Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandry Ondry

Mpiandry Ondry

Olona mikarakara sy manome hanina ary miambina ondry na ondry aman’osy. (Ge 30:35, 36; Mt 25:32; jereo ONDRY.) I Abela zanak’i Adama no mpiandry ondry voalohany. (Ge 4:2) Nohajain’ny olona ny mpiandry ondry, fa nohamavoin’ny Ejipsianina mpamboly kosa.​—Ge 46:34.

Matetika no ilay tompon’ny ondry na ny zanany (lahy sy vavy) na ny havany hafa no niandry an’ireo ondry. (Ge 29:9; 30:31; 1Sa 16:11) Ny mpanankarena, toa an’i Nabala, kosa nanana mpanompo mpiandry ondry, ary mety ho nisy lehibeny izy ireny. (1Sa 21:7; 25:7, 14-17) Salama sy natanjaka tsara ny ondry rehefa nandrasan’ny tompony na ny mpianakavin’izy io. Nijaly kosa ny ondry indraindray, rehefa nandrasan’ny mpikarama izay tsy tena niahy azy ireo.​—Jn 10:12, 13.

Matetika ny mpiandry ondry no nitondra tranolay (Is 38:12), lamba firakotra (Je 43:12), tsorakazo sy pilotra hiarovana ny ondry, kitapo fasiana sakafo (1Sa 17:40; Sl 23:4), ary tehina lava mifaingoka hitarihana ny ondry (Le 27:32; Mi 7:14).

Nipetraka an-tranolay ny mpiandry ondry sasany, toa an’i Abrahama, ary nifindrafindra toerana mba hitady tanimbilona. (Ge 13:2, 3, 18) Nijanona teo amin’ny toerana iray anefa indraindray ny tompon’ny ondry, fa ny mpanompony na ny mpianakaviny kosa no nandehandeha nitondra ny ondry.​—Ge 37:12-17; 1Sa 25:2, 3, 7, 15, 16.

Tena fantatry ny ondry tokoa ve ny feon’ny mpiandry azy?

Natao tao anaty vala iray ny andian’ondry maromaro indraindray rehefa alina, ary nambenan’ny mpiandry vavahady. Tonga ny mpiandry ondry rehefa maraina. Niantso an’ireo ondriny izy, ka narahin’izy ireo satria ny feony ihany no nohenoin’izy ireo. Nandeha teo aloha izy mba hitarika azy ireo hiraoka ahitra. (Jn 10:1-5) Hoy i W. Thomson momba izay hitany tany Syria sy Palestina (taonjato faha-19): “Efa folaka tsara sy mora baikoina [ny ondry] ka manaraka an’ilay mpiandry azy ho any amin’izay toerana tian’ilay mpiandry, rehefa mivoaka avy ao am-bala na avy ao an-tranony ao an-tanàna. Maro ny andian’ondry ao amin’ny tanàna iray, ka samy mifidy izay lalana mety hahitany tanimbilona ho an’ny ondriny ny mpiandry. Tsy maintsy zarina manaraka an’ilay mpiandry ny ondry, sao hivily ho any amin’ny tanimboly tsy voafefy eo amin’ny andaniny roa ka ho sahirana. Voatery miantso mafy àry ilay mpiandry indraindray. Fantatry ny ondry ny feony, ka manaraka azy izy ireo. Raha olona tsy fantany kosa no miantso, dia mijanona izy ireo ary mitraka sady mailomailo. Raha mbola miantso ihany ilay olona, dia lasa mitsoaka izy ireo satria tsy fantany ny feony. Tsy zavatra resahin’ny fanoharana fotsiny izany fa tena zava-misy. Efa imbetsaka aho no nahita izany. Mandeha eo aloha ilay mpiandry, mba hitarika ny ondry sy hijery raha azo aleha sy tsy mampidi-doza ilay lalana.”​—Ilay Tany sy Ilay Boky, nohavaozin’i J. Grande, 1910, p. 179.

Hoy koa i J. Porter: “Hitanay tsara ireo mpiandry nitarika ny ondriny nivoaka ny vavahadin’ny tanàna. Nandinika sy nihaino tsara azy ireo izahay. Nifangaroharo be ny ondry sy osy an’arivony. Niaraka daholo ireo mpiandry mandra-pivoakan’ny biby rehetra. Nisaraka ireo mpiandry avy eo, samy nanana ny lalany, ary samy nanana ny fomba fiantsoany ny ondriny. Ren’ireo ondry izany, ka nirona niankavia na niankavanana izy ireo toy ny hoe nisy nanaitra azy. Nanaraka tsikelikely ny dian’ny mpiandry azy avy izy ireo, ary tsy nifangaroharo intsony, fa samy nitanjozotra nanaraka ny mpitarika azy.”​—Tanàna Goavana Tany Basana sy Toerana Masina Tany Syria, 1868, p. 45.

Naterin’ny mpiandry tao am-bala ny ondry rehefa hariva. Nijoro teo am-bavahady izy, ary nanamarina ny isan’ny ondry nandalo teo ambany tehiny na teo ambany tanany.​—Le 27:32; Je 33:13; jereo VALAN’ONDRY.

Niasa mafy. Tsy mora ny fiainan’ny mpiandry ondry. Niaritra hatsiaka sy hafanana izy, ary tsy natory rehefa alina. (Ge 31:40; Lk 2:8) Nisetra loza izy rehefa niaro ny ondry tamin’ny biby mpiremby (toy ny liona, amboadia, ary orsa) sy tamin’ny mpangalatra. (Ge 31:39; 1Sa 17:34-36; Is 31:4; Am 3:12; Jn 10:10-12) Nisakana ny ondry tsy hiparitaka izy (1Mp 22:17), nitady izay very (Lk 15:4), nitrotro ny zanak’ondry osa na reraka (Is 40:11), ary nikarakara an’izay narary sy naratra ka nasiany fehy lamba ny tongotra tapaka ary nohosorany menaka oliva ny ratra. (Sl 23:5; Ezk 34:3, 4; Za 11:16) Nila fiahiana kokoa ny ondrivavy mampinono. (Ge 33:13) Nentina nisotro rano isan’andro ny ondry, rehefa mitataovovonana. (Ge 29:3, 7, 8) Raha nentina teny akaikin’ny lavadrano ny ondry, dia nofenoina rano ny tavin-drano fisotroany. (Ek 2:16-19; ampit. Ge 24:20.) Nifanditra teo amin’ny lavadrano indraindray ireo mpiandry ondry.​—Ge 26:20, 21.

Nanan-jo hihinana tamin’ny rononon’ny ondry ny mpiandry. (1Ko 9:7) Ondry ihany ny karamany matetika (Ge 30:28, 31-33; 31:41), fa vola kosa indraindray. (Za 11:7, 12) Mety ho tsy maintsy nonerany izay very. (Ge 31:39) Tsy tokony honerany kosa izay noviravirain’ny bibidia, raha araka ny Lalàn’i Mosesy.​—Ek 22:13.

Nitovy ihany ny asan’ny mpiandry ondry aman’osy sy ny mpiandry biby fiompy hafa, toy ny omby, ampondra, rameva, ary kisoa.​—Ge 12:16; 13:7, 8; Mt 8:32, 33.

Fanoharana sy heviny an’ohatra. Mpiandry tia sy mikarakara ny ondriny na ny olony, i Jehovah. (Sl 23:1-6; 80:1; Je 31:10; Ezk 34:11-16; 1Pe 2:25) I Jesosy Kristy Zanany no “ilay mpiandry ondry lehibe” (He 13:20) sy “lehiben’ny mpiandry”, ary eo ambany fahefany ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana kristianina izay miandry ny andian’ondrin’Andriamanitra. Manao izany an-tsitrapo sy amim-paharisihana izy ireo ary tsy tia tena. (1Pe 5:2-4) Nilaza i Jesosy fa izy no “mpiandry tena tsara.” Tena mangoraka “ny ondry” izy matoa foiny ho azy ireo ny ainy. (Jn 10:11; jereo Mt 9:36.) Niparitaka anefa ny andian’ondry rehefa nasiana ilay “mpiandry tena tsara”, araka ny faminaniana.​—Za 13:7; Mt 26:31.

Ireo lehibe sy mpitondra teo amin’ny Israely, na tsara na ratsy, sy ireo mpitondra tany amin’ny firenen-kafa (Je 25:34-36; 49:19; Na 3:18; ampit. Is 44:28) no nantsoin’ny Baiboly hoe “mpiandry ondry” indraindray. (Is 63:11; Je 23:1-4; 50:6; Ezk 34:2-10; ampit. No 27:16-18; Sl 78:70-72.) Toa lehiben’ny tafika fahavalo ireo resahin’ny Jeremia 6:3 hoe “mpiandry ondry.” Hahitana mpiandry miaraka amin’ny andian’ondriny ny tanàna aorina indray. (Je 33:12) I Babylona kosa ho lao tanteraka satria na ‘mpiandry ondry iray aza tsy hampandry ny andian’ondriny any.’​—Is 13:20.

Haringana ireo firenena resahin’ny Apokalypsy 12:5 (f.a.p.) hoe ‘handrasana’ amin’ny tehim-by.​—Ampit. Sl 2:9.