Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahasy

Nahasy

(Nahàsy) [Bibilava].

1. Mpanjakan’ny Amonita tamin’i Saoly vao nanomboka nanjaka. Nikasa hanafika an’i Jabesy tany Gileada i Nahasy sy ny tafiny. Hoy ilay fitantarana: “Dia hoy ny lehilahy rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: ‘Manaova fifanekena aminay mba hanompoanay anao.’ Ary hoy i Nahasy Amonita: ‘Hanao fifanekena aminareo aho raha toa ka hopotsirina daholo ny masonareo ankavanana, ka ataoko fanalam-baraka ny Israely rehetra izany.’ Dia hoy ny anti-panahin’i Jabesy: ‘Omeo fito andro aloha izahay, fa handefa iraka any amin’ny faritra rehetran’ny Israely. Koa raha tsy misy mamonjy anay, dia hitolo-batana aminao izahay.’” Nivondrona nanaraka an’i Saoly ny Israelita ka nankany Jabesy. Resin’izy ireo i Nahasy, ary miaramilany vitsivitsy monja no afa-nandositra.​—1Sa 11:1-11; 12:11, 12.

Misy fanazavana toy izao alohan’ny 1 Samoela 11:1, ao amin’ny horonam-bokin’ny Ranomasina Maty antsoina hoe 4QSama (angamba tamin’ny taonjato voalohany T.K.): “Nampahory mafy an’ireo taranak’i Gada sy Robena i [Na]hasy, mpanjakan’ny taranak’i Amona. Nopotsiriny d[aholo] ny mason’izy ireo ankavanana ka ni[horohoro sy natahotra] ny Israely. Nopotsirin’i Naha[sy mpanjakan’ny] taranak’i Amona daholo ny maso ankavanan’ny taranak’Israely tany am-[pitan’i Jordana]. Tsy nisy tsy voapotsitra maso na iray aza, afa-tsy fito arivo lahy [izay nitsoaka avy tany amin’ny] taranak’i [A]mona ka nankany [J]abesy-Gileada. Iray volana teo ho eo taorian’izay dia ...” (Fandinihana ny Baiboly, 1985, Boky 1, No. 3, p. 28) Mitovitovy amin’izany koa ny fanazavan’i Josèphe.​—Rakitry ny Ela Jiosy, VI, 68-70 (v, 1).

Nilaza i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, VI, 79 [v, 3]) fa novonoin’ny miaramilan’i Saoly i Nahasy. Raha marina izany, dia tsy maintsy ho ny zanakalahin’izy io sady mpandimby azy ilay Nahasy tsara fanahy tamin’i Davida tatỳ aoriana. Mety ho anaram-boninahitra àry ny hoe Nahasy, toy ny hoe “Abimeleka”, “Farao”, ary “Jabina.” Rehefa maty ilay Nahasy nanampy an’i Davida, dia nandefa iraka tany amin’i Hanona zanany i Davida. Diso fandray an’ilay fihetsik’i Davida anefa i Hanona ka nanala baraka an’ireo irany. Niteraka ady izany ary resin’i Davida tanteraka ny Amonita.​—2Sa 10:1-5; 11:1; 12:26-31; 1Ta 19:1-5; 20:1-3.

2. Rain’i Abigaila anabavin’i Davida (anabaviny hafa ray), ary angamba rain’i Zeroia. Izy no raiben’i Amasa, ary angamba koa raiben’i Abisay sy Asahela ary Joaba. (2Sa 17:25; 1Ta 2:16, 17) Lazaina fa “zanakavavin’i Nahasy” fa tsy hoe zanakavavin’i Jese, rain’i Davida, i Abigaila sy ny rahavaviny, na dia voalaza aza fa ‘anabavin’ny’ zanakalahin’i Jese izy ireo. Mety ho ny iray amin’ireto no antony: 1) Vehivavy i Nahasy (mety ho lahy na vavy ny hoe Nahasy). Vadin’i Jese izy ary renin’ny zanany rehetra. Tsy tena mitombina anefa izany, satria noho ny antony manokana ihany vao tononina ao amin’ny tetirazana ny anaran’ny vehivavy. 2) Anarana hafa niantsoana an’i Jese ny hoe Nahasy, araka ny lovantsofina jiosy fahiny. “Jese” fa tsy Nahasy ny ao amin’ny 2 Samoela 17:25, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (fanontana Lagarde). (Jereo koa ny Kat., f.a.p.) 3) Nanambady an’i Nahasy aloha ny vadin’i Jese (toa mitombina kokoa izany). Niteraka vavy roa, dia i Abigaila sy Zeroia, izy vao nanambady an’i Jese ary niteraka lahy maromaro.​—Jereo ABIGAILA No. 2.

3. Lehilahy nipetraka tao Raba, tanànan’ny Amonita. Tsara fanahy tamin’i Davida i Soby zanany lahy, satria nanome izay nilain’i Davida tamin’izy tonga tao Mahanaima rehefa nandositra an’i Absaloma mpikomy. (2Sa 17:27-29) Mety ho Israelita nifindra monina tao Raba i Nahasy, rehefa resin’ny Israely ny Amonita.​—2Sa 12:26-31.