Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nakona

Nakona

(Nakòna) [mety hidika hoe “Natao Mafy Orina”].

Anaran’ilay famoloana resahin’ny 2 Samoela 6:6. Teo no maty i Oza satria nanatsotra ny tanany ka nihazona ny Vata misy ny fifanekena. Andininy mifanitsy amin’io ny 1 Tantara 13:9, ka “Kidona” no ao. Toa ny anaran’ilay toerana no nolazain’ilay andininy iray, fa ny anaran’ilay tompony kosa no nolazain’ilay iray hafa. Mety ho samy anarana niantsoana an’ilay toerana koa anefa ireo roa ireo.