Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpiandry Vavahady

Mpiandry Vavahady

Mpiandry vavahadin’ny tanàna na tempoly, na vavahadin’olona na varavaran’ny tranony, ny mpiandry vavahady na mpiandry varavarana taloha. Andraikitry ny mpiandry vavahadin’ny tanàna ny nanidy ny vavahady tamin’ny alina sy ny niambina azy ireo. Mety ho nisy mpitily koa teny an-tampon’ny vavahady na teny amin’ny tilikambo. Nahatazana ny manodidina izy ireo, ka afaka nilaza hoe iza no nanatona ny tanàna. Niara-niasa izy ireo sy ny mpiandry vavahady. (2Sa 18:24, 26) Andraikitra be ny an’ny mpiandry vavahady satria niankina taminy ny fiarovana ny tanàna. Izy koa no nampita ny resaka nifanaovan’ireo tany ivelan’ny tanàna sy ny tao anatiny. (2Mp 7:10, 11) Tandapan’ny mpanjaka koa ireo roa lahy mpiandry varavaran’i Ahasoerosy Mpanjaka nitetika ny hamono azy.​—Es 2:21-23; 6:2.

Vavahadin’ny tempoly. Notsinjarain’i Davida Mpanjaka taloha kelin’ny nahafatesany ireo Levita sy mpiasa tao amin’ny tempoly, anisan’izany ireo mpiandry vavahady 4 000. Nanompo fito andro ny fizarana tsirairay nisy an’ireo mpiandry vavahady, isaky ny tonga ny anjarany. Niambina ny tranon’i Jehovah izy ireo, ary nanokatra sy nanidy ara-potoana an’ireo varavarana. (1Ta 9:23-27; 23:1-6) Nisy koa nikarakara ny fanomezana nentin’ny olona tao amin’ny tempoly. (2Mp 12:9; 22:4) Nasian’i Joiada Mpisoronabe mpiambina manokana teo am-bavahadin’ny tempoly, tamin’i Joasy vao nohosorany ho mpanjaka, sao hovonoin’i Atalia, mpanjakavavy nandrombaka fahefana, ilay zaza. (2Mp 11:4-8) Nanampy an’i Josia Mpanjaka hamoaka an’ireo fitaovana nanompoana an’i Bala avy tao an-tempoly ny mpiandry varavarana, rehefa nofoanan’i Josia ny fanompoan-tsampy. Nodorana teny ivelan’i Jerosalema izy ireny.​—2Mp 23:4.

Nisy mpisorona sy Levita notendrena ho mpiandry vavahady sy mpiambina ny tempoly naorin’i Heroda, tamin’i Jesosy Kristy tetỳ an-tany. Tsy maintsy mailo izy ireny, satria tonga nisafo tamin’ny ora tsy nampoizina ny mpiandraikitra ny tempoly. Tsy nahazo natoritory mihitsy koa ny mpiambina, sao tratra nanao tsirambina ny asany. Nisy mpiandraikitra hafa koa nanao antsapaka ny fitsinjarana ny asa tao amin’ny tempoly. Tsy tokony hatory ny mpiambina fa hanokatra azy, rehefa nandondòna teo am-baravarana izy. Nety ho nahatratra an’ilay mpiambina natory koa izy. Hoy ny Mishnah (Middôt 1:2): “Fahazaran’ny mpiandraikitra ny tempoly ny nisafo ny mpiambina tsirairay sady nitondra fanilo. Resin-tory ny mpiambina iray matoa tsy nitsangana sy tsy nilaza hoe: ‘Fiadanana anie ho anao, ry mpiandraikitra ny tempoly ô!’ Nokapohiny tamin’ny tehiny àry ilay mpiambina, ary zony ny nandoro ny fitafiany.”​—Nadikan’i H. Danby; jereo koa Ap 16:15.

Niaro ny tempoly tamin’ny mpangalatra ireny mpiandry vavahady sy mpiambina ireny. Tsy navelan’izy ireny hiditra tao koa izay olona naloto na nitady hitsofotsofoka tao tsy amin’antony.

Vavahadin’ny trano. Nisy mpiandry varavarana ny trano sasany, tamin’ny andron’ny apostoly. Novohan’i Roda mpanompovavy i Petera tamin’izy nandondòna tao an-tranon’i Maria renin’i Jaona Marka, rehefa nafahan’ny anjely avy tao am-ponja. (As 12:12-14) Mpiandry vavahadin’ny mpisoronabe ilay mpanompovavy nanontany an’i Petera raha mpianatr’i Kristy izy.​—Jn 18:17.

Mpiandry ondry. Nataon’izy ireo tao am-bala ny ondry rehefa alina, fahiny. Nisy tamboho vato ivaiva sy vavahady ilay vala. Nampidirina tao ny ondrin’ny olona iray na maromaro rehefa alina, ary nisy mpiandry vavahady niambina sy niaro an’ireo ondry. Nanao fanoharana momba ny mpiandry vavahady àry i Jesosy, ary nampitaha ny tenany tamin’ny mpiandry ny ondrin’Andriamanitra sy tamin’ny vavahady idiran’ireo ondry.​—Jn 10:1-9.

Kristianina. Mila mailo sy miambina hatrany ny Kristianina, hoy i Jesosy, satria ho avy hampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah izy. Nohariny tamin’ny mpiandry varavarana nasain’ny tompony hiambina hatrany sy hiandry ny fiverenany avy any an-tany hafa ny Kristianina.​—Mr 13:33-37; jereo MPIAMBINA; VAVAHADY.