Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiambina, Mpitily

Mpiambina, Mpitily

Olona manao andry maso olon-kafa na fananana mandritra ny alina matetika sao misy loza mitranga, ary mety hampaneno fanairana. Misy koa ny miaramila mpiambina.​—Je 51:12; As 12:6; 28:16; jereo MPIAMBINA.

Nasiana mpiambina na mpitily matetika tao amin’ny trano rantsankazo na teny amin’ny tilikambo avo toerana, mba hanara-maso ny tanimboaloboka nisy voany efa masaka na ny biby fiompy, sao nisy nangalatra na nanimbanimba fotsiny. (2Mp 17:9; 2Ta 20:24; Jb 27:18; Is 1:8) Nampahafantarin’ny mpitily ny mpitari-tafiny izay nataon’ny fahavalo, rehefa nanao fahirano toerana voaro mafy ny tafika. (Je 51:12) Nisy mpitily koa niambina sy niaro an’i Saoly Mpanjaka, tamin’izy niaraka tamin’ny miaramilany tao an-toby.​—1Sa 14:16; 26:15, 16.

Teny ambony manda na tilikambo matetika ireo mpitily ka nahatazana an’izay nanatona. (2Sa 18:24-27; 2Mp 9:17-20) Nandehandeha nanara-maso ny tanàna koa izy ireo indraindray. (To 3:3; 5:7) Mety ho nanontany imbetsaka azy ireo àry ny olona natahotra sy tsy nahita tory nandritra ny alina hoe nilamina ve ny zava-drehetra (Is 21:11, 12), ary ara-dalàna raha tsy andrin’izy ireo izay hahamaraina ny andro. (Sl 130:6) Sambatra izay tanàna nanana an’i Jehovah ho Mpiambina azy, ankoatra an’ireo olona mpiambina na mpitily.​—Sl 127:1.

Heviny an’ohatra. Toy ny mpitily ho an’ny firenen’Israely ireo mpaminany notendren’i Jehovah (Je 6:17), ary niresaka momba ny mpitily an’ohatra koa izy ireny indraindray. (Is 21:6, 8; 52:8; 62:6; Ho 9:8) Adidiny ny nampitandrina ny ratsy fanahy hoe ho ringana izy ireny, ka nampamoahina ry zareo raha tsy nanao izany. Raha nisy kosa olona tsy nihaino fampitandremana, dia izy ihany no tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesany. (Ezk 3:17-21; 33:1-9) Tsy nisy nilana azy toy ny mpitily jamba na alika moana ny mpaminany nivadika tamin’i Jehovah.​—Is 56:10.