Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiambina

Mpiambina

Nadika matetika hoe “miambina; miaro; mitandrina” ny teny hebreo hoe shamar ao amin’ny Soratra Masina nosoratana talohan’ny andro kristianina. (Ge 3:24; 28:15; De 5:29; 1Sa 26:15) Niambina tamin’ny alina koa ireo nasain’i Nehemia nanorina ny mandan’i Jerosalema. (Ne 4:22, 23) Mpiambina ireo mpihazakazaka nandeha teo alohan’ny kalesin’ny mpanjaka, toy ireo nampiasain’i Absaloma sy Adonia izay nitady handrombaka fahefana tany Israely. (2Sa 15:1; 1Mp 1:5) Mpihazakazaka koa no niambina ireo ampinga varahina sy ny fidirana tao an-dapan’i Rehoboama Mpanjaka. (1Mp 14:27, 28) Mpihazakazaka sy Karianina mpiaro ny mpanjaka no nasain’i Joiada Mpisoronabe hiaro an’i Joasy mpanjaka tanora tao amin’ny tempoly sy hamono an’i Atalia.​—2Mp 11:4-21; jereo KARIANINA MPIARO NY MPANJAKA; MPIHAZAKAZAKA.

Nidika hoe “mpamono” ary tatỳ aoriana hoe “mpandringana” ny teny hebreo hoe tabbah, nadika hoe “mpahandro.” (1Sa 9:23) Ilazana ny mpiaro an’i Faraon’i Ejipta sy Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona koa izy io. (Ge 37:36; 2Mp 25:8, 11, 20; Da 2:14) Ny teny hebreo hoe mishmaʽat (“mpihaino”) izay nadika hoe ‘hofehezina’ (Is 11:14) kosa no ilazana ny mpiaro an’i Davida (2Sa 23:23; 1Ta 11:25) sy Saoly (i Davida no lehiben’izy ireo; 1Sa 22:14).

Nofatoran’ny Romanina tamin’ny mpiambina iray ny voafonja, na tamin’ny miaramila roa mba ho tsara ambina, toy ny natao tamin’i Petera. (As 12:4, 6) Navela nipetraka tao amin’ny trano nohofany kosa ny apostoly Paoly, tamin’izy nigadra voalohany tany Roma, ary miaramila iray monja no niambina azy. (As 28:16, 30) Mety ho natao tsara ambina kokoa izy, tamin’izy nigadra fanindroany.

Tsy tian’ny lehiben’ny mpisorona ho fantatry ny olona hoe natsangana i Jesosy, ka nomeny vola ny mpiambina romanina mba hanely tsaho hoe nangalarin’ny mpianatra ny fatiny.​—Mt 27:62-66; 28:11-15; jereo MIARAMILA.

I Aogosto Kaisara no nanendry an’ireo Mpiambina an’i Kaisara tamin’ny taona 13 T.K. (Fi 1:12, 13) Nasain’i Tiberio Mpanjaka nitoby teo akaikin’ny mandan’i Roma foana izy ireo, mba tsy hisian’ny korontana. Nanana fahefana be àry ny lehiben’izy ireo, ary nitombo ho 10 000 teo ho eo ny olona nofeheziny. Vitan’izy ireo mihitsy aza tatỳ aoriana ny nanendry na nanongana mpanjaka.

Nanana lehibe ireo mpisorona sy Levita niambina ny tempolin’i Jerosalema.​—Jereo LEHIBEN’NY MPIAMBINA NY TEMPOLY.