa mpanompo na andevo. Natao mpanompo na namidy ho andevo matetika ny olona azo babo. (Ampit. 2Mp 5:2; Jl 3:6.) Nahazo nivarotra ny tenany na ny zanany ho mpanompo ny Israelita nahantra, mba handoavana ny trosany. (Ek 21:7; Le 25:39, 47; 2Mp 4:1) Namidy izay mpangalatra tsy afaka nanonitra an’izay nangalariny. Nafahana anefa izy rehefa voaloany daholo izay notakina taminy.​—Ek 22:3.

Natokisana be sy nohajaina ny mpanompo indraindray. Niandraikitra ny fananan’i Abrahama rehetra, ohatra, ny mpanompony iray be taona (i Eliezera angamba). (Ge 24:2; 15:2, 3) Niandraikitra an’izay rehetra nananan’i Potifara tandapan’i Farao koa i Josefa taranak’i Abrahama, rehefa andevo tany Ejipta. (Ge 39:1, 5, 6) Afaka nanavotra ny tenany ny mpanompo tany Israely, raha lasa nanan-karena.​—Le 25:49.

Manazava momba an’ireo noterena hiasa ny hoe ASA AN-TERIVOZONA; FANOMPOANA TSY MAINTSY ATAO.

Fifandraisan’ny tompo sy mpanompo. Samy hafa ny nitondran’ny Israelita ny mpanompo hebreo sy ny mpanompo hafa firenena, mpivahiny, na mpiavy. Fananan’ny Israelita foana ny mpanompo tsy hebreo ary azony nomena ho lovan-janany. (Le 25:44-46) Ny mpanompo hebreo kosa nafahana tamin’ny taona fahafito nanompoany na tamin’ny taon-jobily (izay iray tonga aloha). Natao toy ny mpikarama ny mpanompo hebreo. (Ek 21:2; Le 25:10; De 15:12) Afaka nanavotra ny tenany foana izay Hebreo nivarotra ny tenany ho mpanompo tamin’ny mpivahiny na mpianakavin’ilay mpivahiny na tamin’ny mpiavy. Afaka nanafaka azy koa ireo nanan-jo hanavotra azy. Arakaraka ny isan’ny taona tavela mandra-pahatongan’ny taon-jobily na taona fahafito nanompoany ny vola naloa ho vidin’ny fanavotana azy. (Le 25:47-52; De 15:12) Tokony homen’ny tompony fanomezana ilay mpanompo hebreo rehefa nafahany, mba hanombohany fiainam-baovao. (De 15:13-15) Hiala miaraka amin’ilay mpanompo ny vadiny, raha efa nanambady izy no niditra. Raha nomen’ny tompony vady (mety ho vehivavy hafa firenena izay tsy afahana amin’ny taona fahafito) kosa izy, dia hijanona ho fananan’ilay tompony ravehivavy sy ny zanany. Afaka nifidy ny hijanona koa anefa ilay mpanompo, ka hotevehina amin’ny haolo ny sofiny ary ho mpanompo mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.​—Ek 21:2-6; De 15:16, 17.

Mpanompovavy hebreo. Nisy lalàna manokana nampiharina taminy. Azon’ny tompony nalaina ho vadikely izy, na nalaina ho vadin’ny zanany lahy ka tsy maintsy nomena zo toy ny an’ny zanakavavy. Tsy tokony hahena anefa ny sakafony sy ny fitafiany ary ny adidy amim-bady tokony hatao aminy, raha maka vady hafa razazalahy. Hafahana amin’izao fotsiny ilay mpanompovavy fa tsy handoa vola ho vidin’ny fanavotana azy, raha tsy omena an’ireo. Tsy azon’ny tompony namidy tamin’ny hafa firenena kosa izy, raha nitadiavany olona hanavotra azy.​—Ek 21:7-11.

Fiarovana sy tombontsoa. Tsy navelan’ny Lalàna hampiharana habibiana ny mpanompo. Tsy maintsy nafahana, ohatra, izay mpanompo nokapohin’ny tompony, raha niala ny nifiny na simba ny masony. Ho fatiantoka be anefa izany satria sekely 30 ny vidina mpanompo (ampit. Ek 21:32), ka tsy ho sahy hamely mafy loatra ilay tompo. Azony natao ny nikapoka ny mpanompony, nefa azon’ny mpitsara nomelohina ho faty koa izy raha maty ilay mpanompo. Tsy hovonoina kosa izy raha mbola velona iray na roa andro ilay mpanompo, satria hita hoe tsy tiany hovonoina izy io fa hosazina fotsiny. (Ek 21:20, 21, 26, 27; Le 24:17) Mety tsy ho meloka koa izy raha zavatra tsy hahafaty an’ilay mpanompo no namelezany azy, satria tsy nikasa ny hamono azy izy. (Ampit. No 35:16-18.) Mety ho tsy ireo kapoka àry no nahafaty an’ilay mpanompo, raha mbola velona iray na roa andro izy. Tsy mahafaty, ohatra, ny kapohina amin’ny tsorakazo satria hoy ny Ohabolana 23:13: “Aza misalasala manafay zanaka, fa tsy ho faty izy raha kapohinao amin’ny tsorakazo.”

Voalazan’ny Lalàna fa azo nomena tombontsoa sasany ny mpanompo. Nahazo nihinana tamin’ny Paska ny mpanompolahy rehetra satria noforana (Ek 12:44; ampit. Ge 17:12), ary nahazo nihinana zava-masina ny mpanompon’ny mpisorona. (Ek 12:43, 44; Le 22:10, 11) Tsy niasa koa ny mpanompo rehefa Sabata. (Ek 20:10; De 5:14) Nahazo nihinana tamin’ny voa latsaka tamin’ny fijinjana farany sy ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana izy ireo, rehefa taona sabata. (Le 25:5, 6) Anisan’ny nifaly koa izy ireo rehefa nisy sorona natao tao amin’ny toerana masina sy rehefa fety.​—De 12:12; 16:11, 14.

Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Maro be ny mpanompo tao amin’ny Fanjakana Romanina. Nisy olona nanana an-jatony na an’arivony mihitsy aza. Neken’ny lalàna rahateo ny fananana azy ireny. Tsy nanohitra ny fitondrana sady tsy nampirisika an’ireo mpanompo hikomy ny Kristianina voalohany. Nohajain’izy ireo ny zon’ny hafa sy ny an’ny Kristianina namany hanana mpanompo. Nasain’ny apostoly Paoly nody tany amin’ny tompony àry i Onesimosy. Nandositra izy, nefa lasa Kristianina ka nanaiky hiverina tany amin’ilay Kristianina tompony sady nankatò azy. (Flm 10-17) Nampirisika ny mpanompo kristianina koa i Paoly mba tsy hanararaotra ny tompony izay mpiray finoana aminy. Hoy izy: “Raha mpino ny tompon’izy ireo, dia aoka tsy hohamavoiny, satria rahalahiny ihany izy. Vao mainka kosa aza izy ireo tokony ho vonon-kanompo kokoa, satria mpiray finoana aminy sady rahalahy malalany ihany no mandray soa amin’ny fanompoana tsara ataony.” (1Ti 6:2) Tombony ho an’ny mpanompo ny nanana tompo kristianina, satria adidin’izy io ny nitondra azy araka ny fahamarinana sy ny rariny.​—Ef 6:9; Kl 4:1.

Tokony ho mpanompo tsara kokoa ireo niova ho Kristianina, ka “tsy hamalivaly, tsy hangalatra, fa ho mendri-pitokisana tanteraka kosa.” (Tit 2:9, 10) Tokony hiasa tsara foana izy ireo, na dia nanao ny tsy rariny taminy aza ny tompony. Nanahaka an’i Jesosy Kristy izy ireo satria nijaly noho ny fahamarinana. (1Pe 2:18-25) Hoy i Paoly: “Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny tomponareo ara-nofo. Aza manao fanompoana eo imaso fotsiny, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa ataovy amim-pahatsoram-po sy amin-tahotra an’i Jehovah kosa izany. Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny ho an’i Jehovah, fa tsy ho an’olona.” (Kl 3:22, 23; Ef 6:5-8) Raha nampihatra izany izy ireo, dia tsy hisy hiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra ary tsy hisy sahy hilaza hoe kamo sy tsy misy ilana azy ny mpanompo kristianina.​—1Ti 6:1.

‘Nankatò tamin’ny zava-drehetra’ ny mpanompo nefa tsy tokony handika ny lalàn’Andriamanitra, satria tsy olona no natahorany fa Andriamanitra. Tsy ho ‘nandravaka ny fampianaran’Andriamanitra Mpamonjy’ azy izy, fa ho nanaratsy sy nanala baraka an’izany, raha nanao ratsy noho ny baikon’ny tompony. (Tit 2:10) Nila nampiasa ny feon’ny fieritreretany àry ilay mpanompo kristianina.

Voahosotry ny fanahy ny Kristianina rehetra teo anivon’ny fiangonana, na mpanompo izy na tsia. Vatana iray izy ireo ary iray ihany ny fanantenany. (1Ko 12:12, 13; Ga 3:28; Kl 3:11) Tsy tokony hanahy be anefa ny mpanompo na dia voafetra ihany aza no vitany teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Afaka nanararaotra nanitatra ny fanompoany kosa izy, raha nafahana.​—1Ko 7:21-23.

Andevon’ny ota. Tsy nahafehy tena intsony i Adama, lehilahy voalohany, rehefa tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra. Naleony nanao izay tiany, ka niandany tamin’ilay vadiny mpanota sy nampifaly azy. Nanaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsiny izy, ka lasa toy ny tompony ny ota. (Ampit. Ro 6:16; Jk 1:14, 15; jereo OTA.) Nivarotra ny tenany ho andevon’ny ota àry izy. Nivarotra ny taranany rehetra koa izy, satria toy ny hoe mbola tao an-kibony avokoa izy ireo. Izany no antony nilazan’i Paoly fa “nofo [ny tenany], namidy ho andevon’ny ota.” (Ro 7:14) Tsy ho lasa olo-marina mihitsy àry ny taranak’i Adama na dia miezaka hoatran’inona aza, eny fa na dia mitandrina ny Lalàn’i Mosesy aza. Hoy mantsy i Paoly: “Ny didy izay natao hitondra fiainana, dia hitako fa, hay, natao hitondra fahafatesana.” (Ro 7:10) Tsy vitan’ny olona ny nankatò tanteraka ny Lalàna, ka hita fa andevon’ny ota sy mendrika ny ho faty izy fa tsy ho velona.​—Jereo FAHAFATESANA.

Izay manaiky ny fanavotan’i Jesosy Kristy ihany no hafahana amin’io fanandevozana io. (Ampit. Jn 8:31-34; Ro 7:21-25; Ga 4:1-7; He 2:14-16; jereo VIDIM-PANAVOTANA.) Novidina tamin’ny ra sarobidin’i Jesosy ny Kristianina, ka lasa mpanompon’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ary tokony hitandrina ny didiny.​—1Ko 7:22, 23; 1Pe 1:18, 19; Ap 19:1, 2, 5; jereo FAHAFAHANA; OLONA AFAKA, OLONA NOMENA FAHAFAHANA.

Jereo MPANOMPO MENDRI-PITOKISANA SY MALINA.