Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mysia

Mysia

(Mysìa).

Faritra tany amin’ny ilany avaratrandrefan’i Azia Minora. Na dia toa niovaova aza ny sisin-tanin’i Mysia, dia nanodidina azy teo andrefana sy teo avaratra foana ny Ranomasina Égée, i Hellespont (Dardanelles) ary Propontis (Ranomasin’i Marmara). I Bitynia no teo atsinanana ary i Lydia no teo atsimo. (Jereo AZIA.) Niaraka tamin’i Silasy sy Timoty i Paoly tamin’ny dia misionera faharoa nataony. Niezaka hankany Bitynia izy ireo, nefa “tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy. Dia nolalovany fotsiny i Mysia, ka nidina nankany Troasy izy ireo.” (As 15:40; 16:1-3, 7, 8) Tao Mysia no nisy ny seranan’i Troasy, ka na nandalo tao Mysia aza i Paoly sy ny namany, dia azo inoana fa tsy nitory tao izy ireo. Tanànan’i Mysia koa i Adramytena (As 27:2) sy Aso (As 20:13, 14) ary Pergamosy.​—Ap 1:11; jereo TROASY.