Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpikarama

Mpikarama

Olona mahazo karama ho tambin’ny asa vitany, fa tsy toy ny mpanompo.

Notakin’ny Lalàna ny handoavana ny karaman’ny olona ny androtr’iny ihany. (Le 19:13; De 24:14, 15) Tamin’ny taonjato voalohany tany ho any, dia toa nifanarahana aloha hoe ohatrinona ny karama vao natomboka ny asa, sy hoe adiny 12 (6 maraina-6 hariva) ny ora fiasana, ary denaria iray (0,74 dolara) isan’andro ny karaman’ny mpiasa tanimboaloboka. (Mt 20:1-13) Toa efa nifanarahana koa ny fotoana aharetan’ny asa, matoa miresaka momba ny “taona iasan’ny mpikarama” ny Baiboly.​—Is 16:14; 21:16.

Tsy voafora ny ankamaroan’ny mpikarama tany Israely, matoa tsy navelan’ny Lalàna hihinana tamin’ny Paska. Ny mpanompo voafora kosa nahazo nihinana, satria noraisina ho toy ny anisan’ny ankohonan’ny Israelita. Anisan’ny ankohonan’ny mpisorona koa ny mpanompo voafora, ka nahazo nihinana tamin’ny zava-masina, fa tsy toy ny mpikarama nampiasainy.​—Ek 12:43-45; Le 22:10, 11.

Tsy tokony hampijaliana, fa hanehoana fiahiana toy ny mpikarama kosa, izay Israelita tra-pahasahiranana ka voatery nivarotra ny tenany tamin’ny Israelita rahalahiny, na tamin’ny mpivahiny, mpiavy, na mpianakavin’ilay mpivahiny. Raha tsy afaka nanavotra ny tenany izy, dia tokony hafahana rehefa tonga ny taona fahafito nanompoany na ny taon-jobily (izay iray tonga aloha).​—Ek 21:2; Le 25:39, 40, 47-49, 53; De 15:12; jereo MPANOMPO, ANDEVO.

Nohararaotin’ny mpampiasa indraindray ny mpikarama. Nampitandrina àry i Jehovah fa ho mailaka Izy hijoro ho vavolombelona hiampanga an’ireo manambaka mpiasa rehefa mandoa karama.​—Ml 3:5; jereo koa Jk 5:4; KARAMA.

Matetika no tsy andrin’ny mpikarama izay hahariva ny andro mba handraisany karama. (Jb 7:1, 2) Tsy tena nitady ny tombontsoan’ny mpampiasa azy koa izy matetika, matoa nilaza i Jesosy Kristy hoe mandositra eo anatrehan’ny loza ny mpikarama. Tsy toy izany kosa ny tenany, fa Mpiandry Tena Tsara mahafoy ny ainy ho an’ny ondry.​—Jn 10:11-15; jereo koa Je 46:21.