Mpivarotra
Lehilahy na vehivavy mividy, ary avy eo mivarotra na manao takalo mba hahazoan-tombony. Midika ara-bakiteny hoe olona ‘mandehandeha’ mba hivarotra ny teny hebreo nadika hoe “mpivarotra.”—Ge 34:10.
Efa hatry ny ela ny olona no nahay asa tanana sasany, izay lasa asa fivelomany. (Ge 4:20-22) Nanjary nisy àry ny varotra. Lasa mpivarotra ny olona maro tatỳ aoriana, ka nanana entam-barotra isan-karazany. Efa nisy mizana sy lanja fampiasan’ny mpivarotra sy nekeny, tamin’i Abrahama tonga tany Kanana tamin’ny 1943 T.K. (Ge 23:16) Notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny hampiasana mizana mitovy sy marina.—De 25:13-16; Oh 11:1; 20:10; Mi 6:11.
Nisy mpivarotra nanana trano fivarotana, na nivarotra teny amin’ny tsena tao an-tanàna. (Ne 13:20) Nisy kosa nanana andian-tsambo nitety ranomasina izay nitondra entam-barotra sarobidy avy lavitra. (Sl 107:23; Oh 31:14) Ny hafa indray mpivaro-mandeha nanaraka an’ireo lalana fivezivezen’ny entam-barotra fahiny. (1Mp 10:14, 15; 2Ta 9:13, 14) Namidin’ny rahalahiny tamin’ny mpivaro-mandeha ho any Ejipta, ohatra, i Josefa.—Ge 37:25, 28.
Nanana mpivarotra ny firenena rehetra, na kely na lehibe, toa an’i Etiopia (Is 45:14), Asyria (Na 1:1; 3:16), ny fanjakan’i Solomona (1Mp 10:28; 2Ta 1:16), ary Sidona sy Tyro (Is 23:2, 8). Nampanan-karena firenena maro ny varotra.
Foibe ara-barotra i Tyro, ary nankany ny mpivarotra sy sambo mpitondra entana eran-tany. Nampanan-karena an’ilay tanàna nisy seranan-tsambo ny entam-barotra isan-karazany, toy ny Ezk 27:2, 12-25.
volafotsy, vy, firapotsy, firamainty, zavatra vita amin’ny varahina, soavaly, ramole, ivoara, hazomainty, torkoazy, volonondry, lamba nolokoana, haran-dranomasina, robia, varimbazaha, sakafo tsy fahita firy, tantely, menaka, balsama, divay, kasia, fantàkamanitra, lamba voatenona, zava-manitra, vatosoa, ary volamena.—Empôrôs (gr.; midika hoe “dia” ny hoe pôrôs) no ilazana ny mpivaro-mandeha na olona “manao dia.” Nitady perla faran’izay tsara sy lafo vidy, ohatra, ilay mpivaro-mandeha ao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 13:45) Nampanan-karena an’ireo mpivaro-mandeha ilay “mpivaro-tena lehibe ... [dia i] ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena.’” Hitomany sy alahelo àry izy ireo rehefa rava sy ringana izy io. (Ap 17:1, 5; 18:3, 11-15) ‘Manam-pahefana ambony eny ambonin’ny tany’ kosa ny mpivaro-mandehan’i Babylona Lehibe.—Ap 18:23.