Mpitsara
1. Lehilahy notendren’i Jehovah mba hanafaka ny vahoakany, tamin’ny mbola tsy nisy mpanjaka olombelona teo amin’ny Israely. (Mpts 2:16) Nitsara ny Israely nandritra ny 40 taona i Mosesy, ilay mpanelanelana tamin’ny fifaneken’ny Lalàna sady mpitarika notendren’Andriamanitra. Tsy nanomboka anefa ilay antsoina hoe andron’ny Mpitsara, raha tsy tamin’ny andron’i Otniela, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Josoa, ka hatramin’ny andron’i Samoela mpaminany. Matetika anefa no tsy isaina ho anisan’ireo Mpitsara ireo i Samoela. Tokotokony ho 300 taona àry ny faharetan’ny andron’ny Mpitsara.—Mpts 2:16; As 13:20.
Avy tamin’ny foko samihafa teo amin’ny Israely ireo mpitsara nofidin’i Jehovah sy notendreny. Ireto
avy ireo mpitsara 12 voatonona anarana teo anelanelan’i Josoa sy Samoela (tsy anisan’ireo i Debora):Mpitsara
Foko
Otniela
Joda
Ehoda
Benjamina
Samgara
(?)
Baraka
Naftaly (?)
Gideona
Manase
Tola
Isakara
Jaira
Manase
Jefta
Manase
Ibzana
Zebolona (?)
Elona
Zebolona
Abdona
Efraima
Samsona
Dana
Tsy voafaritra mazava tsara ny toerana sy ny daty nanaovan’ny mpitsara tsirairay ny asany. Mety ho niara-nitsara ny sasany, saingy tany amin’ny faritra samihafa teo amin’ny Israely, ary nisy fampahoriana teny anelanelan’ny fotoana nanaovan’izy ireny ny asany.—Jereo SARINTANY Boky 1, p. 743; FITSARANA; ANDRO FITSARANA; ny anaran’ny mpitsara tsirairay teo amin’ny Israely.
2. Olona mpamoaka didim-pitsarana. Miresaka momba ny fahadisoana “tokony hotsarain’ny mpitsara” ny Joba 31:11, 28. Ny Baiboly frantsay nadikan’i Liénart kosa manao hoe “heloka bevava” (and. 11) sy “heloka mahavoasazy” (and. 28). Fanitsakitsaham-bady (and. 9, 10) ilay “fahadisoana” resahin’ny andininy faha-11. Azo notsaraina teo anatrehan’ny anti-panahy teo am-bavahadin’ny tanàna izay nanao izany, tamin’ny andron’i Joba. (Ampit. Jb 29:7.) Fitiavan-karena sy fanompoan-tsampy natao tao amin’ny miafina (and. 24-27) kosa ilay “fahadisoana” resahin’ny andininy faha-28. Ao an-tsaina sy ao am-po ilay izy, ka tsy misy vavolombelona afaka miampanga na mpitsara olombelona afaka manameloka. Toa niaiky anefa i Joba fa afaka mitsara sy manameloka an’izay nanao an’ireo fahadisoana lehibe ireo Andriamanitra.