Mpianatra
Olona ampianarina, manovo na mampitombo fahalalana. Ilazana olona mianatra na ampianarina na ampiofanina ny teny hebreo (limmod) nadika hoe mpianatra. “Fanindronan’omby” no dikan’ny hoe malmad, teny iray tarika amin’ny hoe limmod. (Mpts 3:31; ampit. Ho 10:11.) Ilazana olona mampifantoka ny sainy amin-javatra iray kosa ny teny grika hoe matetes (mpianatra).
Nanana mpianatra i Jesosy, Jaona Mpanao Batisa, ny Fariseo, ary Mosesy. (Mt 9:14; Lk 5:33; Jn 9:28) Mpianatr’i Jaona taloha ny mpianatr’i Jesosy voalohany. (Jn 1:35-42) Antsoina koa hoe mpianatra ny apostoly 12. (Mt 10:1; 11:1) Izay nino ny fampianaran’i Jesosy no nantsoina hoe “mpianatra”, tamin’ny ankapobeny, anisan’izany ireo tsy sahy niseho ho mpianany. (Lk 6:17; Jn 19:38) Ireo niara-nandeha nitory taminy foana sy ireo nampianariny anefa no tena resahin’ny Filazantsara hoe mpianany. Izay rehetra mino sy manaraka ny fampianaran’i Kristy àry no tena mpianany. Tsy maintsy ampianarina “hitandrina izay rehetra” nandidian’i Jesosy izy ireo.—Mt 28:19, 20.
Lk 6:40) Nandaitra ny fampianaran’i Kristy satria mbola nanohy an’ilay asa nampiofanany azy ireo ny mpianany, ka nanao mpianatra nanerana ny Fanjakana Romanina, sy tany Azia, Eoropa, ary Afrika, talohan’ny taona 100. Io no asan’izy ireo lehibe indrindra, araka ny baikon’i Jesosy Kristy.—Mt 28:19, 20.
Ny hanampy an’ireo mpianany hanahaka azy ka hitory sy hampianatra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, no tanjon’i Jesosy. Hoy izy: “Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra azy, fa izay rehetra nahazo fampianarana tonga lafatra dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany.” (Mbola tokony hanao mpianatra an’ireo olona any amin’ny firenena rehetra ny Kristianina ankehitriny, satria hoy i Jesosy: “Homba anareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Tsy lasa mpianatr’izy ireo akory ny olona ampianariny, fa lasa mpianatr’i Jesosy Kristy satria ny fampianaran’i Kristy fa tsy ny an’ny olona no arahina. Noho ny fitondran’Andriamanitra àry no niantsoana ny mpianatra hoe Kristianina. (As 11:26) Tsy tena mpianatr’i Isaia koa ireo nantsoina hoe mpianany, fa olona nahalala ny lalàn’i Jehovah sy niaina nifanaraka tamin’izany.—Is 8:16.
Tsy mora akory izany hoe mpianatr’i Jesosy izany. Na i Jesosy aza tsy nanao izay nahafaly ny tenany, fa niady mafy mba hanoherana ny Devoly sy ireo mpomba azy. (Ro 15:3) Nilaza koa i Jesosy fa ny mpianany dia tsy maintsy ho tia azy mihoatra noho ny havany akaiky sy ny ainy mihitsy aza. Tsy maintsy tia ny Kristianina hafa koa izy ireo, ary mamoa be. Tokony hitondra ny hazo fijaliany ny olona te ho mpianatr’i Jesosy ka hanaraka ny diany. Tsy maintsy “mahafoy ny fananany rehetra” àry izy. Hahazo zava-tsarobidy maro kokoa anefa izy dieny izao, henjehina, ary hahazo fiainana mandrakizay amin’ny hoavy.—Lk 14:26, 27, 33; Jn 13:35; 15:8; Mr 10:29, 30; jereo KRISTIANINA.