Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina

Mpanompo Mendri-pitokisana sy Malina

Namaly ny fanontanian’ny apostoly momba ny fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity i Jesosy Kristy. Nilaza fanoharana momba ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy tamin’izay. Notendren’ny tompony hikarakara sy hanome sakafo an’ireo mpanompo ao an-tranony ilay mpanompo mendri-pitokisana. Raha afa-po amin’izay nataony ny tompony rehefa miverina avy nanao dia lavitra, dia hamaly soa azy ka hanendry azy hiandraikitra ny fananany rehetra.​—Mt 24:3, 45-51.

Miresaka momba io fanoharana io koa ny Lioka 12:42-48, ary voalaza ao fa mpiandraikitra ny ao an-trano (12:42, f.a.p.) mikarakara ny mpanompo hafa ilay mpanompo. Mpanompo mendri-pitokisana no nomena andraikitra toy izany fahiny. (Ampit. Ge 24:2; jereo koa Ge 39:1-6, izay miresaka momba an’i Josefa.) Asaina mikarakara sy mizara amin’ny fotoana mety ny sakafo ho an’ireo mpanompon’ilay tompo, ilay mpiandraikitra ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. Asain’ny tompony hiandraikitra ny fananany rehetra anefa izy atỳ aoriana, satria mendri-pitokisana sy malina. I Jesosy ilay ‘tompo’ (gr.: kyriôs), satria efa nilaza izy fa izy no tompon’ireo mpianany, ary efa niantso azy toy izany koa izy ireo. (Mt 10:24, 25; 18:21; 24:42; Jn 13:6, 13) Iza àry ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina, ary ahoana no fomba anomezany sakafo ny mpanompo hafa?

Amin’ny endriny milaza tokana ilay hoe “mpanompo.” Tsy midika anefa izany hoe olona iray monja ilay “mpanompo.” Miresaka olona maromaro ho toy ny olona iray ihany mantsy ny Baiboly indraindray. Nantsoin’i Jehovah hoe mpanompony, ohatra, ny firenen’Israely manontolo. Hoy izy: “Ianareo no vavolombeloko [milaza maro] ... eny, mpanompoko [milaza tokana] izay nofidiko.” (Is 43:10) Olona maromaro koa ‘ilay antikristy.’ (1Jn 2:18; 2Jn 7) Toy izany koa fa olona maromaro ilay “mpanompo.” Notendrena hanome ‘sakafo amin’ny fotoana mety’ izy io, amin’ny andro farany. (Mt 24:3, 45; Lk 12:42) Fanaon’i Jesosy ny nampiasa mpianatra vitsivitsy mba hizara sakafo ho an’ny vahoaka, tamin’ny taonjato voalohany. Toy izany koa no tiany hataon’ireo mizara sakafo ara-panahy. Olona vitsy àry no manome sakafo ara-panahy ho an’ny fiangonana kristianina. (Mt 14:19; Mr 6:41; Lk 9:16) Efa nampiofanin’i Jesosy ny apostoly, mba ho afaka hanome sakafo ara-panahy aorian’ny Pentekosta taona 33. Izy ireo sy ny anti-panahy hafa no lasa filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Io filan-kevi-pitantanana io no nandamina olana sy nitarika ny asa fitoriana sy fampianarana. (As 2:42; 8:14; 15:1, 2, 6-29) Nisy fivadiham-pinoana lehibe, rehefa maty ireo apostoly. Nifidy lehilahy voahosotra vitsivitsy ho “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” anefa i Jesosy, mba hikarakara sy hizara sakafo ara-panahy mandritra ny fanatrehany amin’ny andro farany. Efa fanaony tamin’ny taonjato voalohany mantsy ny hoe olona vitsy no nampiasainy hizara sakafo ho an’ny olona maro.

Mpanompo ao an-trano izay rehetra omena sakafo ara-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina, na voahosotra izy na “ondry hafa.” (Jn 10:16) Anisan’izany ny Kristianina voahosotra tsirairay anisan’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”, satria mahazo amin’ilay sakafo koa izy ireo. Homena andraikitra fanampiny ireo anisan’ilay mpanompo mendri-pitokisana, raha hitan’ny tompony manao tsara ny andraikiny rehefa tonga izy io. Hotendreny hiandraikitra ny “fananany rehetra” izy ireo, rehefa mahazo ny valisoany any an-danitra ka lasa mpiara-manjaka amin’i Kristy. Hozarain’i Kristy amin’izy ireo sy amin’ireo voahosotra hafa anisan’ny 144 000 ny fahefana lehibe ananany any an-danitra.​—Mt 24:46, 47; Lk 12:43, 44.