Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitondratena

Mpitondratena

Vehivavy maty vady ka tsy nanambady indray. Tsy voafatotry ny fanambadiana intsony ny vehivavy raha maty ny vadiny, ka afaka manambady indray izy raha tiany. (Rt 1:8-13; Ro 7:2, 3; 1Ko 7:8, 9) Toy izao no fanao talohan’ny nisian’ny Lalàn’i Mosesy sy taorian’izany raha nisy lehilahy maty tsy niteraka: Ny rahalahiny no tsy maintsy nanambady ny vadiny ka izay zaza naterak’ireo no hamelo-maso an’ilay maty.​—Ge 38:8; De 25:5-10; Rt 4:3-10; jereo LOLOHA.

Afaka nody tany an-tranon-drainy ny vehivavy rehefa lasa mpitondratena. (Ge 38:11) Nilaza ny Lalàna fa raha zanakavavin’ny mpisorona no lasa mpitondratena na nisarahan’ny vadiny, dia nahazo nihinana tamin’ny sakafo tao an-tranon-drainy izy, izany hoe tamin’ny ampahafolon-karena nomena ny mpisorona. Tsy ho lasa mahantra izy noho izany, ka tsy ho afa-baraka ny mpisorona. (Le 22:13) Nisy lalàna koa natao ho an’ireo mpitondratena hafa tsy nisy mpamelona na mpiaro: Nanan-jo hanangona ny vokatra navelan’ny mpijinja teny an-tsaha izy ireo, ary hioty ny oliva sy voaloboka sisa tavela teny. (De 24:19-21) Nifaly tamin’ny fanasambe tamin’ny fety fanao isan-taona koa izy ireo (De 16:10-14), ary nahazo anjara tamin’ny ampahafolon’ny vokatra naterin’ny olona isaky ny taona fahatelo (De 14:28, 29; 26:12, 13).

Nikarakara ny mpitondratena i Jehovah sy Kristy. Nilaza i Jehovah fa izy no “manome rariny ho an’ny kamboty ray sy ny mpitondratena.” (De 10:18) Nanome lalàna hentitra izy mba hanaovana ny rariny sy ny hitsiny amin’ny mpitondratena. (Ek 22:22-24; De 24:17) Voaozona izay miangatra rehefa mitsara mpitondratena. (De 27:19) Nanazava ny fomba tokony hitondrana ny mpitondratena ny mpaminany.​—Is 1:17, 23; 10:1, 2; Je 22:3; Ezk 22:7; Za 7:9, 10; Ml 3:5.

Nomelohin’i Jesosy ny mpanora-dalàna hoe ‘nandany ny tao an-tranon’ny vehivavy mpitondratena’ teo amin’ny Israely izy ireo. Hita amin’izany fa niahy ny mpitondratena izy.​—Mr 12:38-40; Lk 20:46, 47.

Nanampy ny mpitondratena ny Kristianina. Nisy vonjy rano vaky teo anivon’ny fiangonana kristianina taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, ka nizarana sakafo isan’andro ireo tsy nanana. Natao tsirambina anefa ny mpitondratena niteny grika. Tsy nohamaivanin’ny apostoly izany rehefa nampahafantarina azy ireo. Nanendry “fito lahy” àry izy ireo, ka “izay tsara laza sady feno fanahy masina sy fahendrena” no nofidina mba hanamarina raha nozaraina tsy nisy fiangarana ny sakafo.​—As 6:1-6.

Nohazavain’ny apostoly Paoly tsara ny fomba tokony hikarakarana ny mpitondratena teo anivon’ny fiangonana kristianina. (1Ti 5:3-16) Izay mpitondratena tsy nanana na inona na inona no tokony hokarakarain’ny fiangonana. Raha nanan-janaka na zafy anefa izy, dia adidin’izy ireo ny nanome izay nilainy. Hoy i Paoly: “Raha misy vehivavy mpino manan-kavana mpitondratena, dia aoka izy hanampy azy. Ary aza ampitondraina enta-mavesatra ny fiangonana, mba ho afaka hanampy an’ireo tena mpitondratena tokoa [izany hoe ireo tena tsy misy mpiahy].” Tokony hampidirina ao amin’ny lisitry ny mpitondratena mendrika hahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana “ny mpitondratena maherin’ny enimpolo taona” raha nalaza ho tsara fitondran-tena, nahafoy tena foana ho an’i Jehovah, mpampiantrano vahiny, ary be fitiavana. Nampirisika ny vehivavy mpitondratena tanora kosa i Paoly mba hanambady indray, ka hiteraka sy hitondra tokantrano. Amin’izay izy ireo dia tsy harehitry ny filan’ny nofo ary tsy ho “lasa zatra tsy manao na inona na inona” na ho lasa “mpifosafosa sy mitsabaka amin’ny fiainan’ny olona.”

Nilaza i Jakoba rahalahin’i Jesosy fa tena zava-dehibe ny mikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriany. Izany no takin’Andriamanitra amin’ny fivavahana lazainy hoe madio sy tsy misy loto. Nasehony fa mitovy amin’ny hoe miaro tena hatrany tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao izany.​—Jk 1:27.

Anisan’ny mpitondratena nanana finoana niavaka i Tamara (Ge 38:6, 7), Naomy sy Rota (Rt 1:3-5), Abigaila (1Sa 25:37, 38, 42), ilay mpitondratena tany Zarefata (1Mp 17:8-24), ary Ana mpaminanivavy (Lk 2:36, 37; ampitahao izay nolazain’i Lioka momba an’i Ana sy izay nolazain’i Paoly momba ny mpitondratena mendrika ao amin’ny 1Ti 5:3-16). Teo koa ilay mpitondratena tsy fantatra anarana izay noderain’i Jesosy noho izy nandrotsaka an’izay rehetra nananany ho fanomezana tao amin’ny tempoly.​—Mr 12:41-44.

Mpitondratena an’ohatra. Oharina amin’ny mpitondratena ny tanàna nolavin’i Jehovah sy lasa lao. (Ft 1:1; ampit. Je 51:5.) Izany no hanjo an’i Babylona Lehibe, ilay “tanàna lehibe izay mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany.” Mirehareha toa an’i Babylona fahiny, izy io hoe tsy ho lasa mpitondratena izany mihitsy. Tena ho lasa “mpitondratena” toa an’i Babylona fahiny anefa izy io.​—Is 47:8, 9; Ap 17:18; 18:7, 8.