Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanora-dalàna

Mpanora-dalàna

Mpitan-tsoratra na mpanao dika soratra ny Soratra Masina; ary mpahay Lalàna, tatỳ aoriana. Nadika hoe “mpitan-tsoratra” sy “mpanao dika soratra” ny teny hebreo hoe sôfer, izay avy amin’ny fototeny midika hoe “manisa.” Nadika hoe “mpanora-dalàna” sy “mpampianatra ampahibemaso” kosa ny teny grika hoe grammateos. Olona nahita fianarana no tonga ao an-tsaina amin’io teny io. Anisan’ny fokon’i Zebolona ireo nanana “ny fitaovan’ny mpitan-tsoratra”, izay fitaovana nanisana sy nanoratana anarana an’ireo miaramila. (Mpts 5:14; ampit. 2Mp 25:19; 2Ta 26:11.) Nisy mpanora-dalàna na mpitan-tsoratra niasa tao amin’ny tempoly. (2Ta 34:9, 13) Niara-nanisa ny vola fanomezana ny mpisoronabe sy ny mpitan-tsoratr’i Joasy Mpanjaka, ary nanolotra izany an’ireo mpandoa ny karaman’ireo mpanamboatra ny simba tamin’ny tempoly. (2Mp 12:10-12) Izay notononin’i Jeremia mpaminany no nosoratan’i Baroka mpitan-tsoratra. (Je 36:32) I Hamana no nandidy an’ireo mpitan-tsoratr’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa mba hanoratra an’ilay didy handringanana ny Jiosy. I Mordekay kosa no nandidy azy ireo hanoratra lalàna nitsipaka an’io didy io.​—Es 3:12; 8:9.

Matetika ny mpanora-dalàna tany Ejipta no lehilahy ambany saranga nefa nahira-tsaina, ary olona nahita fianarana. Ireto no fitaovana fitondrany: Hazo fisaka nisy lavadavaka fasiana ranomainty samihafa loko, siny fasiana rano, ary boaty kely fampirimana zozoro fanoratana. Nahay ny fomba famenoana taratasim-panjakana sy taratasim-barotra izy, ary nomena karama rehefa nanao izany na rehefa nanoratra an’izay teny notononina taminy, sy ny toy izany.

Asa fivelomana ny asan’ny mpanora-dalàna, tany Babylona. Tena nilaina izy ireny, satria nilaza ny lalàna fa tokony hatao an-tsoratra ny taratasy fifanarahana, ary nosoniavin’ny mpividy sy ny mpivarotra sady nasiana vavolombelona. Nipetrapetraka teny am-bavahadin’ny tanàna ny mpitan-tsoratra, satria teny ny ankamaroan’ny fifampivarotana no natao. Nanana penina sy vongan-tanimanga izy, ary vonona hiasa ho an’izay nila azy. Nanoratra taratasy sy fifanarahana ara-barotra izy, nikarakara taratasy, ary niandraikitra ny antontan-taratasin’ny tempoly, sy ny toy izany.

Nanao ny asan’ny naotera ny mpanora-dalàna hebreo, ary nikarakara taratasy fisaraham-panambadiana, sy nanao an-tsoratra taratasy fifanarahana. Tsy nandray karama raikitra izy ireny tatỳ aoriana, ka afaka niady varotra mialoha izay olona nampiasa azy. Ny iray tamin’ireo nanao fifanarahana no nandoa ny volan’izy ireny mazàna, nefa nifampizarany koa ilay izy indraindray. Nitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra ilay lehilahy tao amin’ny fahitan’i Ezekiela, ary nanisy marika teo amin’ny handrin’ny olona.​—Ezk 9:3, 4.

Mpanao dika soratra. Tamin’ny andron’i Ezra mpisorona no nanomboka nisongadina ireo mpanora-dalàna (sôhferim: “Soferima”). Mpanao dika soratra ny Soratra Hebreo izy ireo, ary nikaly asa ka tsy tantiny ny nanao fahadisoana. Nitandrina be izy ireo tatỳ aoriana, hany ka nisainy hatramin’ny litera tsirairay nosoratany, fa tsy ny teny fotsiny. Tsy nisy afa-tsy renisoratra ny teny hebreo, na dia taonjato maro taorian’i Kristy aza. Matetika àry no lasa teny hafa ny teny iray, raha litera iray monja no hadino na niampy. Raha nahita diso kely fotsiny izy ireo, angamba litera iray diso fanoratra, dia tsy nekena hampiasaina tany amin’ny synagoga ny fizarana manontolo nisy azy io tao amin’ilay horonam-boky. Nosoloana fizarana iray vaovao tsy nisy diso ilay izy. Novakiny mafy ny teny tsirairay talohan’ny nanoratany azy. Efa fahotana lehibe na dia ny nanoratra tamim-pahazarana fotsiny ny teny iray aza. Tafahoatra anefa ny nataon’izy ireo, tatỳ aoriana. Voalaza, ohatra, fa niseho ho masina be izy ireo isaky ny hanoratra ny hoe ʼElôhim (Andriamanitra) na ʼAdônai (Tompo Fara Tampony), ka nodioviny foana aloha ny penina hanoratany.

Sahy nanova teny anefa ny Soferima rehefa nandeha ny fotoana, na dia nitandrina be tsy hanao fahadisoana aza taloha. YHWH, ohatra, no tao amin’ny soratra hebreo tany am-boalohany, nefa novany hoe ʼAdônai tao amin’ny andalan-teny 134, ary ʼElôhim tao amin’ny andalan-teny hafa. Nanana finoanoam-poana momba ny anaran’Andriamanitra izy ireo, ary tsy tiany hisy hieritreritra hoe manana toetran’olombelona Andriamanitra, ka izany no nahatonga azy hanova teny maro. (Jereo JEHOVAH [Nanjary tsy fantatra ilay anarana, noho ny finoanoam-poana].) Nantsoina hoe Masoreta ny mpanao dika soratra, taonjato maro taorian’i Jesosy. Nomarihin’izy ireo ny zavatra novan’ny Soferima, ka nosoratany teny an-tsisim-pejy na tany amin’ny farany. Nantsoina hoe Masoraha ireny fanamarihana ireny. Nasian’ny Soferima teboka manokana koa ny litera na ny teny sasany, tao amin’ny andalan-teny 15 tamin’ny soratra hebreo. Mbola iadian-kevitra ny dikan’ireny teboka ireny.

Ao amin’ny sora-tanana hebreo mahazatra, dia misy an’izao teny kely izao ao amin’ny Masoraha (fanamarihana teny an-tsisim-pejy na tany amin’ny farany), eo anilan’ny andalan-teny: “Anisan’ireo Fanitsiana valo ambin’ny folo nataon’ny Soferima ity”, na teny mitovy amin’izany. Azo inoana fa nanao an’ireny fanitsiana ireny ny Soferima satria hitany hoe toa tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra na tsy manaja ny solontenany teto an-tany ny andalan-teny hebreo tany am-boalohany. Marina fa tsara fikasa izy ireo nefa tsy fialan-tsiny hanovana ny Tenin’Andriamanitra izany. Misy lisitry ny fanitsiana nataon’ny Soferima ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Fanazavana Fanampiny 1B, pejy 1853.

Mpampianatra Lalàna ny mpanora-dalàna. Ny mpisorona no mpanao dika soratra na mpanora-dalàna, tamin’ny voalohany. (Ezr 7:1-6) Noresahina foana anefa hoe tokony hahay Lalàna ny Jiosy rehetra, ka nohindrahindraina izay nahita fianarana sy nanam-pahaizana. Lasa vondron’olona nanana ny naha izy azy izy ireny tatỳ aoriana, ary maro taminy no tsy mpisorona. Lehilahy nahay Lalàna no natao hoe mpanora-dalàna, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Tena nandalina sy nahay nanazava tsara ny Lalàna izy ireo. Anisan’ireo mpampiana-dalàna izy ireo ary tena nahay Lalàna. (Lk 5:17; 11:45) Nihevitra ny maro fa iray tarika tamin’ny Fariseo izy ireo, satria neken’ny Fariseo ny fanazavana na ny ‘lovantsofin’ny’ mpanora-dalàna, izay lasa lalàna maro sy be tsipiriany rehefa nandeha ny fotoana. Hita matetika ao amin’ny Soratra Masina ny hoe “mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo.” (Mr 2:16; Lk 5:30; As 23:9) Mety hidika izany fa Sadoseo ny mpanora-dalàna sasany, ka tsy nino afa-tsy ny Lalàna voasoratra. Ny mpanora-dalàna anisan’ny Fariseo kosa nifikitra mafy tamin’ny Lalàna, sady nanaraka an’ireo lovantsofina niforona tatỳ aoriana. Lasa to teny mihoatra noho ny mpisorona izy ireo. Tany Jerosalema no tena nisy ny mpanora-dalàna, nefa nisy azy ireo koa eran’i Palestina sy tany an-tany hafa nonenan’ny Jiosy.​—Mt 15:1; Mr 3:22; ampit. Lk 5:17.

Nohindrahindraina ny mpanora-dalàna, ary nantsoina hoe “Raby” (gr.: rhabbei, “Ilay be voninahitro; Ilay tena mendri-kajako”; avy amin’ny teny heb.: rav, midika hoe “maro”, “be voninahitra”; teny fanajana niantsoana ny mpampianatra). Ampiasain’ny Soratra Masina imbetsaka amin’i Kristy io teny io. Milaza ny Jaona 1:38 fa midika hoe “Mpampianatra” izy io. Mpampianatra tokoa i Jesosy, nefa norarany ny mpianany tsy haniry an’io anaram-boninahitra io na hifampiantso amin’izy io, toa an’ireo mpanora-dalàna. (Mt 23:2, 6-8) Nanampy ny Lalàna ireo Jiosy mpanora-dalàna sy Fariseo, ka nanome hirika tsy hankatoavana ny Lalàna. Nanameloka mafy azy ireo i Jesosy noho izany. Hoy izy: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.” Nanome ohatra iray ny amin’izany i Jesosy ka nilaza fa nomen’izy ireo alalana ny Jiosy tsy hanampy ny rainy na ny reniny, raha natokany ho fanomezana ho an’Andriamanitra ny fananany.​—Mt 15:1-9; Mr 7:10-13; jereo KORBANA.

Nilaza i Jesosy fa nampian’ny mpanora-dalàna zavatra maro ny Lalàna (toy ny nataon’ny Fariseo), ka lasa enta-mavesatra ho an’ny olona. Tsy tena tia olona ny ankamaroan’izy ireo ary tsy vonon-kanampy, ka tsy te hanetsika ny rantsantanany iray mba hanamaivanana ny enta-mavesatry ny olona. Te hoderaina izy ireo, ary tia anaram-boninahitra. Be fombafomba sy fisehosehoana fotsiny ny fivavahany, ary mpihatsaravelatsihy izy ireo. Nahariharin’i Jesosy fa ho sarotra amin’izy ireo ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra noho ny toe-tsainy sy ny fanaony. Hoy izy: “Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny Gehena?” (Mt 23:1-33) Tompon’andraikitra feno ny mpanora-dalàna satria nahay ny Lalàna izy ireo, nefa nisakana ny hafa tsy hahazo fahalalana. Tsy nanaiky an’i Jesosy izy ireo, na dia efa niresaka an’i Jesosy aza ny kopian’ny Soratra Masina nampiasain’izy ireo. Vao mainka meloka izy ireo, satria nosakanany tsy hanaiky na hihaino an’i Jesosy ny olona.​—Lk 11:52; Mt 23:13; Jn 5:39; 1Te 2:14-16.

Ny mpanora-dalàna, izany hoe ny “raby”, no niandraikitra ny fanatevenana sy ny fampianarana ny Lalàna. Nanana fahefana hitsara sy hamoaka didim-pitsarana koa izy ireo. Nisy mpanora-dalàna mantsy anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. (Mt 26:57; Mr 15:1) Tsy tokony hokaramaina izy ireo rehefa nitsara, satria voararan’ny Lalàna ny kolikoly. Nety ho nandova be ny raby sasany, ary saika izy rehetra no nanana asa nireharehany, izay nahafahany nivelona sady nanao ny asan’ny raby. Tsy nikarama izy ireny rehefa nitsara, nefa mety ho nanantena na nahazo karama mihitsy rehefa nampianatra Lalàna. Mety ho izany no tian’i Jesosy holazaina, tamin’izy niresaka momba ny mpanora-dalàna tia vola sy ilay mpikarama tsy niraharaha ny ondry. (Mr 12:37-40; Jn 10:12, 13) Nampitandrina an’ireo mpiandry kristianina koa i Petera mba tsy hanararaotra ny maha mpiandry azy mba hahazoan-tombony.​—1Pe 5:2, 3.

Olona nanao dika soratra ny Soratra Grika Kristianina. Nanoratra ho an’ny Kolosianina i Paoly ary nasainy novakina tamin’ny fiangonan’ny Laodikianina ilay taratasy, ary novakin’ny Kolosianina kosa ilay taratasy ho an’ny Laodikianina. (Kl 4:16) Azo inoana fa faly ny fiangonana rehetra namaky ny taratasy nalefan’ireo apostoly sy ireo anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Natao dika soratra àry izy ireny mba ho azo jerena indray any aoriana, sy mba ho maro kokoa no hanana azy. Mbola misy maro ny kopian’ireo taratasy nosoratan’i Paoly, ka ireny no porofo fa be dia be ny dika soratra natao ary maro no nanana azy ireny.

Nanoratra ny Filazantsarany tamin’ny teny hebreo i Matio, hoy i Jérôme (mpandika Baiboly tamin’ny taonjato fahefatra) sy Origène (niaina tamin’ny taonjato fahatelo). Ho an’ny Jiosy no tena nanoratan’i Matio azy io, saingy betsaka ny Jiosy tany am-pielezana no niteny grika ka angamba nadikan’i Matio tamin’ny teny grika izy io tatỳ aoriana. Ho an’ny hafa firenena kosa no tena nanoratan’i Marka ny Filazantsarany. Nasiany fanazavana mantsy ireo fanao sy fampianaran’ny Jiosy, nadikany ny teny sasany mety tsy ho azon’ny Romanina, ary nasiany fanazavana hafa koa. Natao haely ny Filazantsaran’i Matio sy Marka, ka natao dika mitovy sy nozarazaraina, araka izay nilaina.

Matetika no tsy matihanina ireo Kristianina mpanao dika soratra, nefa nitandrina be izy ireo satria sarobidy taminy ny Soratra Masina. Ahitana tsara ny asan’ireny mpanao dika soratra tany am-boalohany ireny ny Papyrus Rylands No. 457, izay sombiny tranainy indrindra misy ankehitriny amin’ny Soratra Grika Kristianina. Misy soratra ambadika sy ambadika izy io, ary litera grika 100 eo ho eo monja no misoratra eo. Tombanana ho tamin’ny taona t. 125 izy io. (SARY, Boky 1, p. 323) Asa voakaly izy io, na dia tsotsotra sy tsy tena niangaliana fatratra aza. Azo inoana fa avy tamin’ny kôdeksa iray nisy ny Filazantsaran’i Jaona manontolo izy io. Nisy takelaka 66 teo ho eo io kôdeksa io, izany hoe 132 pejy.

Porofo fanampiny koa ny Papyrus Ara-baiboly Chester Beatty, izay tatỳ aoriana kokoa. Ampahana kôdeksa 11 amin’ny teny grika izy ireo, ary natao teo anelanelan’ny taonjato faharoa sy fahefatra. Ampahany tamin’ny boky 9 tao amin’ny Soratra Hebreo sy boky 15 tao amin’ny Soratra Kristianina izy ireo, ary ahitana taratry ny fomba fanoratr’ireo mpanora-dalàna tamin’izany. Voalaza fa “asan’ny mpanora-dalàna tena matihanina” ny kôdeksa iray, ny iray kosa “marina tsara sady asa soratry ny mpanora-dalàna tena mahay, na dia tsy ahitana sora-kalina aza.” Izao koa no voalaza momba ny kôdeksa iray: “Bilabila ny soratra, nefa azo lazaina hoe tsy misy diso.”​—Papyrus Ara-baiboly Chester Beatty: Fanazavana sy Sora-tanana 12 Natao Tamin’ny Papyrus ho An’ny Baiboly Grika, nataon’i Frederic Kenyon, Londres, 1933, Fizarana I, Fampidirana, p. 14; 1933, Fizarana II, Ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly, Soratra, p. ix; 1936, Fizarana III, Apokalypsy, Sasin-teny.

Izay raketin’ireny dika soratra ireny anefa no zava-dehibe fa tsy ny lafiny mampiavaka azy. Izy ireny no porofo manamarina an’izay voalazan’ireo sora-tanana vita tamin’ny hodi-biby natao tamin’ny taonjato fahefatra, anisan’izany ny Vaticanus No. 1209 sy Sinaiticus izay tena natokisan’i Westcott sy Hort, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Tsy misy teny nasisika koa izy ireny, na dia ahitana izany aza ny sora-tanana sasany vita tamin’ny hodi-biby, izany hoe ireo sora-tanana antsoina hoe “Tandrefana” (mety ho diso anefa io anarana io).

An’arivony ny sora-tanana misy ankehitriny, ary nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra no tena nanaovana azy ireny. Nodinihin’ny manam-pahaizana sy nampitahainy izy ireny, ka hitany fa nitandrina be ireo mpanao dika soratra nanao azy. Ireny fampitahana ireny no nanampy ny manam-pahaizana sasany hamantatra ny soratra tany am-boalohany. Niainga avy tamin’ny asa vitan’izy ireny ireo fandikan-tenin’ny Baiboly misy ankehitriny. Nilaza i Westcott sy Hort fa tena zara raha misy ireo azo lazaina hoe fahasamihafana lehibe, satria tsy misy afa-tsy eo amin’ny iray ampaharivon’ny soratra [grika] manontolo izany. (Ny Testamenta Vaovao Amin’ny Teny Grika Tany Am-boalohany, Graz, 1974, Boky II, p. 2) Hoy Atoa Frederic Kenyon momba ny Papyrus Ara-baiboly Chester Beatty: “Ny zava-dehibe indrindra azo tsoahana rehefa nodinihina [ireo horonana], dia hoe marina tsara ny Baiboly ananantsika ankehitriny. Tsy misy fiovana firy na ny Testamenta Taloha na ny Vaovao. Tsy misy hevi-dehibe niampy na latsaka, ary tsy manova foto-pinoana ireo fahasamihafana kely. Zavatra kely fotsiny no tsy mitovy, toy ny filahatry ny teny sy ny teny nampiasaina.”​—Fasciculus I, Teny Fampidirana Ankapobe, p. 15.

Tsy misy firy intsony ankehitriny ny asa soratr’ireny mpanao dika soratra taloha ireny. Maro no potika nandritra ny fanenjehan’ny Romanina ny Kristianina. Tonta koa ny sasany rehefa nampiasaina ela. Vetivety dia simba ny sasany noho ny hamandoana sy ny hafanana. Toa tsy nilaina notehirizina koa ny kopia tranainy vita tamin’ny papyrus rehefa tonga ny taonjato fahefatra, satria nosoloan’ireo mpanora-dalàna kopia vita tamin’ny hodi-biby.

Inona no nanaovana ny ranomaintin’ireo mpanao dika soratra? Molaly sy dity no nafangaro, ary natao nivaingana. Nasiana rano izy io rehefa nampiasaina. Zozoro kely kosa ny penina. Lasa toy ny borosy kely ny tendrony rehefa azon’ny rano. Horonana hoditra sy papyrus no nanoratana, fa pejin’ny kôdeksa kosa tatỳ aoriana. Natambatambatra ireny pejy ireny ary matetika no nasiana fonony hodi-kazo.