Nabota
(Nabôta).
Jezirelita niharan’ny teti-dratsin’i Jezebela Vadi-mpanjaka. Nanana tanimboaloboka izy tany Jezirela, teo akaikin’ny lapan’i Ahaba Mpanjaka. Saika hividy an’ilay izy i Ahaba, na hanakalo azy io tamin’ny tanimboaloboka tsara kokoa. Tsy nety anefa i Nabota. Tsy navelan’i Jehovah hatao varo-maty mantsy ny lovan’ny fianakaviana. (1Mp 21:1-4; Le 25:23-28) Nanao tetika anefa i Jezebela vadin’i Ahaba Mpanjaka, mba hisian’ny vavolombelona mandainga roa hanendrikendrika an’i Nabota ho nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka. Novonoina ho faty àry i Nabota sy ny zanany lahy (2Mp 9:26), ka naka an’ilay tanimboaloboka ho fananany i Ahaba. Noho io vonoan’olona io, dia naminany i Elia hoe eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hihinanan’ny alika an’i Jezebela sy hilelafan’ny alika ny ran’i Ahaba. Hofongorana koa ny taranak’i Ahaba. (1Mp 21:5-23) Tanteraka tokoa io fanamelohan’Andriamanitra io.—1Mp 22:34, 38; 2Mp 9:21, 24-26, 35, 36; 10:1-11.