Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitan-tsabatra

Mpitan-tsabatra

Anisan’ny antoko politika jiosy nafana fo tafahoatra sady mpamono an’izay nanohitra azy, tamin’ny taonjato voalohany. Nirotahan’ny Jiosy ny apostoly Paoly tamin’izy tany Jerosalema farany. Noheverin’i Klaodio Lysia mpitari-tafika hoe izy ilay Ejipsianina nandrisika olona hikomy sady nitondra “mpitan-tsabatra” 4000 ho any an-tany efitra.​—As 21:30-38; 23:26, 27.

Midika ara-bakiteny hoe “lehilahy anisan’ny Sicarii” ny teny grika ho an’ny hoe “mpitan-tsabatra.” Ny teny latinina hoe sicarii, izay avy amin’ny hoe sica (sabatra), no niavian’ilay teny grika nadika hoe “Sicarii” (sikariôi).

Niharoharo tamin’ny olona tao Jerosalema ireo “mpitan-tsabatra” na Sicarii, indrindra rehefa fety, ary notsatohany tamin’ny sabatra nafeniny tao anaty akanjo ny fahavalony, tamin’ny andro antoandro, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara. Mody tezitra noho ilay vonoan’olona koa izy ireo, mba tsy hisy hiahiahy azy. Nilaza koa i Josèphe fa ny Sicarii no nitarika ny fikomiana tamin’i Roma. Azon’ireo Sicarii notarihin’i Eleazara zanak’i Jairo ny tobin’ny Romanina tao Masada, ka naripany ny miaramila tao, tamin’ny taona 66. Nikomy tamin’i Roma foana ireo tia tanindrazana nafana fo tafahoatra ireo, hatramin’ny taona 73. Tamin’izay no tafiditra tao Masada ny Romanina, nefa tsy nila nanafika an’ilay toerana voaro mafy akory. Tsy te ho voasambotra mantsy ireo Sicarii ka nifamono sy namono tena. Nisy 960 ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy maty, afa-tsy ny vehivavy 2 sy ankizy 5 izay niafina tao anaty lava-bato.