Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nafisy

Nafisy

(Nafìsy) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “zavamananaina”].

Zanakalahin’i Ismaela, ary ny anarany no voatonona faha-11 amin’ireo zanany 12 lahy. (Ge 25:13-16; 1Ta 1:29-31) Mpiadidy nitarika foko ismaelita izy, ary nitondra ny anarany io foko io, izay toa nonina teo atsinanana na teo avaratratsinanan’ny Tany Nampanantenaina. Niady tamin’ny Hagarita sy ny mpiray dina taminy, anisan’izany ny fokon’i Nafisy, ireo fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase tany atsinanan’i Jordana, tamin’ny andron’i Saoly. Nandresy ireo foko israelita ary namabo biby fiompy sy olona be dia be. (1Ta 5:10, 18-22) Mety ho lasa anisan’ireo Netinima nasaina nanompo tao amin’ny toerana masina ireo babo avy any Nafisy ireo, araka ny filazan’ny manam-pahaizana sasany. Nantsoina hoe taranak’i Nefosima ny taranak’izy ireo niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona.​—Ne 7:46, 52; Ezr 2:43, 50.