Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpisorona

Mpisorona

MPISORONA

Nisolo tena an’Andriamanitra teo anatrehan’ireo tena mpivavaka tamin’i Jehovah ny mpisorona, talohan’ny niforonan’ny fiangonana kristianina. Nampianatra ny vahoaka momba an’Andriamanitra sy ny lalàny izy ireo. Nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan’Andriamanitra koa izy ireo, ka nifona sy niangavy ho azy ary nanolotra fanatitra. Hoy ny Hebreo 5:1: “Alaina avy amin’ny olona ny mpisoronabe rehetra ka tendrena hanompo an’Andriamanitra, hahasoa ny olona, mba hanolorany fanomezana sy sorona noho ny ota.” Ny teny hebreo hoe kôhen sy ny teny grika hoe hiereos no nadika hoe “mpisorona.”

Tany am-boalohany. Nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fianakaviany ny loham-pianakaviana fahiny, izay nodimbiasan’ny lahimatoany rehefa maty izy. Anisan’izany i Noa. (Ge 8:20, 21) I Abrahama kosa nanorina alitara sy nanolotra fanatitra ho an’i Jehovah, isaky ny nifindra toby niaraka tamin’ny mpanompo maro be. (Ge 14:14; 12:7, 8; 13:4) Hoy Andriamanitra momba azy: “Efa fantatro tsara izy izao. Koa handidy ny ankohonany sy ny zanany handimby azy izy, mba hanarahan’ireny ny lalan’i Jehovah amin’ny fanaovana izay marina sy mahitsy.” (Ge 18:19) Nanao toy izany koa i Isaka sy Jakoba. (Ge 26:25; 31:54; 35:1-7, 14) Nanolotra fanatitra tsy tapaka ho an’i Jehovah i Joba, lehilahy tsy israelita izay mety ho havan’i Abrahama lavitra. Hoy mantsy izy: “Sao nanota sy nanozona an’Andriamanitra tao am-pony ny zanako.” (Jb 1:4, 5; jereo koa 42:8.) Tsy antsoin’ny Baiboly hoe kôhen na hiereos anefa ireny lehilahy ireny. Nantsoina hoe “mpisorona [kôhen] tany Midianina” kosa i Jetro, loham-pianakaviana sady rafozandahin’i Mosesy.—Ek 2:16; 3:1; 18:1.

Mpisorona (kôhen) tena niavaka i Melkizedeka mpanjakan’i Salema. Tsy resahin’ny Baiboly ny razambeny, na ny nahaterahany, na ny nahafatesany. Tsy nolovany tamin’olona ny andraikiny, ary mbola tsy nisy mpisorona nodimbiasany na nandimby azy. Mpanjaka sady mpisorona i Melkizedeka. Nanome ampahafolon-karena azy i Abrahama ka nahazo tsodrano taminy. Toy ny hoe nandoa ampahafolon-karena taminy i Levy izay mbola tao an-kibon’i Abrahama. Lehibe noho ny asa fisoronan’ny Levita àry ny an’i Melkizedeka. (Ge 14:18-20; He 7:4-10) Tsy mahagaga raha lazaina fa ‘mpisorona mandrakizay, tahaka an’i Melkizedeka’ i Jesosy Kristy.—He 7:17.

Azo inoana fa ireo loham-pianakaviana no mpisorona ho an’ny taranak’i Jakoba (Israely), mandra-panendrin’Andriamanitra ny Levita hanao asa fisoronana. Hoy àry Andriamanitra tamin’izy nitarika ny vahoakany ho any an-tendrombohitra Sinay: “Aoka hanamasina ny tenany koa ireo mpisorona mpankeo amin’i Jehovah, sao hitroatra hamely azy i Jehovah.” (Ek 19:22) Mbola tsy nisy Levita voatendry tamin’izay. Navela hiakatra kely teny an-tendrombohitra niaraka tamin’i Mosesy anefa i Arona, na dia mbola tsy voatendry ho mpisorona aza. Hotendrena ho mpisorona mantsy izy sy ny taranany aoriana kelin’izay. (Ek 19:24) Hita avy amin’izany fa efa fikasan’Andriamanitra ny hoe ny taranak’i Arona no hasolo an’ireo loham-pianakaviana nanao ny asan’ny mpisorona.

Teo ambanin’ny fifaneken’ny Lalàna. Nohamasinin’i Jehovah ho azy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israelita andevo tany Ejipta, tamin’izy nandefa ny loza fahafolo izay nandripaka ny lahimatoan’ny Ejipsianina rehetra. (Ek 12:29; No 3:13) An’i Jehovah àry ireny lahimatoa ireny, ka voatokana hanompo azy irery ihany. Azony natao ny nanendry azy rehetra ho mpisorona sy ho mpikarakara ny toerana masina. Naleony anefa nifidy an’ireo lehilahy avy tamin’ny fokon’i Levy, satria izany no nety tamin’ny fikasany. Nosoloana an’ireo lehilahy levita àry ny lahimatoa rehetra tao amin’ireo foko 12 hafa (nisaina ho foko roa ny taranak’i Efraima sy Manase zanak’i Josefa). Nihoatra 273 anefa ireo lahimatoa tsy levita hatramin’ny iray volana no ho miakatra rehefa nisaina. Nasain’Andriamanitra nomena sekely dimy (11 dolara) àry i Arona sy ny zanany, ho takalon’ny tsirairay tamin’ireo 273, ho vidim-panavotana. (No 3:11-16, 40-51) Talohan’izay no efa natokan’i Jehovah ho mpisorona teo amin’ny Israely ny lehilahy rehetra tao amin’ny fianakavian’i Arona, avy tamin’ny fokon’i Levy.—No 1:1; 3:6-10.

Nandritra ny taonjato maro, dia ny Israelita ihany no afaka ny ho lasa ‘fanjaka-mpisorona sy firenena masina.’ (Ek 19:6) Niova anefa izany rehefa nolavin’ilay firenena ny Zanak’Andriamanitra.—Ampit. Mt 21:43; 1Pe 2:7-10.

I Jehovah no Mpanjakan’ny Israely tamin’ny voalohany. Notendreny ho mpanjaka i Davida sy ny taranany tatỳ aoriana. Mbola i Jehovah ihany anefa no Mpanjakan’izy ireo tsy hita maso, fa nisolo tena azy fotsiny i Davida sy ny taranany, izay voalaza fa nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah.” (1Ta 29:23) Ny taranak’i Arona kosa no natao mpisorona. Ny firenen’Israely irery àry no nanana mpanjaka sy mpisorona nanao “fanompoana masina” ho an’i Jehovah Andriamanitra.—Ro 9:3, 4.

Napetraka teo amin’ny toerany ny mpisorona. Tsy maintsy Andriamanitra no manendry ny mpisorona, fa tsy manendry tena izy ireo. (He 5:4) I Jehovah àry no nanendry an’i Arona sy ny zanany lahy ho mpisorona ‘nandritra ny fotoana tsy voafetra’, ary navahany tamin’ireo Kehatita (iray tamin’ireo fizarana telo avy tamin’ny fokon’i Levy) izy ireo. (Ek 6:16; 28:43) I Mosesy, Levita mpanelanelana ny amin’ny fifaneken’ny Lalàna, no solontenan’Andriamanitra nanamasina an’i Arona sy ny zanany lahy ary nanome fahefana azy hanao ny asan’ny mpisorona. (Ek 29; Le 8) Toa naharitra fito andro ny fametrahana azy ireo teo amin’ny toerany, ny 1-7 Nisana 1512 T.K. (Jereo FAMETRAHANA MPISORONA EO AMIN’NY TOERANY.) Nanomboka ny fanompoany izy ireo ny ampitson’iny, ny 8 Nisana.

Fepetra notakina. I Jehovah no nanome ny fepetra tokony hofenoin’ireo zanak’i Arona hanompo eo amin’ny alitarany. Tsy nahazo nanao fanatitra teo amin’ny alitara izay lehilahy sembana na sampona, ary tsy nahazo nanakaiky ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra tao amin’ny tranolay masina. Nahazo tamin’ny ampahafolon-karena ihany anefa izy, ary nahazo nihinana tamin’ny “zavatra masina” nomena ny mpisorona.—Le 21:16-23.

Tsy voafaritra hoe firy taona ny lehilahy no afaka ny ho mpisorona, na dia 30 ka hatramin’ny 50 taona aza ny Kehatita nisaina tany an-tendrombohitra Sinay. (No 4:3) Nanomboka nanompo ny Levita rehefa feno 25 taona (nahenan’i Davida Mpanjaka ho 20 taona izany). (No 8:24; 1Ta 23:24) Nitsahatra tsy nanompo tao amin’ny toerana masina ny Levita tsy mpisorona rehefa feno 50 taona. Tsy mba toy izany kosa ny mpisorona.—No 8:25, 26; jereo FISOTROAN-DRONONO.

Olona tsy nahazo alalana. Avy amin’ny fototeny hoe zor (“mihatakataka; tsy fantatra”) (Jb 19:13; Sl 69:8) ny teny hebreo ilazana olona tsy nahazo alalana (zar), ka midika hoe “ilay mihataka na mandeha miala.”—Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Taloha, nataon’i G. Botterweck sy H. Ringgren, 1980, Boky Faha-4, p. 53.

Anisan’ireo olona tsy nahazo alalana ny Israelita sy ny vahiny ary ny olon-kafa rehetra, ankoatra ny fianakavian’i Arona sy ny fokon’i Levy. Araka ny Lalàna mantsy, dia ny fianakavian’i Arona no mpisorona (Ek 28:1-3), ary ny fokon’i Levy no notendrena hanao ny fanompoana hafa tao amin’ny tempoly. (No 1:49, 50, 53) Tsy nahazo alalana hanompo tao ny olon-kafa rehetra sy ny Israelita anisan’ireo foko hafa, ankoatra ny fokon’i Levy. (Ek 29:33; No 3:38, DIEM, “tsy mpisorona”; Le 22:10, DIEM, “tsy anisan’ny fianakavia-mpisorona”; jereo koa No 3:10, DIEM.) Ilazana olona tsy anisan’ny fianakavian’i Arona sy tsy anisan’ny fokon’i Levy àry ny teny hoe “olona tsy nahazo alalana” na “olon-kafa” ao amin’ny Boky Dimy Voalohany ao amin’ny Baiboly, satria tsy voatendry ho mpisorona na hanompo tao amin’ny tempoly izy.

Tsy nahazo alalana hanao an’ireto ny olona tsy anisan’ny fianakavian’i Arona: Nihinana tamin’ny zavatra nanomezam-pahefana ho mpisorona (Ek 29:33) na tamin’ny zava-masina (Le 22:10), nohosorana tamin’ny menaka masina fanosorana (Ek 30:33), ary nanao asa fisoronana (No 3:10; 16:40; 18:7). Tsy nahazo nanakaiky ny tranolay masina na nanangana azy io koa ny olona tsy Levita, na dia anisan’ireo foko 12 aza, raha tsy hoe hanolotra fanatitra angaha izy, na hanatona an’ireo mpisorona teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana. (Le 4:24, 27-29) Raha nanambady olona tsy anisan’ny fianakavian’i Arona ny zanakavavin’ny mpisorona, dia tsy nahazo nihinana tamin’ny zava-masina natao fanomezana izy sy ny vadiny.—Le 22:12, 13.

Fivelomana. Tsy nomena tany ho lovany ny fokon’i Levy. ‘Niparitaka tany amin’ny Israely’ tany amin’ny tanàna 48 kosa izy sy ny fianakaviany ary ny biby fiompiny. An’ny mpisorona ny 13 tamin’ireo. (Ge 49:5, 7; Js 21:1-11) Anisan’izany i Hebrona, tanàna fandosirana. (Js 21:13) Tsy nahazo tany ho lovany ny fokon’i Levy, satria efa nilaza i Jehovah hoe: “Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny zanak’Israely.” (No 18:20) Nanao ny asa fanompoana nanendrena azy ny Levita, sady nikarakara ny tranony sy ny kijanany tao amin’izay tanàna nomena azy. Nokarakarainy koa ireo tany natokan’ny Israelita mba hampiasain’ireo nanompo tao amin’ny toerana masina. (Le 27:21, 28) Nasain’i Jehovah nomena an’ireo Levita ny ampahafolon’izay rehetra novokarin’ny tanin’ireo foko 12 hafa. (No 18:21-24) Avy tamin’izany indray no nakan’ny Levita ny ampahafolony tsara indrindra, mba homena ny mpisorona. (No 18:25-29; Ne 10:38, 39) Nahazo iray isan-jato tamin’izay novokarin’ilay firenena àry ny mpisorona, ka afaka nanokana ny fotoanany rehetra hanaovana ny asa nanendren’Andriamanitra azy.

Nahazo fanampiana be ny mpisorona, kanefa tsy nanan-karem-be na nanana fiainana nirenty toa an’ireo mpisoron’ny firenena mpanompo sampy. Nanan-tany, ohatra, ny mpisorona ejipsianina. (Ge 47:22, 26) Izy ireo koa no nanan-karena sy nanana fahefana ambony indrindra, noho ny hafetseny. Nilaza i James Breasted tao amin’ny bokiny hoe Ny Tantaran’ny Ejipsianina Fahiny (1908, p. 355, 356, 431, 432) fa saribakolin’ny mpisorona fotsiny ireo Farao anisan’ny Tarana-mpanjaka Faha-20. Lasan’ny mpisorona ny faritra mpamokatra volamena tany Nobia sy ny faritany lehibe amoron’i Neily tany Ejipta Ambony. Ny mpisoronabe no olona ambony indrindra nitantana ny fananam-panjakana, nanarakaraka ny lehiben’ny mpitahiry ny harenam-panjakana. Izy no nibaiko ny tafika rehetra sy nitahiry ny harena. Lehibe kokoa noho ny an’i Farao ny sariny teo amin’ireo tsangambato.

Nisy fotoana ny Israely tsy niraharaha ny toerana masina sy ireo nanompo tao, ka nanao tsirambina ny fanompoana an’Andriamanitra sy tsy nandoa ny ampahafolon-karena. Lasa nijaly àry ny mpisorona sy ny Levita, satria tsy maintsy nitady asa hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany. Vao mainka nijaly koa anefa ilay firenena satria nanjary nihena ny fahalalany an’i Jehovah, ka tsy dia nifandray taminy intsony izy ireo.—Ne 13:10-13; jereo koa Ml 3:8-10.

Ireto avy no nomena ny mpisorona: 1) Ny ampahafolon-karena mahazatra. 2) Ny vola nanavotana ny voalohan-teraky ny olona sy ny biby. Raha lahy voalohan-teraky ny omby na ondry na osy kosa no natolotra, dia ny nofony no nomena azy. (No 18:14-19) 3) Ny vola nanavotana olona na zavatra nohamasinina na zavatra natokana ho an’i Jehovah. (Le 27) 4) Ny ampahany tamin’ny fanatitra samihafa nataon’ny vahoaka, mbamin’ny mofo aseho. (Le 6:25, 26, 29; 7:6-10; No 18:8-14) 5) Ny tsara indrindra tamin’ny voaloham-bokatra: Varimbazaha sy divay ary menaka. (Ek 23:19; Le 2:14-16; 22:10 [tsy mpisorona ilay “olona tsy nahazo alalana” resahin’ity andininy farany ity]; De 14:22-27; 26:1-10) Ankoatra ny anjara sasany natokana ho an’ny mpisorona irery ihany (Le 6:29), dia nahazo nihinana tamin’ny anjaran’ny mpisorona ny zanany lahy sy vavy, ary indraindray koa ny ankohonany, na ny mpanompony mihitsy aza. (Le 10:14; 22:10-13) 6) Ny ampahany tamin’ny ampahafolon’ny vokatra nomena ny Levita sy ny mahantra isaky ny telo taona. (De 14:28, 29; 26:12) 7) Izay azo babo.—No 31:26-30.

Fitafiana. Tsy nanao kapa ny mpisorona rehefa nanao ny andraikiny, satria masina ny toerana masina. (Ampit. Ek 3:5.) Tsy misy resaka kapa ny toromarika momba ny fitafian’ny mpisorona. (Ek 28:1-43) Nanao kilaoty lava vita tamin’ny lamba rongony izy ireo “hanaronan’izy ireo ny fitanjahany ... mba tsy hahameloka azy ka hahafaty azy.” Avy teo amin’ny andilany ka hatreo amin’ny feny ilay kilaoty. (Ek 28:42, 43) Nanao akanjo lava sy fehikibo vita tamin’ny rongony tena tsara izy ireo teo ambonin’ilay izy. Nisy fehiloha koa natao “nihodidina” tamin’ny lohan’izy ireo. (Le 8:13; Ek 28:40; 39:27-29) Toa hafa noho ny satroka lamban’ny mpisoronabe izy io. Ny an’ny mpisoronabe mantsy toa nozairina natao miendrika satroka aloha, vao napetraka teo ambony lohany. (Le 8:9) Toa tatỳ aoriana ny mpisorona lefitra vao nanao efoda rongony indraindray. Tsy natao peta-kofehy toy ny an’ny mpisoronabe anefa ny azy.—Ampit. 1Sa 2:18.

Fitsipika nifehy sy andraikitra. Tokony hadio ny vatan’ny mpisorona ary tokony ho tsara fitondran-tena foana izy. Tsy maintsy nanasa tanana sy tongotra tao amin’ilay kovetabe tao an-tokotany izy ireo, rehefa hiditra tao amin’ny tranolay fihaonana na hanolotra fanatitra teo amin’ny alitara, “mba tsy ho faty.” (Ek 30:17-21; 40:30-32) Tsy nahazo nisotro divay na toaka izy ireo, rehefa nanompo tao amin’ny toerana masina. (Le 10:8-11) Tsy nahazo nikasika faty na nisaona koa izy ireo sao nandoto tena, ka tsy ho afaka nanompo nandritra ny andro vitsivitsy. Afaka nikasika faty na nisaona kosa anefa ny mpisorona lefitra (fa tsy ny mpisoronabe) raha havany akaiky no maty, toy ny hoe ray, reny, zanakalahy, zanakavavy, rahalahy, anabavy mbola virjiny (toa niara-nipetraka taminy na nonina teny akaikiny), ary vady koa angamba. (Le 21:1-4) Naloto ny mpisorona raha lasa boka, na nisy tsiranoka nivoaka tamin’ny filahiany, na nikasika faty na zava-maloto hafa. Tsy nahazo nihinana tamin’ny zava-masina na nanompo tao amin’ny toerana masina àry izy mandra-pahadiony, raha tsy izany dia ho novonoina ho faty.—Le 22:1-9.

Tsy tokony hosolain’ny mpisorona ny lohany, na hoharatany ny sisin’ny volombavany, na hodidididiany ny vatany, satria fanaon’ny mpanompo sampy izany. (Le 21:5, 6; 19:28; 1Mp 18:28) Vehivavy virjiny ihany no azon’ny mpisoronabe nalaina ho vady. Ny mpisorona kosa afaka nanambady mpitondratena, fa tsy vehivavy nisara-bady na mpivaro-tena. (Le 21:7, 8; ampit. Le 21:10, 13, 14.) Asa mendri-kaja ny asa fisoronana, ka tsy maintsy tsara fitondran-tena koa ireo rehetra anisan’ny fianakavian’ny mpisoronabe. Novonoina ho faty, ohatra, ny zanakavavin’ny mpisorona raha nivaro-tena. Nodorana ny fatiny avy eo, satria naharikoriko an’Andriamanitra.—Le 21:9.

Andraikitr’i Arona sy ny zanany lahy ny nanarona ireo fanaka masina sy fitaovana tao amin’ny tranolay fihaonana, rehefa hiainga ny toby tany an-tany efitra, mba tsy ho faty ny Kehatita hafa tonga hilanja an’ireo entana ireo. Nesorin’i Arona sy ny zanany indray ny saron’ireo entana ireo ary naveriny tao amin’ilay tranolay ireo fitaovana, rehefa tonga tany amin’izay nalehany izy ireo. (No 4:5-15) Ny mpisorona kosa no nilanja ny Vata misy ny fifanekena, rehefa teny an-dalana.—Js 3:3, 13, 15, 17; 1Mp 8:3-6.

Ny mpisorona no nitarika ny vahoaka. Izy ireo mantsy no nitsoka ny trompetra masina rehefa tonga na hiainga ny toby, sy rehefa hamory vahoaka, na handeha hiady, na hankalaza fety ho an’i Jehovah. (No 10:1-10) Tsy voantso hanao miaramila ny mpisorona sy Levita, na dia nitsoka trompetra sy nihira teo anoloan’ny tafika aza izy ireo.—No 1:47-49; 2:33; Js 6:4; 2Ta 13:12.

Ireto avy no andraikitry ny mpisorona tao amin’ny toerana masina: Namono ny biby nentin’ny vahoaka hatao sorona, namafy ny ran’izany teo amin’ny alitara, nitetika an’ireo biby, nanao izay hampirehitra foana ny afon’ny alitara, nahandro hena, ary nandray ny fanatitra hafa rehetra, toy ny fanatitra varimbazaha. Izy ireo koa no nikarakara an’izay olona nanjary naloto na nanao voady manokana, sy ny toy izany. (Le toko 1-7; 12:6; toko 13-15; No 6:1-21; Lk 2:22-24) Nikarakara ny fanatitra dorana amin’ny maraina sy ny takariva ary ny fanatitra hafa rehetra natolotra tsy tapaka izy ireo, afa-tsy izay tokony hataon’ny mpisoronabe irery ihany. Nandoro emboka manitra teo amin’ny alitara volamena koa izy ireo. (Ek 29:38-42; No 28:1-10; 2Ta 13:10, 11) Nanapaka ny lahin-jiro izy ireo, nanisy menaka tao anaty jiro mba hirehitra foana ny jiro (Ek 27:20, 21), ary nikarakara ny menaka masina sy ny emboka manitra. (No 4:16) Nitso-drano ny vahoaka koa izy ireo rehefa nisy fivoriana masina, araka ny toromarika nomena azy ireo ao amin’ny Nomery 6:22-27. Tsy tokony hisy mpisorona anefa tao amin’ny toerana masina, rehefa niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe mba hanao fandrakofam-pahotana.—Le 16:17.

Ny mpisorona no nanana andraikitra voalohany hanazava ny lalàn’Andriamanitra. Nandray anjara lehibe tamin’ny fitsarana koa izy ireo. Nanampy ny mpitsara tao amin’ny tanàna nomena azy izy ireo, ary niara-niasa taminy rehefa nisy raharaham-pitsarana sarotra loatra ka tsy voalamin’ny fitsarana teo an-toerana. (De 17:8, 9) Raha nisy maty novonoin’olona nefa tsy fantatra ilay namono, dia tsy maintsy niaraka ny mpisorona sy ny anti-panahy tao an-tanàna mba hijery raha narahina tsara ny toromarika, sao hivesatra trosan-dra ilay tanàna. (De 21:1, 2, 5) Tokony hoentin’ny lehilahy iray saro-piaro tao amin’ny toerana masina ny vadiny, raha nahiahiny ho nanitsakitsaka azy. Nanao fombafomba avy eo ilay mpisorona, ary niangavy an’i Jehovah mba hampihatra avy hatrany ny didim-pitsarany tamin’ilay vehivavy, satria Izy no nahalala raha meloka izy io na tsia. (No 5:11-31) Tsy maintsy nampiharina ny didim-pitsarana navoakan’ny mpisorona na ireo voatendry ho mpitsara. Novonoina ho faty kosa izay ninia tsy nankatò izany.—No 15:30; De 17:10-13.

Nampianatra ny Lalàna ny mpisorona. Novakiny sy nohazavainy tamin’ireo tonga hivavaka tao amin’ny toerana masina izy io. Afaka nampianatra tao amin’ny faritry ny tempoly na tany an-toeran-kafa koa izy ireo, rehefa tsy nanana anjara fanompoana. (De 33:10; 2Ta 15:3; 17:7-9; Ml 2:7) Novorin’i Ezra mpisorona sy ny mpisorona hafa ary ny Levita, ohatra, ny vahoaka tonga tao Jerosalema taorian’ny sesitany tany Babylona. Novakin’izy ireo sy nohazavainy taminy ny Lalàna, nandritra ny ora maromaro.—Ne 8:1-15.

Nanampy an’ilay firenena hadio teo amin’ny lafiny ara-pivavahana sy ho salama ny asa fisoronana. Ny mpisorona mantsy no nilaza raha nadio na naloto izay olona na akanjo na trano nisy habokana, ary nasainy natokan-toerana izay nisy an’ilay aretina. Izy koa no niandraikitra ny fanadiovana an’ireo olona naloto satria nikasika faty na nisy tsiranoka nivoaka taminy.—Le 13-15.

Ahoana no nitsinjarana ny andraikitry ny mpisorona tao amin’ny tempoly?

Notsinjarain’i Davida Mpanjaka ho fizarana 24 ny mpisorona, ka 16 ny avy tamin’ny taranak’i Eleazara, ary 8 ny avy tamin’ny taranak’i Itamara. (1Ta 24:1-19) Mpisorona avy tamin’ny fizarana efatra monja anefa aloha no nody avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 2:36-39) Misy milaza fa notsinjaraina ho fizarana 24 indray ireo fianakaviambe efatra ireo, mba hitohizan’ilay lamina efa nisy teo aloha. Nilaza i Alfred Edersheim fa nanao antsapaka indimy ny fianakaviambe tsirairay mba hahitana hoe fianakaviambe iza tamin’ireo fizarana 20 tsy nody an-tanindrazana no hosoloany. Nampitondraina ny anaran’ireo fianakaviambe teo aloha ihany izy ireo avy eo. (Ny Tempoly, 1874, p. 63) Anisan’ny fizarana fahavalo nisy an’i Abia, ohatra, i Zakaria rain’i Jaona Mpanao Batisa. Raha marina ny fanazavan’i Edersheim, dia mety tsy ho taranak’i Abia i Zakaria, fa mety ho anisan’ilay fizarana nitondra ny anarany fotsiny. (1Ta 24:10; Lk 1:5) Tsy fantatra anefa ny tena marina satria tsy ampy ny fanazavana momba izany.

Samy hafa ny mpiandraikitra an’ireo mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly. Natao antsapaka ny asa sasany. Samy nanompo herinandro tao amin’ny tempoly ireo fizarana 24, izany hoe nanompo tao indroa isan-taona. Ny mpisorona rehetra kosa no nanompo tao rehefa fety satria an’arivony ny fanatitra nataon’ny vahoaka, toy ny tamin’ny fitokanana ny tempoly. (1Ta 24:1-18, 31; 2Ta 5:11; ampit. 2Ta 29:31-35; 30:23-25; 35:10-19.) Nety ho afaka nanompo tamin’ny fotoana hafa koa ny mpisorona, raha tsy nanelingelina ny fanompoana nanendrena ny hafa izany. Maro be ny mpisorona tamin’i Jesosy tetỳ an-tany, hoy ny lovantsofin’ireo raby, ka notsinjaraina tamin’ireo fianakaviana anisan’ny fizarana tsirairay ilay herinandro nanompoana. Nanompo andro iray na maromaro àry ny fianakaviana tsirairay, arakaraka ny isan’ireo fianakaviana.

Ny fandoroana emboka manitra teo amin’ny alitara volamena angamba no mendri-kaja indrindra tamin’ny fanompoana fanao isan’andro. Natao izy io rehefa voatolotra ny fanatitra. Nivavaka tao ivelan’ny toerana masina ny vahoaka, nandritra ny fotoana nandoroana ny emboka manitra. Natao antsapaka hoe iza no hanao an’io fanompoana io, araka ny lovantsofin’ireo raby. Tsy navela handray anjara anefa izay efa nanao azy io, raha tsy hoe efa nanao daholo angaha ny rehetra. (Ny Tempoly, p. 135, 137, 138) Mety ho indray mandeha teo amin’ny fiainany ihany àry ny mpisorona no nanana an’io tombontsoa io. Teo am-pandoroana emboka manitra i Zakaria, no niseho taminy ny anjely Gabriela mba hilaza fa hiteraka zazalahy izy sy Elizabeta. Tsy afa-niteny i Zakaria rehefa nivoaka avy tao amin’ny toerana masina, ka takatry ny olona fa nahita fahitana mahagaga izy. Nanjary fantatry ny rehetra àry izay nitranga tao.—Lk 1:8-23.

Toa isaky ny sabata ny mpisorona no nanolo ny mofo aseho. Tamin’ny sabata koa ny fizarana iray no nahavita ny fanompoany nandritra ny herinandro, ary nandimby azy ny fizarana iray hafa. Tsy nandika ny sabata ireo mpisorona ireo, rehefa nanao izany sy ny andraikiny hafa.—Mt 12:2-5; ampit. 1Sa 21:6; 2Mp 11:5-7; 2Ta 23:8.

Tsy nivadika. Tsy nivadika tamin’ny fanjakan’ireo foko roan’i Joda sy Benjamina ny fokon’i Levy, rehefa nisaraka tamin’ny fanjakan’i Rehoboama ny fanjakan’ny foko folo, ka lasa fanjakana tany avaratra nofehezin’i Jeroboama. Nesorin’i Jeroboama tamin’ny toerany ireo mpisoron’i Jehovah taranak’i Arona, ka lehilahy tsy Levita no notendreny ho mpisorona hanompo an’ireo zanak’omby volamena. (1Mp 12:31, 32; 13:33; 2Ta 11:14; 13:9) Nivadika tamin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mpisorona tany Joda tatỳ aoriana, kanefa nisy ihany indraindray nanampy ny Israelita tsy hivadika tamin’i Jehovah. (2Ta 23:1, 16; 24:2, 16; 26:17-20; 34:14, 15; Za 3:1; 6:11) Lasa tena ratsy toetra ny mpisoronabe tamin’ny andron’i Jesosy sy ny apostoly. Maro ihany anefa ny mpisorona tia an’i Jehovah, satria “mpisorona maro be no nanjary nanaiky ny finoana” taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy.—As 6:7.

Olon-kafa nantsoina hoe “mpisorona.” Antsoina hoe ‘mpisorona’ i Mosesy (Sl 99:6) noho izy mpanelanelana sady voatendry hanamasina an’i Arona sy ny zanany lahy, tamin’izy ireo napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisorona tao amin’ny toerana masina. Nitalaho ho an’ny Israely i Mosesy sady niantso ny anaran’i Jehovah. (No 14:13-20) Nantsoina hoe “mpisorona” koa indraindray ny “manamboninahitra” na ny “manam-pahefana ambony.” Hoy ny 2 Samoela 8:18 momba ny sasany tamin’ireo nitana andraikitra ambony tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka: “Ny zanakalahin’i Davida dia lasa mpisorona.”—Ampit. 2Sa 20:26; 1Mp 4:5; 1Ta 18:17.

Kristianina lasa mpisorona. Nampanantena i Jehovah fa “ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina” ny Israely, raha manaja ny fifanekeny. (Ek 19:6) Hitsahatra anefa ny asa fisoronana nataon’ny taranak’i Arona, rehefa manomboka ilay asa fisoronana lehibe kokoa izay mifanitsy aminy (He 8:4, 5), ary mifarana ny fifaneken’ny Lalàna ka manomboka manan-kery ny fifanekena vaovao. (He 7:11-14; 8:6, 7, 13) Ny Israelita ihany aloha no nasaina ho lasa mpisoron’i Jehovah tao amin’ilay Fanjakana nampanantenainy. Nasaina koa anefa ny hafa firenena tatỳ aoriana.—As 10:34, 35; 15:14; Ro 10:21.

Vitsy ny Jiosy nanaiky an’i Kristy, ka tsy avy tamin’ilay firenena daholo ireo lasa anisan’ilay tena fanjaka-mpisorona sy firenena masina. (Ro 11:7, 20) Nivadika tamin’Andriamanitra ny Israely, ka efa hatry ny ela izy ireo no nampitandremany hoe: “Noho ianao nanda ny fahalalana, dia holaviko tsy ho mpisoroko intsony ianao. Ary noho ianao manadino foana ny lalàn’Andriamanitrao, dia hohadinoiko koa ny zanakao.” (Ho 4:6) Hoy koa i Jesosy tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra voa mendrika an’ilay fanjakana no homena azy.” (Mt 21:43) Teo ambanin’ny Lalàna anefa i Jesosy Kristy tamin’izany. Nilaza tamin’ireo boka nositraniny àry izy mba hiseho tany amin’ny mpisorona sy hanolotra ny fanatitra notakin’ny Lalàna, satria fantany fa mbola tsy nifarana ny asa fisoronan’ny taranak’i Arona.—Mt 8:4; Mr 1:44; Lk 17:14.

Nifarana ny fifaneken’ny Lalàna tamin’ny Pentekosta taona 33, ary nanomboka nanan-kery ny “fifanekena tsara kokoa” na ny fifanekena vaovao. (He 8:6-9) Porofon’izany ny nandatsahan’Andriamanitra ny fanahiny masina. Nohazavain’ny apostoly Petera tamin’ireo Jiosy avy tamin’ny firenena samy hafa tamin’izay, fa tsy maintsy nibebaka sy nanaiky an’i Jesosy Kristy izy ireo raha te ho voavonjy. (As 2; He 2:1-4) Nilaza koa izy tatỳ aoriana fa i Jesosy no vato fehizoro nolavin’ny “mpanao trano” na ny Jiosy. Hoy izy tamin’ny Kristianina: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana.’”—1Pe 2:7-9.

Nanazava i Petera fa “aorina ho trano ara-panahy” ireo Kristianina ireo “mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” (1Pe 2:5) Mpisorona lefitra toa an’ireo zanakalahin’i Arona izy ireo, ary i Jesosy Kristy no Mpisoronabeny. (He 3:1; 8:1) “Sady mpisorona no mpanjaka” hiara-mandova amin’i Kristy anefa izy ireo, fa tsy ho mpisorona fotsiny toy ny taranak’i Arona. Nilaza ny apostoly Jaona fa ‘nafahana tamin’ny fahotany’ ireo mpianatr’i Jesosy Kristy “tamin’ny alalan’ny rany”, ka nataony “ho fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra Rainy.”—Ap 1:5, 6.

Resahin’ny Apokalypsy koa hoe firy ireo mpisorona lefitra. Mihira hira vaovao ireo nataon’i Jesosy Kristy ‘fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitra’ ireo, ary miaiky fa ny ran’i Kristy no nividianana azy. (Ap 5:9, 10) Miisa 144 000 izy ireo, ary ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.’ (Ap 14:1-5) Hatsangana ho any an-danitra ireo mpisorona lefitra ireo ka “ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy”, ary “hiara-manjaka” amin’i Jesosy mandritra ny arivo taona.—Ap 20:4, 6.

Ho lavorary sy haharitra mandrakizay ny asa fisoronan’i Jesosy Kristy sy ireo mpisorona lefitra hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona. Hitondra soa sy fitahiana ho an’ny olona eto an-tany izy io, toy ny asa fisoronana teo amin’ny Israely izay nitondra soa ho an’ilay firenena. (He 8:5) Hampianatra an’ireo firenena ny lalàn’Andriamanitra i Jesosy sy ireo mpisorony (Ml 2:7), hamela tanteraka ny heloky ny olona miorina amin’ny sorom-panavotan’i Kristy Mpisoronabe, hanasitrana ny kilema rehetra (Mr 2:9-12; He 9:12-14; 10:1-4, 10), hanavaka an’izay madio sy maloto eo imason’Andriamanitra, hanala ny fahalotoana rehetra (Le 13-15), hitsara ara-drariny, ary hampihatra eran-tany ny lalàn’i Jehovah (De 17:8-13).

Ny tranolay fihaonana no toerana nonenan’Andriamanitra teo amin’ny olony tany an-tany efitra, sy nahafahan’izy ireo nanatona azy. Ho eo amin’ny olombelona indray ny tranolain’Andriamanitra, mandritra ny arivo taona. Ho akaiky kokoa ny olona anefa izy, ary hitondra soa maharitra kokoa. Hifandray amin’izy ireo mantsy izy, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpisoronabe sy ireo mpisorona lefitra 144 000 manompo ao amin’ny tempoly ara-panahy lehibe izay mifanitsy amin’ny tranolay masina. (Ek 25:8; He 4:14; Ap 1:6; 21:3) Ho sambatra ny olom-pehezin’ireo mpanjaka sady mpisorona ireo, toy ny firenen’Israely fahiny rehefa tsy nivadika tamin’Andriamanitra ny mpanjakany sy ny mpisorony. “Maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny Joda sy ny Israely” tamin’izany, “sady nihinana sy nisotro ary nifaly.” “Nonina tsy amin’ahiahy” koa izy ireo, “ka samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona rehetra.”—1Mp 4:20, 25.

Mpisorona mpanompo sampy. Nanana mpisorona koa ny firenena mpanompo sampy taloha, ary tamin’ny alalan’izy ireny no nanatonany an’ireo andriamaniny. Nohajaina fatratra izy ireny, ary nanana fahefana be foana ka matetika no anisan’ny olona ambony na mpanolo-tsain’ny mpanjaka. Ny mpisorona no olona nahita fianarana indrindra, nefa tsy tiany hanam-pahalalana ny vahoaka. Azony nohararaotiny àry izy ireo, satria ninonino foana sy natahotra an’izay tsy fantany. Nivavaka tamin’ny Reniranon’i Nil, ohatra, ny Ejipsianina ary nihevitra fa ny mpisorony no nomen’andriamanitra fahefana hampisondrotra ny ranon’izy io mba hisian’ny vokatra.

Ny mpisorona israelita kosa namaky foana ny Lalàna sady nampianatra azy io an’ilay firenena manontolo. Tokony hahafantatra an’Andriamanitra sy ny lalàny mantsy ny olona tsirairay. (De 6:1-3) Nahay namaky teny sy nanoratra ny vahoaka, ary nodidian’i Jehovah hamaky ny lalàna sy hampianatra azy io an’ireo zanany.—De 6:4-9.

Tsy notahafin’ny mpisorona israelita. Mbola misy ihany anefa milaza fa naka tahaka ny asa fisoronana sy ny lalàna maro tany Ejipta ny Israelita. Nisy heriny lehibe teo amin’i Mosesy, ilay mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, hono, ny fiainany tany Ejipta sy ny fanabeazana azony tao an-dapan’i Farao, ary ny nianarany “ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina.” (As 7:22) Tsara homarihina anefa fa tsy i Mosesy no namorona ny Lalàna, fa nampita azy io tamin’ny Israely fotsiny izy. I Jehovah Andriamanitra no Mpanome Lalàna azy ireo (Is 33:22), ary anjely no nasainy nampita azy io teo an-tanan’i Mosesy ilay mpanelanelana.—Ga 3:19.

Andriamanitra no namaritra ny tsipiriany rehetra momba ny fivavahan’ny Israely. Nomena an’i Mosesy ny drafitry ny tranolay fihaonana (Ek 26:30), ary nodidiana izy hoe: “Tandremo mba ho araka ny modely naseho anao tatỳ an-tendrombohitra no hanaovanao ny zava-drehetra.” (He 8:5; Ek 25:40) I Jehovah no nanome toromarika momba ny fanompoana rehetra natao tao amin’ny toerana masina. Izany no mahatonga ny Baiboly hamerimberina hoe “araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy” no nataon’i Mosesy sy ny zanak’Israely. “Izany indrindra no nataon’izy ireo.” “Araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy, no nanaovan’ny zanak’Israely ny fanompoana rehetra. Ary nijery ny asa rehetra i Mosesy, ka hitany fa nataon’izy ireo araka izay nandidian’i Jehovah izany. Eny, toy izany no nataon’izy ireo.” “Dia nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy i Mosesy. Eny, izany indrindra no nataony.”—Ek 39:32, 42, 43; 40:16.

Milaza ny mpikaroka momba an’i Ejipta fahiny fa nisy itovizana, hono, ny mpisorona ejipsianina sy ny mpisorona israelita: Samy vita tamin’ny lamba rongony ny akanjony. Noharatan’ny mpisorona ejipsianina ny tenany ary nanao toy izany koa ny Levita (No 8:7; tsy nanao izany anefa ny mpisorona teo amin’ny Israely). Samy nidio koa izy ireo. Midika anefa ve izany fa iray ihany ny niandohan’izy ireo, na naka tahaka ny fanaon’ny mpisorona ejipsianina ny mpisorona israelita? Misy itovizana ny akora sy ny fanamboarana akanjo sy trano ary ny zavatra fanaon’ny olona eran-tany isan’andro (toy ny fisasana), kanefa misy fahasamihafana be koa ny fomba fanaovana izany. Tsy midika anefa izany hoe naka tahaka ny fanaon’ny firenena iray na ny fomba fitafiny na ny fombafombany ara-pivavahana ny hafa.

Be dia be no tsy itovizan’ny mpisorona israelita sy ny mpisorona ejipsianina, raha ny marina. Tsy nanao kapa, ohatra, ny mpisorona israelita, fa ny mpisorona ejipsianina kosa nanao. Hafa tanteraka koa ny didin’akanjon’ny mpisorona ejipsianina, ary nisy famantarana an’ireo andriamani-diso nivavahany ny akanjony sy ny fitaovana nampiasainy. Nosolain’izy ireo ny lohany, tsy toy ny an’ny mpisorona israelita. (Le 21:5) Nanao solovolo izy ireo na nanao satroka tsy nitovy tamin’ny an’ny mpisorona israelita mihitsy, araka ireo soratra hita amin’ireo tsangambato any Ejipta. Noraran’i Jehovah tsy hanaraka ny fombafomban’ny Ejipsianina na ny an’ny firenen-kafa koa ny Israely, na teo amin’ny lafiny fivavahana izany na fitsarana.—Le 18:1-4; De 6:14; 7:1-6.

Tsy mitombina àry ilay filazana hoe naka tahaka ny mpisorona ejipsianina ny mpisorona israelita. Andriamanitra mihitsy no nitaky ny hanaovana sorona sy nanendry mpisorona. Efa hatry ny ela ny olona tsy nivadika no nanao sorona, anisan’izany i Abela, Noa, Abrahama, ary ny loham-pianakaviana hafa. Lasa fantatry ny firenena rehetra izany, saingy novana izany rehefa niala tamin’ilay tena Andriamanitra sy ny fivavahana marina ny olona. Lasa diso sy mamoafady ny fombafomba maro narahin’ny firenena mpanompo sampy, satria tsy nahazo ny tari-dalan’i Jehovah izy ireo na dia efa voajanahary aza ny faniriana hivavaka. Nanjary nanohitra ny fivavahana marina àry izy ireo.

Naharikoriko ny fanaony. Nanohitra an’i Mosesy teo anatrehan’i Farao ireo mpisorona ejipsianina. Nampiasa herin’ny maizina izy ireo mba hanalam-baraka azy sy Jehovah Andriamaniny. (Ek 7:11-13, 22; 8:7; 2Ti 3:8) Voatery niaiky anefa izy ireo hoe resy. (Ek 8:18, 19; 9:11) Ny mpivavaka tamin’i Moleka, andriamanitry ny Amonita, kosa nanao sorona ny zanany lahy sy vavy tao anaty afo. (1Mp 11:5; 2Mp 23:10; Le 18:21; 20:2-5) Nanao zava-maharikoriko toy izany koa ireo Kananita nivavaka tamin’i Bala. Nandidididy ny vatany izy ireo, sady nanaram-po tamin’ny fitondran-tena mamoafady sy fombafomba maharikoriko. (No 25:1-3; 1Mp 18:25-28; Je 19:5) Nanao asan’ny maizina sy nisikidy ny mpisoron’i Dagona, andriamanitry ny Filistinina, sy ireo mpisorona babylonianina nivavaka tamin’i Mardoka sy Bela ary Ishtar. (1Sa 6:2-9; Ezk 21:21; Da 2:2, 27; 4:7, 9) Nivavaka tamin’ny sampy vita tamin’ny hazo sy vato ary metaly izy rehetra ireo. Na i Jeroboama mpanjakan’ireo foko folon’ny Israely aza nanendry mpisorona hanompo an’ireo zanak’omby volamena sy “ireo demonia miendrika osy”, mba tsy hankanesan’ny olona any Jerosalema ka hanarahany ny fivavahana marina.—2Ta 11:15; 13:9; jereo koa MIKA No. 1.

Tsy nankasitrahan’Andriamanitra. Tsy nankasitrahan’i Jehovah mihitsy ireny fomba amam-panao rehetra ireny satria fanompoana ny demonia, raha ny marina. (1Ko 10:20; De 18:9-13; Is 8:19; Ap 22:15) Naetry ireo andriamanitra ireo sy ny mpisorony isaky ny nanohitra nivantana an’i Jehovah. (1Sa 5:1-5; Da 2:2, 7-12, 29, 30; 5:15) Novonoina ho faty ny mpisorony sy ny mpaminaniny matetika. (1Mp 18:40; 2Mp 10:19, 25-28; 11:18; 2Ta 23:17) Ny mpisorona taranak’i Arona ihany no nankasitrahan’i Jehovah, raha mbola nanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna. Mifanitsy amin’ny asa fisoronan’i Arona anefa ny an’i Jesosy Kristy, izay Mpisoronabe tahaka an’i Melkizedeka. Midika izany fa amin’ny alalan’ny asa fisoronan’i Jesosy ihany no ahafahana manatona an’i Jehovah. (As 4:12; He 4:14; 1Jn 2:1, 2) Tsy heken’ireo tena mpivavaka amin’Andriamanitra izay mpisorona manohitra an’io Mpanjaka sady Mpisorona notendren’Andriamanitra io sy ny mpisorony lefitra.—De 18:18, 19; As 3:22, 23; Ap 18:4, 24.

Jereo MPISORONABE.