Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nabonida

Nabonida

(Nabônida) [avy amin’ny teny babylonianina, ary midika hoe “Nebo [andriamanitra babylonianina] dia Misandratra”].

Mpanjaka farany nitondra ny Fanjakana Babylonianina; rain’i Belsazara. Toa nanjaka 17 taona teo ho eo (556-539 T.K.) izy, araka ireo soratra miendri-pantsika. Tia fivavahana izy, sady tia haisoratra sy zavakanto.

Tantaran’i Nabonida izay miresaka ny amin’ny naharesy an’i Babylona

Nanoratra i Nabonida hoe taranak’andriana izy. Nisy takelaka iray hita tany akaikin’i Harana taloha, nilaza fa mpivavaka nafana fo tamin’i Sîn andriamanitra volana ny reniny na ny renibeny. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 311, 312) Mpivavaka nafana fo tamin’ilay andriamanitra koa i Nabonida Mpanjaka, tany Harana sy Ora. Io andriamanitra io mantsy no tena notompoin’ireo mponina tao amin’ireo tanàna ireo.​—SARY, Boky Faha-2, p. 324.

Milaza ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika tamin’ny taona fahavalo nanjakan’i Nebokadnezara (Nisana 617-Nisana 616 T.K.), fa izany Nabou-naʼid izany no “niandraikitra an’ilay tanàna.” Mihevitra ny mpahay tantara sasany fa io ihany ilay Nabonida, izay lasa mpanjaka tatỳ aoriana. Raha izany tokoa no izy, dia mbola tanora kely i Nabonida tamin’izy voatendry hiandraikitra raharaham-panjakana, ary efa antitra be izy rehefa rava i Babylona, 77 taona teo ho eo tatỳ aoriana (539 T.K.).

Niresaka momba izay nitranga tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Nebokadnezara (Nisana 605-Nisana 604 T.K.) i Hérodote, Grika mpahay tantara (I, 74). Nilaza izy fa nisy fifanekena nifanaovan’ny Lydianina sy ny Medianina, ka i “Labyneto Babylonianina” no mpanelanelana tamin’izy io. Heverina fa i Labyneto no fomba nanoratan’i Hérodote ny anarana hoe Nabonida. Nilaza koa i Hérodote (I, 188) tatỳ aoriana, fa niady tamin’ny zanakalahin’i Labyneto sy Nitokrisy i Kyrosy Persianina.

Nanoratra ilay manam-pahaizana atao hoe R. Dougherty ao amin’ilay boky hoe Nabonida sy Belsazara, fa mety ho zanakavavin’i Nebokadnezara io Nitokrisy io. Midika izany fa mety ho vinantolahin’i Nebokadnezara i Nabonida (Labyneto). (1929, p. 63; jereo koa ny p. 17, 30.) Heverina koa fa i Belsazara, izay niady tamin’i Kyrosy tokoa, ilay “zanakalahin’i” Nitokrisy sy Nabonida (Labyneto), noresahin’i Hérodote. Izany rehetra izany angamba no nahatonga an’i Nabonida ho lasa mpanjakan’i Babylona. Mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly koa izany, satria antsoiny hoe ‘rain’i’ Belsazara zanakalahin’i Nabonida (Da 5:11, 18, 22), i Nebokadnezara. Midika hoe raibe na razambe ny hoe ‘ray’ indraindray. Raha izany no izy, dia zafikelin’i Nebokadnezara i Belsazara.​—Jereo anefa ny hoe BELSAZARA.

Lasa mpanjaka i Nabonida, taorian’ny namonoana an’i Labashi-Mardoka. Nilaza anefa izy hoe tsy nanongam-panjakana fa ara-dalàna ny fomba nahazoany ny fitondrana, satria izy, hono, no “solontena maherin’i” Nebokadnezara sy Neriglisara.

Iraizotongotra (tanimanga misy soratra) maromaro nosoratan’i Nabonida no milaza fa niaraka taminy nivavaka tamin’ilay andriamanitra volana, i Belsazara lahimatoany. (Porofo Tamin’ny Andron’ny Testamenta Taloha, nataon’i D. Thomas, 1962, p. 73) Misy soratra hafa milaza fa notendren’i Nabonida ho mpanjakan’i Babylona i Belsazara, tamin’ny taona fahatelo nanjakany, talohan’ny nandresen’i Nabonida an’i Tema, any Arabia. Voalazan’izy io koa fa sosotra ny vahoaka satria variana tamin’ny fivavahana tamin’ilay andriamanitra volana i Nabonida, ary tsy tao Babylona mba hankalaza ny Taom-baovao. Milaza ny Tantaran’i Nabonida fa tany Tema i Nabonida ny taona faha-7, faha-9, faha-10, ary faha-11 nanjakany, ka miverimberina ao foana ny hoe: “Tsy tonga tao Babylona ny mpanjaka [mba hankalaza ny fetin’ny volana Nisano]; tsy nentina tao Babylona i Nebo andriamanitra (ny sarivongany), tsy nentina nivoaka (an’i Esagila mba hoentina eran’ny tanàna) i Bela andriamanitra (ny sarivongany), ary [tsy nisy] fety [tamin’ny Taom-baovao].” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 306) Tsy fantatra izay voalazan’ilay Tantaran’i Nabonida momba ireo taona hafa, satria efa misy simba ilay izy.

Toy izao no ilazalazan’ny soratra hafa an’i Tema, tanàna eo amin’ny tany lonaka any an-tany efitra: “Nataony tsara tarehy ilay tanàna, ary naoriny (tao) [ny lapany] toy ilay lapa tao Soanna (Babylona).” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 313) Toa nipetraka tao an-dapany tao Tema i Nabonida. Nisy soratra hafa nilaza fa nentin’ny rameva maromaro avy any Babylonia ny sakafo nilain’ilay tanàna. Tsy hoe niala tsy ho mpanjaka akory i Nabonida, fa nankininy tamin’i Belsazara fotsiny ny fitantanana an’i Babylona. Tao Tema no nihaonan’ireo lalana fahiny fivezivezen’ireo mpitondra volamena sy zavamaniry mani-pofona nanerana an’i Arabia. Nipetraka tao àry i Nabonida, angamba noho ny antony ara-bola, na noho izy io tsara toerana ho an’ny tafika. Misy koa milaza fa noheveriny hoe nety kokoa teo amin’ny lafiny politika, raha ny zanany lahy no nitantana ny raharaham-panjakana. Mety ho nahatonga an’i Nabonida ho tia kokoa an’i Tema koa ny toetany tao, izay nahasalama azy. Maro be koa no nivavaka tamin’ny volana, tany Arabia.

Tsy resahin’ny tantara izay nataon’i Nabonida nanomboka tamin’ny taona faha-12 nanjakany ka hatramin’ny nahafatesany. Nanao fifanarahana tamin’ny Lydianina sy ny Ejipsianina izy, satria efa tsinjony mialoha fa hanafika azy ny Medianina sy ny Persianina notarihin’i Kyrosy Lehibe. Resahin’ilay Tantaran’i Nabonida fa niverina tao Babylona i Nabonida tamin’ny taona nanafihan’ny Medianina-Persianina. Nankalaza ny Taom-baovao tao izy, ary nentina tao an-tanàna ny sarivongan’ireo andriamanitra samihafa nivavahana tany Babylonia. Voalaza koa fa nandresy tao Opis i Kyrosy, ary avy eo azony i Sippar (60 km teo ho eo avaratr’i Babylona), ka “nandositra i Nabonida.” Resin’ny Medianina-Persianina i Babylona avy eo, ary nobaboina i Nabonida raha vao niverina tao. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 306) Nanoratra i Bérose, mpisorona babylonianina tamin’ny taonjato fahatelo T.K., fa efa niady tamin’ny tafik’i Kyrosy i Nabonida saingy resy. Nandeha nialokaloka tany Borsippa (atsimo atsimoandrefan’i Babylona), hono, i Nabonida, ary nitolo-batana tamin’i Kyrosy rehefa resy i Babylona. Natao sesitany tany Karmania (faritra atsimon’i Persa) izy avy eo. Mifanaraka amin’ny Daniela toko faha-5 izany. Voalaza ao mantsy fa i Belsazara no mpanjaka tao Babylona tamin’ny fotoana naharesy azy io.

Zavatra vitsivitsy nitranga talohan’ny naharesy an’i Babylona ihany no resahin’ny Daniela toko faha-5. Fohy koa ny fitantarany momba ny nandresena azy io. Tsy mahagaga àry raha tsy miresaka mivantana an’i Nabonida ilay toko. Toa miresaka an-kolaka momba azy ihany anefa ny Daniela 5:7, 16, 29. Nilaza mantsy i Belsazara ao fa hataony mpitondra fahatelo teo amin’ny fanjakany i Daniela. Midika izany fa i Nabonida no voalohany, ary i Belsazara no faharoa. Hoy àry i Dougherty: “Azo heverina hoe mifanaraka amin’ny zava-misy ny tsy niresahan’ny Daniela toko fahadimy an’i Nabonida. Toa tsy nandray anjara tamin’izay nitranga mantsy izy, rehefa nanafika an’ilay tanàna i Gobriasy [lehiben’ny tafik’i Kyrosy].”​—Nabonida sy Belsazara, p. 195, 196; jereo koa ny p. 73, 170, 181.

Inona no tena resahin’ilay Tantaran’i Nabonida?

Takelaka tanimanga voatahiry any amin’ny Tranombakoka Britanika izy io, ary antsoina koa hoe “Tantaran’i Kyrosy sy Nabonida” na “Ilay Takelaka Misy ny Tantaran’i Kyrosy.” Ireo zava-dehibe nitranga nandritra ny fitondran’i Nabonida mpanjaka babylonianina farany, no tena resahin’izy io, anisan’izany ny fitantarana fohy momba ny nandresen’ny tafik’i Kyrosy an’i Babylona. Avy any Babylona izy io, ary soratra miendri-pantsika babylonianina no nanoratana azy. Milaza anefa ireo manam-pahaizana nandinika azy io, fa mety ho tamin’ny fotoana nitondran’ny taranak’i Séleucus (312-65 T.K.) izy io no nosoratana, izany hoe 200 taona na mahery taorian’ny nanjakan’i Nabonida. Tena azo inoana fa dika mitovy amin’ny tantara iray tany aloha izy io. Manindrahindra be an’i Kyrosy ilay tantara, fa manambany an’i Nabonida kosa, hany ka heverina fa mpitan-tsoratra persianina no nanoratra azy. Nantsoina mihitsy aza izy io hoe “fampielezan-kevitry ny Persianina.” Na dia mety ho marina aza izany, dia milaza ny mpahay tantara fa azo itokisana ny fanazavana hita ao.

Hatramin’izao aloha, dia ilay Tantaran’i Nabonida no soratra miendri-pantsika miresaka be indrindra momba ny naharesy an’i Babylona. Fohy ihany anefa izy io, satria 14 sm eo ho eo ny sakan’ilay takelaka (ny sakany lehibe indrindra), ary toy izany koa ny lavany. Misy tsanganana efatra izy io. Hoy ny tsanganana fahatelo, manomboka eo amin’ny andalana faha-5: “[Taona fahafito ambin’ny folo:] ... Nikomy ny mponin’i Akada rehefa notafihin’i Kyrosy ny tafika akadianina tao Opis, teo amoron’i Tigra, tamin’ny volana Tasrito. Izy (Nabonida) kosa nandripaka an’ireo mponina nisahotaka ireo. Resy tsy niady i Sippar, tamin’ny andro faha-14. Nandositra i Nabonida. Tafiditra tao Babylona i Gobriasy (Ogbaro), governoran’i Gotioma, sy ny tafik’i Kyrosy, nefa tsy nila niady akory, tamin’ny andro faha-16. Voasambotra tao Babylona i Nabonida taorian’izay, rehefa niverina (tao). ... Niditra tao Babylona i Kyrosy ny andro fahatelon’ny volana Arahshamno, ary nisy rantsankazo maitso nalahadahatra teo anoloany. Namoaka didy izy hoe ‘Milamina’ (solmo) ilay tanàna.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 306.

Tsy hita eo amin’ilay takelaka ny hoe “Taona fahafito ambin’ny folo”, satria eo amin’ny tokony hisy an’io soratra io mihitsy no misy simba. Ny mpandika teny no nanampy azy io, satria noheverin’izy ireo fa ny taona faha-17 nanjakan’i Nabonida no taona farany nanjakany. Nanatsoaka hevitra àry izy ireo fa tamin’io taona io i Babylona no resy, ka io soratra io mihitsy no ho teo, raha tsy simba ilay takelaka. Na atao aza hoe nanjaka ela kokoa noho izany i Nabonida, dia mbola tamin’ny 539 T.K. ihany i Babylona no rava, satria misy loharanon-kevitra hafa koa milaza izany. Somary mampihen-danja ny hasarobidin’ny Tantaran’i Nabonida anefa ny nanampiana an’ilay hoe “Taona fahafito ambin’ny folo.”

Hita eo amin’ilay takelaka kosa ny volana sy andro naharesy an’ilay tanàna, na dia tsy hita eo aza ilay taona. Ireo no niaingan’ny manam-pahaizana momba ny daty, ka nahitany fa mifanitsy amin’ny 11 Oktobra (kalandrie jolianina) na ny 5 Oktobra (kalandrie gregorianina) ny faha-16 Tasrito (Tisry), tamin’ny taona 539 T.K. Eken’ny maro io daty io sady tsy misy porofo mandiso azy. Azo ampiasaina àry izy io mba hampifandraisana an’izay resahin’ny Baiboly amin’izay lazain’ny tantara.​—Jereo FANISAN-TAONA.

Mahaliana fa izao no ilazan’ny Tantaran’i Nabonida an’ilay alina naharesy an’i Babylona: ‘Tafiditra tao Babylona ny tafik’i Kyrosy, nefa tsy nila niady akory.’ Toa midika izany fa zara raha nisy ady tamin’izay. Mifanaraka tsara amin’ny faminanian’i Jeremia koa izany, izay milaza fa “tsy niady intsony ireo lehilahy mahery tao Babylona.”​—Je 51:30.

Mahaliana koa fa miresaka an-kolaka momba an’i Belsazara ilay Tantaran’i Nabonida. Namakafaka ny tsanganana 1, andalana faha-8, tamin’izy io i Sidney Smith. Nohazavainy tao amin’ny bokiny avy eo, fa nankinin’i Nabonida tamin’i Belsazara ny fanjakana, ka niara-nanjaka izy mianaka. (Tantaran’i Babylona: Ny Nandresena Azy, Londres, 1924, p. 100) Nanampy azy hanatsoaka izany hevitra izany ny tapany farany amin’ilay Tantaran’i Nabonida (tsang. II, andalana 5, 10, 19, 23). Miverimberina ao amin’ilay Tantara ny hoe ‘tao Akada [Babylonia] ilay printsy handova ny fanjakana’, fa i Nabonida kosa tany Tema (Arabia). Tsy hita ao ny anarana hoe Belsazara ary tsy miresaka momba ny nahafatesany izy io. Ny bokin’i Daniela kosa ahitana imbalo an’ilay anarana, ary resahin’ny toko faha-5 ny faharesen’i Babylona sy ny nahafatesan’i Belsazara. Tsy midika anefa izany hoe tsy marina ny bokin’i Daniela. Miaiky kosa ireo manam-pahaizana momba ny soratra miendri-pantsika fa tena fohy ilay Tantaran’i Nabonida, sady tsy be tsipiriany. Fanambaniana an’i Nabonida fotsiny ilay izy, araka ny voalaza tetsy aloha. Marina tokoa ny tenin’i R. Dougherty ao amin’ilay bokiny hoe Nabonida sy Belsazara (p. 200). Hoy izy: “Azo lazaina fa tsara lavitra ny Soratra Masina, satria ahitana an’ilay anarana hoe Belsazara.”​—Izahay no manao sora-mandry.

Efa simba be ilay tsanganana faha-4 eo amin’ilay Tantaran’i Nabonida. Rehefa nandinika an’izay mbola azo vakina anefa ny manam-pahaizana, dia nilaza fa resahin’izy io ny hoe nisy mpandrombaka fahefana nanao fahirano an’i Babylona tatỳ aoriana. Heverina fa tamin’ny andro nikomian’i Nebokadnezara III na Nidinto-Bela, izay nilaza ho zanak’i Nabonida, no natao fahirano voalohany i Babylona, taorian’ny nandresen’i Kyrosy azy io. Resy i Nebokadnezara III rehefa nahazo fahefana i Dariosy I, tany amin’ny faramparan’ny 522 T.K.