Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitan-tsoratra

Mpitan-tsoratra

Olom-panjakana mahay manoratra izay voatendry handray an-tsoratra. Azo adika koa hoe “mpanoratra” na “mpanao dika soratra” ny hoe sôfer (heb.).

Nisy olona ambony azo nitokisana tao an-dapa tany Israely indraindray, ary nantsoina hoe “mpitan-tsoratry ny mpanjaka” na “mpitan-tsoratra” izy io. (2Ta 24:11; 2Mp 19:2) Tsy hoe mpandray an-tsoratra fotsiny anefa izy na mpanao dika soratra ny Lalàna. (Mpts 5:14; Ne 13:13; ampit. 2Sa 8:15-18; 20:23-26; jereo MPANAO DIKA SORATRA; MPANORA-DALÀNA.) Mety ho nikarakara ny toe-bola (2Mp 12:10, 11) sy nisolo tena ny mpanjaka koa izy, toy ny ataon’ny ‘minisitry ny raharaham-bahiny.’ (Is 36:2-4, 22; 37:2, 3) Mpitan-tsoratra ny “tompon’andraiki-panjakana” roa tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka.​—1Mp 4:2, 3; ampit. 2Ta 26:11; 34:13.

Miresaka momba “ny mpitan-tsoratry ny lehiben’ny tafika” (2Mp 25:19; Je 52:25) sy ny “mpitan-tsoratry ny Levita” (1Ta 24:6) koa ny Baiboly. Mpitan-tsoratr’i Jeremia i Baroka.​—Je 36:32.