Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpivaro-tena

Mpivaro-tena

Matetika izany no iantsoana ny vehivavy manao firaisana amin’olona tsy vadiny, indrindra raha ataony fikaramana ilay izy. Avy amin’ny fototeny midika hoe “mivarotra” mihitsy aza ilay teny grika hoe pôrne (mpivaro-tena; mpijangajanga). (Ap 17:1) Ilay teny hebreo hoe zôhnah (mpivaro-tena) kosa avy amin’ilay matoanteny fototeny hebreo hoe zanah, izay midika hoe “mivaro-tena; manao firaisana tsy ara-dalàna; mijangajanga.”

Efa hatrany am-boalohany no tsy nankasitrahan’Andriamanitra ny fivarotan-tena. Nametraka fitsipika lavorary mantsy izy tamin’ny andro nanambadian’i Adama an’i Eva, tao Edena. Hoy izy: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Ge 2:24) Nanana vadikely na vady maro ihany anefa ny olona sasany fahiny, eny fa na dia ny mpanompon’Andriamanitra aza. Noleferiny izany mandra-pahatongan’ny fotoana namerenan’i Jesosy Kristy an’ilay fitsipika momba ny fanambadiana, izany hoe tamin’i Jesosy nanonona an’ilay tenin-dRainy etsy aloha. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa mifehy ny fiangonana kristianina koa io fitsipika io, ka mandika azy io izay Kristianina manao firaisana amin’ny mpivaro-tena satria ho lasa “vatana iray” aminy.​—Mt 19:4-9; 1Ko 6:16.

Izay nataon’i Joda zafiafin’i Abrahama no ahalalana ny fiheveran’ny mpanompon’Andriamanitra fahiny ny fivarotan-tena. Mpivahiny nonina tany Kanana i Joda, ary noleferina ny fivarotan-tena tany. Mody niseho ho mpivaro-tena i Tamara vinantovaviny, vady navelan’i Era zanany lahy, ka nanao firaisana taminy i Joda. Bevohoka àry i Tamara, ka nisy nilaza tamin’i Joda hoe: “Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka bevohoka tamin’ny fivarotan-tenany.” Nasain’i Joda nodorana izy, izany hoe novonoina ho faty aloha vao nodorana toy ny zava-maharikoriko. Noheverina ho efa vadin’i Sela zanakalahin’i Joda mantsy i Tamara. Fantatr’i Joda ihany ny marina rehetra avy eo, izany hoe fantany fa nanao firaisana tamin’izay noheverina ho mpivaro-tena izy. Tsy nanamarin-tena anefa izy. Hoy kosa izy momba an’i Tamara: “Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Sela zanako lahy.” Tsy nanome tsiny an’i Tamara koa izy raha nitady taranaka avy aminy i Tamara, rehefa nahita fa tsy nomeny azy i Sela zanany lahy mba hitondra loloha azy.​—Ge 38:6-26.

Teo ambanin’ny Lalàna. Hoy ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita: “Aza manala baraka ny zanakao vavy amin’ny fandefasana azy hivaro-tena, sao hivaro-tena koa ny mponina eo amin’ilay tany, ka hanjakan’ny fitondran-tena baranahiny ilay tany.” (Le 19:29) Voararan’ny didy fahafito ny fanitsakitsaham-bady (Ek 20:14; De 5:18), ka novonoina ho faty na ilay lehilahy na ilay vehivavy nanao izany. (Le 20:10) Novonoina ho faty izay zazavavy nilaza hoe virjiny ka nanambady, nefa avy eo hita hoe nandainga. (De 22:13-21) Novonoina ho faty koa ny zazavavy efa fofombadin’olona nefa nijangajanga tamin-dehilahy hafa. Noheverina ho nanitsakitsa-bady mantsy izy. (De 22:23, 24) Raha nijangajanga ny zazavavy mbola tsy nanana fofombady, dia tsy maintsy nanambady azy ilay lehilahy nanadala azy, raha tsy hoe nitsipaka izany angaha ny rain-drazazavavy.​—Ek 22:16, 17; De 22:28, 29.

Noho izany sy noho ny antony hafa koa, dia saika vehivavy hafa firenena avokoa ny mpivaro-tena teo amin’ny Israely, na dia nisy ihany aza naningana. Imbetsaka ny bokin’ny Ohabolana no mampitandrina momba ny “vehivavy vahiny” sy ny “vehivavy hafa firenena” izay nitaona lehilahy hijangajanga.​—Oh 2:16; 5:20; 7:5; 22:14; 23:27.

Noraran’ny Lalàna tsy hanambady vehivavy mpivaro-tena ny mpisorona. Raha nivaro-tena ny zanakavavin’ny mpisorona, dia novonoina ho faty ary avy eo nodorana. (Le 21:7, 9, 14) Tsy azo nekena ho fanomezana tao amin’ny tranon’i Jehovah ny “karaman’ny mpivaro-tena” satria zava-maharikoriko amin’i Jehovah izany.​—De 23:18.

Nisy mpivaro-tena roa vavy notsarain’i Solomona, ary tamin’izay no nahitana hoe hendry sy nahira-tsaina izy, ka nahazo toky ny vahoaka hoe tena mety ny nandovany ny seza fiandrianan’i Davida teo amin’ny Israely. Angamba tsy hain’ireo mpitsara ambaratonga ambany kokoa io raharaha io, ka nentina tany amin’ny mpanjaka. (De 1:17; 17:8-11; 1Sa 8:20) Tsy asa fiveloman’izy roa vavy angamba ny fivarotan-tena, fa mety ho nijangajanga izy ireo. Mety ho Jiosy izy ireo, nefa azo inoana kokoa hoe vehivavy hafa firenena.​—1Mp 3:16-28.

Mpivaro-tenan’ny tempoly. Tena nampiavaka ny fivavahan-diso ny fisian’ny mpivaro-tenan’ny tempoly. Nilaza i Hérodote (I, 199) mpahay tantara fa “ny fombafomba nahatsiravina indrindra tany Babylona, dia ny fanerena ny vehivavy hipetrapetraka tao amin’ny tempolin’i Afrodita, indray mandeha teo amin’ny fiainany, mba hanao firaisana tamin’olon-tsy fantatra.” Nanana mpivaro-tenan’ny tempoly koa ny fivavahana tamin’i Bala sy Astarta ary tamin’ireo andriamanitra sy andriamanibavy hafa tany Kanana sy tany an-tany hafa.

Lasa nanana lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly ny fivavahana nihataka tamin’ny fahamarinana.​—1Mp 14:23, 24; 15:12; 22:46.

‘Lalana mankany amin’ny fahafatesana.’ Mitantara ny zavatra hitany i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Ohabolana toko fahafito. Tantarainy ao ny fanaon’ny mpivaro-tena sy ny vokany eo amin’izay voafandriny. Nilaza izy fa nanaraka lalana akaikin’ny tranon’ny mpivaro-tena ny tovolahy iray, rehefa ho alina ny andro. “Tsy ampy saina” ilay tovolahy, hoy izy, ary tsy malina sady tsy nisaina tsara. (Jereo FO.) Nanao akanjo tena tsy maotina ilay mpivaro-tena, ary niandriandry an’ilay tovolahy ka nanatona azy. Nanao teny malefaka sy niangolangola ilay vehivavy, nefa raha ny marina dia fetsy sy mafy loha ary nahay niresaka izy. Mody niseho ho olo-marina izy, ka nilaza fa nanao sorona iombonana tamin’io andro io (te hilaza izy fa nisy hanim-pito loha tao an-tranony, satria rehefa nanao sorona iombonana ny olona dia nahazo anjara tamin’izany izy sy ny fianakaviany).​—Oh 7:6-21.

Babo tanteraka àry ilay tovolahy ka tsy afa-niala intsony fa voatarika hanota niaraka tamin’ilay vehivavy. Tsy nisaina intsony ilay tovolahy ka lasa nanaraka azy “toy ny omby entina hovonoina”, ary toy ny lehilahy nasiana gadra vy ka tsy afa-mandositra ny famaizana miandry azy. Nilaza i Solomona fa tsy hijanona ilay tovolahy “mandra-pitsatoky ny zana-tsipìka eo amin’ny atiny”, izany hoe ho voa izy ka sady ho simba tanteraka ny fifandraisany amin’i Jehovah no ho faty izy. Tsy vitan’ny hoe mety ho voan’ny areti-mifindra mahafaty izay azo avy amin’ny firaisana izy (rakotry ny bakteria ny atin’ny olona voan’ny tety efa mihombo be), fa tsy fantany koa hoe “haningotra ny ainy izany.” Simba tanteraka mantsy ny fiainany, sady nanao fahotana lehibe teo anatrehan’Andriamanitra izy. Nofaranan’i Solomona toy izao ilay fitantarana: “Lalana mankany amin’ny Fasana ny tranony [tranon-dravehivavy], ary midina any amin’izay misy ny maty izy ireo.”​—Oh 7:22, 23, 27; ampit. Oh 2:16-19; 5:3-14.

“Manimba zava-tsarobidy.” Hoy ny Ohabolana: “Mampifaly ny rainy ny olona tia fahendrena, fa manimba zava-tsarobidy kosa izay miaraka amin’ny mpivaro-tena.” (Oh 29:3) Nosimbany ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, nefa io no zava-tsarobidy indrindra nananany. Nalainy baraka koa ny fianakaviany ka nosimbany ny fifandraisan’izy mianakavy. Nilaza ny ohabolana hafa iray fa ‘homeny olona ny hajany, ary ireo taonany homeny ho an’izay mampahory azy.’ ‘Ny vahiny no hanaram-po amin’izay nandaniany ny heriny, ary ho any an-tranon’ny hafa firenena ny zavatra nisasarany.’​—Oh 5:9, 10.

Nananatra toy izao àry ilay lehilahy hendry: “Aoka ny fonao tsy hitsiriritra [ny vehivavy hafa firenena] noho ny hatsaran-tarehiny ... satria ny vehivavy mpivaro-tena no mahatonga ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo. Fa ny vehivavy vadin’olona kosa mamela-pandrika mba hamandrihana aina sarobidy.” (Oh 6:24-26) Mety hidika izany fa nandanilany ny fananany ka lasa nahantra ny lehilahy israelita rehefa niaraka tamin’ny mpivaro-tena. (Ampit. 1Sa 2:36; Lk 15:30.) Hamoy ny ainy kosa izay lehilahy naka vehivavy vadin’olona satria milaza ny Lalàna fa fahafatesana no sazin’izay manitsakitsa-bady. Mety ho ilay vehivavy nanitsakitsa-bady koa no resahin’ireo andininy rehetra ireo hoe mpivaro-tena.

Hoy ny Ohabolana 6:29-35: “Toy izany izay lehilahy manao firaisana amin’ny vadin’olona: Tsy hisy ho afa-maina izay mikasika an-dravehivavy. Amin’ny olona, dia tsy mampaninona raha mangalatra zavatra hahavoky azy ny mpangalatra rehefa noana. Fa raha tratra kosa izy, dia hanonitra avo fito heny, ka hanome ny zava-tsarobidy rehetra ao an-tranony. Tsy ampy saina izay manitsakitsa-bady ka mijangajanga amim-behivavy. Manimba tena izay lehilahy manao izany. Hahita loza sy halaza ratsy izy, ary tsy ho voakosoka mihitsy ny fahafaham-barakany. Fa entin’ny fahasarotam-piaro ny lehilahy ka tezitra mafy, ary tsy hamindra fo izy amin’ny andro anaovany valifaty. Tsy ahoany mihitsy izay mety ho onitra, sady tsy vonona ny hilefitra izy na dia lehibe toy inona aza ny fanomezana ataonao.”

Inona no tian’ny Ohabolana 6:30-35 holazaina? Tsy dia nampaninona ny olona loatra raha nangalatra zavatra hahavoky azy ny olona noana, satria takatr’izy ireo ihany ny antony. Nasain’ny olona namerina an’izay nangalariny sy nandoa ‘onitra’ anefa izy raha tratra (izany mihitsy no notakin’ny Lalàna [Ek 22:1, 3, 4]; “avo fito heny” no lazain’ilay ohabolana ary mety hidika izany hoe nasaina nefainy daholo ny sazy tokony haloany). Ny mpanitsakitsa-bady kosa tsy afaka nanonitra ny fahotany. Afa-baraka be foana izy ary tsy afaka nanavotra ny tenany na nandoa vola mba tsy hiharan’ny sazy sahaza azy.

Raha nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tena na nijangajanga ny Kristianina iray anisan’ny rantsambatan’i Kristy, dia toy ny hoe nalainy ny rantsambatan’i Kristy ary nataony rantsambatan’ny mpivaro-tena. Niray tamin’ny mpivaro-tena izy ka lasa vatana iray taminy. Nanota tamin’ny vatany ihany izy, nefa “rantsambatan’i Kristy” ny vatany.​—1Ko 6:15-18.

Tsy tokony hivaro-tena intsony izay te ho voavonjy. Mety ho voavonjy ny mpivaro-tena raha miala amin’io fanao maharikoriko io ary maneho finoana ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Tsy handova an’ilay Fanjakana mantsy izay tsy miala amin’io fanao maloto io. (Ga 5:19-21; Ef 5:5) Nampahatsiahy an’ireo Kristianina tany Korinto i Paoly fa mpijangajanga sy mpanitsakitsa-bady ny sasany tamin’izy ireo taloha, nefa niala tamin’izany ka efa voasasa madio tsara sy efa nambara ho marina tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo. (1Ko 6:9-11) Mpivaro-tena maro teo amin’ny Israely no nanana toe-po tsara kokoa noho ny mpitondra fivavahana. Nambanin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ireny vehivavy ireny, nefa nanetry tena ka nanaiky ny fitorian’i Jaona Mpanao Batisa. Niresaka azy ireny i Jesosy mba hananarana ny mpitondra fivavahana. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa mialoha anareo ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena.”​—Mt 21:31, 32.

Rahaba. Anisan’ny mpivaro-tena naneho finoana an’Andriamanitra ka nambara ho marina i Rahaba, izay nonina tao Jeriko, tanàna mpanompo sampy. (Jk 2:25) Tao aminy no nivahiny ireo lehilahy nirahin’i Josoa hijery taratra an’i Jeriko. (Js 2:1) Azo antoka fa tsy hanao firaisana no antony nankanesan’izy ireo tao. Hoy i C. Keil sy F. Delitzsch momba izany: “Tsy dia hanaitra loatra ny sain’ny olona ny fidiran’izy ireo tao an-tranon’ny vehivavy toy izany. Teo amin’ny mandan’ilay tanàna na teo ambonin’izy io koa no nisy ny tranon’ilay vehivavy, ka mora ny mandositra avy tao. Nitarika an’ireo mpitsikilo ireo ho ao amin’io mpanota io anefa ny Tompo. Io mantsy no olona nety indrindra mba hanampy azy ireo hamita an’ilay iraka. Tena nisy heriny tamin’ny fon’io olona io koa izay reny momba an’ireo fahagagana nataon’ilay Andriamanitra velona mba hiarovana ny Israely. Nampahafantariny an’ireo mpitsikilo àry hoe kivy tanteraka ny Kananita. Nino sy natoky ny herin’ilay Andriamanitry ny Israely koa izy ka nafeniny tamin’ireo mpiray firenena taminy ireo mpitsikilo, na dia faran’izay nampidi-doza aza izany.” (Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-2, Josoa, p. 34) Tena sarotra inoana ny hoe nanao firaisana tamin’i Rahaba ireo mpitsikilo. Fantatr’izy ireo mantsy fa naloto fitondran-tena ny Kananita matoa nasain’Andriamanitra noroahin’ny Israely. Neken’izy ireo koa fa Andriamanitra no nitahy azy ireo matoa resy i Jeriko. Nitahy an’i Rahaba koa Izy, ka azo antoka fa tsy nivaro-tena intsony i Rahaba tatỳ aoriana. Notsimbinina ny ainy, noho izy nino sy nanao zavatra nifanaraka tamin’izany. Nanambady an’i Salmona anisan’ny fokon’i Joda izy tatỳ aoriana, ary mendri-kaja ilay fanambadiana. Lasa razamben’i Jesosy Kristy koa izy.​—Le 18:24-30; Js toko 2; 6:22-25; Mt 1:1, 5.

Voalaza fa vehivavy mpivaro-tena ny renin’i Jefta, (Mpts 11:1) ary niantrano tao amin’ny vehivavy mpivaro-tena i Samsona.​—Mpts 16:1; jereo JEFTA; SAMSONA.

Heviny an’ohatra. Lazain’ny Baiboly hoe “mpivaro-tena” ny olona na firenena na antokon’olona nanokan-tena ho an’Andriamanitra, nefa manao fifanarahana amin’izao tontolo izao na lasa mivavaka amin’ny andriamani-diso. Voatarika ‘hijangajanga’ tamin’ny andriamani-kafa, ohatra, ny firenen’Israely. Nanao toy ny vehivavy mivadika amin’ny vadiny ka mbola mitady lehilahy hafa koa ny firenen’Israely: Te ho voaro tamin’ny fahavalony izy ka nitady fanampiana tamin’ny firenen-kafa, fa tsy tamin’i Jehovah Andriamanitra izay ‘vadiny sy tompony.’ (Is 54:5, 6) Nampietry ny tenany koa i Jerosalema rehefa nivadika, ka ratsy lavitra noho ny fanaon’ny mpivaro-tena no nataony. Hoy i Ezekiela mpaminany: “Ny mpivaro-tena rehetra dia omena fanomezana, fa ianao kosa tsy mba toy izany, satria ianao indray no manome fanomezana ho an’ny lehilahinao rehetra. Manome tsolotra ianao mba ho tonga avy any rehetra any ireny mba hahafahanao hivaro-tena aminy.” (Ezk 16:33, 34) Nomelohina ho nivaro-tena an’ohatra ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely sy ny fanjakan’ny foko roan’ny Joda.​—Ezk 23:1-49.

Miresaka momba ilay mpivaro-tena an’ohatra malaza ratsy indrindra ny Apokalypsy. Mitaingina bibidia mena midorehitra izy io, ary misy anarana toy izao eo amin’ny handriny: “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.” “Nijangajanga taminy” “ireo mpanjakan’ny tany.”​—Ap 17:1-5; jereo BABYLONA LEHIBE; FIJANGAJANGANA.