Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahora

Nahora

(Nahôra).

1. Rain’i Tera ary raiben’i Abrahama. Zanakalahin’i Seroga i Nahora, ary taranak’i Sema. Velona 148 taona izy (2177-2029 T.K.).​—Ge 11:22-26; 1Ta 1:24-27; Lk 3:34-36.

2. Zanakalahin’i Tera, ary zafikelin’i Nahora (No. 1) sady rahalahin’i Abrahama. (Ge 11:26; Js 24:2) Nanambady an’i Milka i Nahora. Anabavin’i Lota i Milka, ary zanakavavin’i Harana rahalahin’i Nahora. Nanambady ny zana-drahalahiny àry i Nahora. Niteraka 8 lahy tamin’i Milka izy, ary niteraka 4 lahy tamin’i Reoma vadikeliny, ka 12 ny fitambaran’ny zanany lahy. Lasa lehibem-poko ny sasany tamin’ireo. (Ge 11:27, 29; 22:20-24) Niteraka an’i Betoela i Nahora, ka lasa dadaben’i Labana sy Rebeka sady lasa dadan’ny dadaben’i Lea, Rahely, Jakoba (Israely) ary Esao.​—Ge 24:15, 24, 47; 29:5, 16; 1Ta 1:34.

Tsy resahin’ny Genesisy hoe anisan’ireo niaraka tamin’i Tera sy Abrahama niala tany Oran’ny Kaldeanina i Nahora. (Ge 11:31) Toa niala tany ihany anefa izy tatỳ aoriana. I Harana, toerana nonenan’i Tera sy nahafatesany, mantsy ilay tany nasain’i Abrahama nalehan’ilay mpanompony mba hitady vady ho an’i Isaka (tany no nahitany an’i Rebeka zafikelin’i Nahora). Ankoatra izany, dia nonina tany Harana koa i Labana zafikelin’i Nahora rehefa tonga tany aminy i Jakoba, tatỳ aoriana. (Ge 11:31, 32; 12:4; 27:43) Nankany amin’ilay tanàna nantsoina hoe Nahora ilay mpanompon’i Abrahama. Mety ho i Harana io tanàna io na toerana iray teo akaiky teo, angamba ilay Nahur resahina matetika ao amin’ireo takelaka tanimanga hita tany Mari, teo anelanelan’ny taona 2000 sy 1000 T.K. (Ge 24:10; 29:4; Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly, 1948, p. 16) Voalaza fa niangavy an’ilay ‘andriamanitr’i Abrahama sy andriamanitr’i Nahora’ i Labana mba hitsara azy sy Jakoba, rehefa hisaraka izy ireo. Mety ho porofo koa izany fa niala tany Ora ihany i Nahora tatỳ aoriana.​—Ge 31:53; jereo HARANA No. 4.