Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpialoha Lalana

Mpialoha Lalana

Olona alefa mialoha mba hanomana ny fahatongavan’olon-kafa. Mety halefa hitsikilo na hijery taratra izy, hikarakara ny lalana, hilaza ny fiavian’ilay olona, na hitari-dalana. Tsy dia manan-kaja ny mpialoha lalana raha oharina amin’ilay ho avy aoriany, nefa tsy voatery ho izany foana.

Nisy mpihazakazaka teo alohan’ny kalesin’ny mpanjaka tatsinanana, mba hanomana sy hanambara ny fahatongavany ary hanampy azy. (1Sa 8:11) Naka tahaka an’io fanao io i Absaloma sy Adonia, ka samy nanana mpihazakazaka 50 nandeha teo alohan’ny kalesiny. Tian’izy ireo haseho hoe olo-manan-kaja izy ireo ary ara-dalàna ny fikomiany.​—2Sa 15:1; 1Mp 1:5; jereo MPIHAZAKAZAKA.

Mpialoha lalana an’i Kristy i Jaona Mpanao Batisa, araka ny voalazan’ny Isaia 40:3 sy Malakia 3:1 ary 4:5, 6 hoe: “Misy miantsoantso any an-tany efitra hoe: ‘Karakarao ny lalana halehan’i Jehovah! Ataovy mahitsy ilay lalambe.’” “Hirahiko ny irako, ary hikarakara ny lalana halehako izy.” Nanantena sy niandrandra ary niandry an’i Jesosy àry ny olona noho ny fanambaran’i Jaona, ka mety ho nihaino sy nanome voninahitra ary nanaraka azy. (Mt 3:1-12; 11:7, 10, 14; Mr 9:11-13; Lk 1:13-17, 76; Jn 1:35-37) Nisy iraka nalefa hialoha an’i Jesosy koa tao amin’ny tanànan’ny Samaritanina “mba hanomana ny fahatongavany.”​—Lk 9:52.

I Jesosy anefa ilay “mpialoha lalana” resahin’ny Hebreo 6:19, 20, izay hany andininy ahitana an’io teny io. Tsy hoe ambany kokoa noho ireo ho avy aoriany anefa izy. Izy kosa no voalohany nankany an-danitra mba hahazo voninahitra tany, ka nanokatra sy nanomana ny lalana ho an’ireo mpianany izay ho any koa. (Jn 14:2, 3) Sahy manatona an’Andriamanitra àry izy ireo, satria efa nisantatra ny lalana ilay Mpialoha Lalana.​—He 10:19-22.