Mpitari-tafika
Midika hoe “mpifehy miaramila 1000” ny teny grika hoe kiliarkôs, ary ilazana mpitari-tafika romanina, afa-tsy ao amin’ny Apokalypsy. Nanana mpitari-tafika enina avy ny andian-tafika romanina. Tsy samy nifehy ampahany tamin’ilay andiany akory izy enina. Nandeha tsiroaroa ireo mpitari-tafika, ka nibaiko an’ilay andiany nandritra ny roa volana nisesy ny mpitari-tafika roa.—Jereo TAFIKA (Romanina).
Nanana fahefana be ny mpitari-tafika: Nifidy sy nanendry manamboninahitra izy, nitsara miaramila sy afaka nanameloka ho faty, ary nanana miaramila maromaro nanampy azy sy natao irakiraka. Ilay akanjo rebareba misy sisiny volomparasy sy ny peratra volamena nanaovany no namantarana azy. Ny vahoaka no nanendry azy taloha, fa ny Antenimieran-doholona sy ny manam-pahefana (miaramila na tsia) kosa tatỳ aoriana. Tokony ho efa folo taona izy no miaramila mpandeha an-tongotra, na efa dimy taona no miaramila mpitaingin-tsoavaly. Neken’i Aogosto ho mpitari-tafika koa ny zanaky ny mpikambana tao amin’ilay antenimiera. Tsy nisy navelan’i Tiberio hanendry mpitari-tafika kosa ankoatra ny tenany.
Anisan’ny vahiny manan-kaja nijery an’i Salome nandihy ny mpitari-tafika, tamin’i Heroda nankalaza ny andro nahaterahany. Tsy sahy nivadika tamin’ny fianianany àry i Heroda fa matin-kenamaso, ka nasainy notapahina ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa. (Mr 6:21-26) Nisy mpitari-tafika tamin’ireo miaramila nisambotra an’i Jesosy.—Jn 18:12.
Mpitari-tafika tao amin’ny toby miaramilan’i Jerosalema i Klaodio Lysia (taona t. 56). Izy no namonjy an’i Paoly tamin’izy io nirotahan’ny vahoaka, sy saika nifandroritan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Nanoratra momba an’i Paoly tany amin’i Feliksa Governora koa izy rehefa nandefa azy an-tsokosoko tany Kaisaria. (As 21:30–24:22) Nisy mpitari-tafika niaraka tamin’i Heroda Agripa II, tamin’i Paoly niseho teo anatrehany.—As 25:23.
Anisan’ireo haringan’Andriamanitra ny “mpitari-tafika”, araka ny fahitan’i Jaona.—Ap 6:15; 19:18.