Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiambina An’i Kaisara

Sarin’ny miaramila anisan’ny Mpiambina An’i Kaisara

Mpiambina An’i Kaisara

Antoko-miaramila romanina voafantina, nalamin’i Aogosto ho mpiaro ny mpanjaka. Tamin’ny voalohany, dia azo inoana fa nizara ho andiany sivy izy ireo, ka nisy 1000 ny andiany tsirairay. Niova anefa ny isan’ny andiany sy ny isan’ny miaramila isaky ny andiany, rehefa nandeha ny fotoana. Avy tao Italia ny ankamaroan’ny Mpiambina an’i Kaisara, tamin’ny voalohany. Ambony kokoa noho ny an’ny miaramila tao amin’ny andian-tafika ny karaman’izy ireo, ary mety ho avo roa heny na telo heny mihitsy. Toby voaro mafy teo avaratratsinanan’ny mandan’ny tanànan’i Roma no nametrahan’i Tiberio azy ireo. Na tao Roma foana aza no nisy an’ireo andiany ireo, dia nisy nalefa tany an-tany hafa ihany. Ny Mpiambina An’i Kaisara no hany miaramila tao Italia foana, ka lasa hery ara-politika afaka nanohana na nanongana mpanjaka izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nisy lehilahy avy tany amin’ny faritany voaray ho anisany. Nofoanan’i Constantin Mpanjaka ilay antoko-miaramila tamin’ny 312.

Ilazana lapa na trano fonenana ny teny hoe praitôriôn izay avy amin’ny teny latinina, ao amin’ny Filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly. Praetorium no niantsoana ny tranolain’ny mpitari-tafika, ary tatỳ aoriana ny trano fonenan’ny governoram-paritra. Tao amin’ny praetorium (‘lapan’ny governora’) àry i Pilato no naka am-bavany an’i Jesosy. (Jn 18:28, 33; 19:9; jereo LAPAN’NY GOVERNORA.) Tao no namoahana didim-pitsarana sy nitobian’ny miaramila. (Mt 27:27; Mr 15:16) ‘Nambenana tao amin’ny lapam-panjakan’i Heroda’ i Paoly tany Kaisaria.​—As 23:35.

Misy àry milaza hoe ny lapan’i Néron teo amin’ny Havoanan’i Palatin na efitra fitsarana nitondrana an’i Paoly ilay praitôriôn resahin’ny Filipianina 1:13. Hoy anefa ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (Boky Faha-8, p. 469): “Tsy ny lapan’ny mpanjaka izy io ... satria tsy nantsoina hoe praetorium mihitsy ilay lapa tao Roma. Tsy efitra fitsarana koa izy io satria tsy nisy an’izany tao Roma, ary tatỳ aoriana vao nantsoina hoe praetoria ny fitsarana.” “Navela hitokan-trano i Paoly, niaraka tamin’ilay miaramila niambina azy”, rehefa nigadra voalohany tany Roma. (As 28:16) Lasa fantatr’ireo anisan’ny Mpiambina An’i Kaisara hoe nigadra noho ny amin’i Kristy izy, indrindra raha niova isan’andro ny mpiambina azy. Mpiambina An’i Kaisara àry fa tsy hoe trano fitsarana na mpitsara no nandikan’ny Baiboly maro ny hoe praitôriôn.​—Prot., TV, FFBF.

Misy hoe “ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin’ny lehiben’ny mpiambina” (Prot., f.a.p.) ny Asan’ny Apostoly 28:16 ao amin’ny Textus Receptus (Soratra Voaray [soratra niaingana rehefa nandika ny Soratra Grika ho amin’ny fiteny maro]). I Sextus Afranius Burrus, lehiben’ny Mpiambina An’i Kaisara tamin’ny andron’i Néron hatramin’ny taona 62, hono, io lehibe io. Hoy ny Baibolin’i Darby (frantsay): “Natolotry ny kapiteny tamin’ny lehiben’ny mpiambina an’i Kaisara ny voafonja.” Nataony anaty fononteny mahitsy anefa io ampahany io, satria tsy toy ny ao amin’ny sora-tanana hafa. Tsy misy an’io koa ny Baiboly maoderina hafa, satria tsy ao amin’ny sora-tanana tranainy toy ny Sinaiticus, Alexandrinus, ary Vaticanus No. 1209 izy io.​—Kat., TV, DIEM.