Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitoriteny

Mpitoriteny

Kôhelet (midika hoe “Mpamory na Mpanangona na Mpampiantso vahoaka”) no iantsoana an’ilay boky ao amin’ny Baiboly hebreo. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa nandika an’io anarana io hoe Ekklesiastes, izay midika hoe “olona anisan’ny fiangonana na fivoriambe.” Mahalaza tsara ny andraikitry ny mpanjakan’ny Israely ny teny hebreo hoe Kôhelet. (Mpto 1:1, 12) Andraikiny mantsy ny nanampy an’ilay vahoaka tsy hivadika amin’ilay tena Mpanjakany sy Andriamaniny. (1Mp 8:1-5, 41-43, 66) Mpanjaka tsara àry izay nitarika an’ilay firenena hanompo an’i Jehovah. Mpanjaka ratsy kosa izay tsy nanao izany. (2Mp 16:1-4; 18:1-6) Efa nisy fotoana i Solomona, mpamory vahoaka, namory ny Israely sy ny vahiny tao amin’ny tempoly. Nanoratra ny Mpitoriteny koa izy mba hampirisihana ny vahoakan’Andriamanitra hiala amin’ny asa tsy misy dikany sy tsy mahasoa eto amin’ity tontolo ity, fa hanao kosa an’ireo asa ankasitrahan’ilay Andriamanitra nanokanan’izy ireo tena.

Mpanoratra. I Solomona irery no “zanak’i Davida” ‘mpanjakan’ny Israely tany Jerosalema.’ (Mpto 1:1, 12) Tsy nanjaka teo amin’ny Israely manontolo mantsy ireo nandimby azy. I Solomona ilay mpanjaka nalaza noho ny fahendrena tsy nanan-tsahala nananany. (Mpto 1:16; 1Mp 4:29-34) Nanorina zavatra maro izy (Mpto 2:4-6; 1Mp 6:1; 7:1-8) ary namorona ohabolana (Mpto 12:9; 1Mp 4:32). Mpanefohefo koa izy. (Mpto 2:4-9; 1Mp 9:17-19; 10:4-10, 14-29) Miresaka momba ny asa fanorenana nataony ilay boky, ka tsy maintsy ho taorian’izay vao nosoratana izy io. Mbola tsy “nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah” anefa izy tamin’izany. (1Mp 11:6) Talohan’ny 1000 T.K. àry ilay boky no nosoratana tany Jerosalema. I Solomona tokoa no nanoratra azy io, satria izy no mpanjaka nanan-karena indrindra sady angamba anisan’ny nahara-baovao indrindra tamin’izany. Nampita vaovao sy nampahafantatra ny momba an’ireo olona tany an-tany hafa mantsy ireo tantsambo sy mpivarotra nampiasainy, ary ireo olona ambony tonga nitsidika azy.​—1Mp 9:26-28; 10:23-25, 28, 29.

Anisan’ny Soratra Masina. Eken’ny Jiosy sy ny Kristianina ho anisan’ny Soratra Masina ny Kôhelet na Mpitoriteny. Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly koa izy io. Resahiny, ohatra, fa vovoka no namoronana ny vatan’ny olona, nasian’Andriamanitra hery mamelona tao anatiny, ary ny fofonaina no mihazona an’ilay hery. (Mpto 3:20, 21; 12:7; Ge 2:7; 7:22; Is 42:5) Hamafisiny fa mahitsy fo ny olona tamin’ny vao noforonina, saingy naleony tsy nankatò an’Andriamanitra. (Mpto 7:29; Ge 1:31; 3:17; De 32:4, 5) Ekeny koa fa Andriamanitra no Mpamorona. (Mpto 12:1; Ge 1:1) Mitovy izay lazainy sy izay lazain’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly momba ny maty. (Mpto 9:5, 10; Ge 3:19; Sl 6:5; 115:17; Jn 11:11-14; Ro 6:23) Ampirisihiny koa ny olona hanompo sy hatahotra an’Andriamanitra. Averiny in-32 ny hoe haʼElôhim (“ilay tena Andriamanitra”; jereo Fanazavana Fanampiny [TV], p. 1861). Ahitana ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Mpitoriteny 2:24, ao amin’ny Peshitta syriàka sy ny Targoma Jiosy. Misy milaza fa mifanohitra ny voalazan’ilay boky. Tsy takatr’izy ireo anefa fa imbetsaka izy io no mampifanohitra ny fihevitry ny olona sy ny fahendren’Andriamanitra. (Ampit. Mpto 1:18; 7:11, 12.) Tokony hiezaka hahazo ny hevitr’izay voasoratra àry ilay mpamaky sady hitadidy ny votoatin’ilay boky.

[Efajoro, pejy 524]

HEVITRA MISONGADINA: MPITORITENY

Momba an’ireo asa tsy misy dikany sy ireo asa mendrika ny hatao

Nosoratan’i Solomona tamin’ny taona faramparany nanjakany, rehefa avy nanao an’ireo zavatra maro notanisainy izy

Poakaty ny fiainana ikatsahana zava-poana

Zava-poana ny zava-drehetra amin’ny olona araka ny nofo; mifandimby ny taranaka, ary miverimberina sy mandreraka ireo tsingerina voajanahary (1:1-11)

Mety hampitombo fahoriana ny fitomboan’ny fahendren’olombelona; tsy azo ahitsy izay mibilaka (1:12-18)

Toy ny misambo-drivotra izay mikatsaka fahafinaretana sy harena (2:1-11, 26)

Aleo fahendrena toy izay hadalana, nefa samy ho faty ny hendry sy ny adala ary samy hohadinoina (2:12-16)

Voa mafy izay miasa mafy mandritra ny androm-piainany nefa havelany ho an’olona tsy hankasitraka izany akory ny fananany rehetra (2:17-23)

Miverimberina matetika ny zava-mitranga eto an-tany, ary maro aminy no tsy voafehin’ny olombelona (3:1-9)

Ho faty ny rehetra, na olona na biby (3:18-22)

Maro ny fampahoriana ary hitohy foana izany raha ny fahitan’ny olona azy (4:1-3)

Zava-poana ny asa mafy sy ny fahaizana raha tia mifandrafy na te hanangon-karena, ary adala ny olona kamo (4:4-8)

Mety ho zava-poana koa ny fiainan’ny mpitondra (4:13-16)

Tsy mahafa-po ny mangoron-karena satria mety tsy hahitan’ny tompony tory; havelany ho an’ny hafa daholo izany rehefa maty izy (5:9-17)

Mety tsy hifaly amin’ny fananany maro be ny olona iray, noho ny aretina na faniriana tsy tanteraka, ohatra (6:1-12)

Mitovy ny iafaran’ny marina sy ny ratsy fanahy: Samy ho faty; misy àry manaram-po amin’ny fanaovan-dratsy (9:2, 3)

Hamavoina indraindray ny fahendren’ny mahantra (9:13-18)

Malaza ratsy izay manaram-po amin’ny hadalana; mahatonga loza ho an’ny tenany sy ny hafa ny olona tsy mahay mitondra (10:1-19)

Zava-poana ny fotoana maha zatovo sy ny fahatanorana; mety tsy hatanjaka foana ny tanora (11:10)

Zava-poana ny zava-drehetra ho an’izay olona tsy mahatsiaro ny Mpamorona azy mandritra ny androm-piainany! (12:8)

Zavatra mendrika ny hatao sy mampisy heviny ny fiainana

Mifalia amin’izay nisasaranao, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra izany (2:24, 25; 5:18-20)

Tsara daholo izay nataon’Andriamanitra; afaka ny ho velona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny olombelona (3:10-13)

Tsy voaovan’ny olona ny toe-piainana eto an-tany raha mbola avelan’Andriamanitra hisy na koa mifanaraka amin’ny fikasany; miandrasa Azy fa hitsara amin’ny fotoana voatondrony Izy (3:14-17; 5:8)

Aleo miara-miasa toy izay miasa irery (4:9-12)

Hihaino tsara an’Andriamanitra sy hanefa ny voady natao taminy ireo matahotra Azy (5:1-7)

Zava-dehibe ny laza tsara nefa tadidio fa fohy ny fiainana ahafahana mahazo izany; mahasoa ny faharetana, sarobidy kokoa ny fahendrena, ekeo izay avelan’Andriamanitra hitranga (7:1-15)

Aza manao zavatra tafahoatra fa matahora an’Andriamanitra; aza manahy be ny amin’izay lazain’ny hafa; halaviro ny fandriky ny mpivaro-tena (7:16-29)

Mankatoava lalàna; mifalia foana amin’ny fiainana na dia misy aza manjakazaka ka mampiditra loza amin’ny hafa ary manao ny tsy rariny; tadidio fa ho tsara fiafara ireo matahotra an’Andriamanitra; tsy voatery ho takatrao daholo ny antony anaovan’Andriamanitra zavatra sy amelany zavatra sasany hitranga (8:1-17; 10:20)

Eo an-tanan’Andriamanitra ny olo-marina sy ny hendry, samy hahazo valisoa; tsy mahalala sy tsy afaka manao na inona na inona ny maty, ka ataovy izay hahazoana sitraka amin’Andriamanitra dieny mbola velona; ankafizo ny fiainana nefa manaova ny tsara (9:1, 4-12)

Miezaha foana halala-tanana sy hanao ny tsara; tsy fantatra izay avoakan’ny ampitso nefa aza atao sakana izany (11:1-8)

Mifalia, ry tanora, nefa aza hadinoina fa mbola ampamoahin’Andriamanitra ianao; tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao, dieny mbola velona sy tsy osa ary tsy antitra (11:9; 12:1-7)

Ireo boky ahitana ny fahendren’i Jehovah Andriamanitra ilay “mpiandry iray” no mahasoa indrindra (12:9-12)

Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny; hitany daholo izay ataontsika, ary hotsarainy ny asa rehetra ataontsika (12:13, 14)