Naomy
(Nàômy) [Mahafinaritra Ahy].
Rafozambavin’i Rota razamben’i Davida sy Jesosy Kristy.—Mt 1:5.
Vadin’i Naomy i Elimeleka, Efratita nonina tao Betlehema any Joda, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Nisy mosary mafy ka nifindra monina tany Moaba i Naomy sy ny vadiny ary i Malona sy Kiliona, zanany roa lahy. Maty tany i Elimeleka. Nanambady an’i Rota sy Orpa (samy vehivavy moabita) ny zanany roa lahy, avy eo, nefa maty tsy nanan-janaka izy mirahalahy, folo taona teo ho eo tatỳ aoriana.—Rt 1:1-5.
Nanapa-kevitra ny hody any Joda àry i Naomy rehefa nidonam-pahoriana. Nanaraka azy ny vinantony roa vavy. Nasainy niverina anefa izy ireo mba hanambady any amin’ny taniny. “Efa antitra loatra” izy “ka tsy hahazo vady intsony”, ary tsy afaka ny hanan-janakalahy ho vadin’izy roa vavy. Niverina i Orpa. I Rota kosa tsy nahafoy an’i Naomy satria tia azy sy Jehovah Andriamaniny izy.—Rt 1:6-17.
Tonga tany Betlehema i Naomy, ary hoy izy tamin’ireo vehivavy niarahaba azy: “Aza miantso ahy hoe Naomy [Mahafinaritra Ahy], fa antsoy hoe Mara [Mangidy] aho satria tena nampangidy ny fiainako ilay Mahery Indrindra.” (Rt 1:18-21) Fotoam-pijinjana vary orza tamin’izay, ary noho ny fitiavan’i Rota ny rafozany, dia nandeha nitsimpona vokatra izy mba hiveloman’izy mianaka, ka sendra tonga tany amin’ny sahan’i Boaza. (Rt 2:1-18) Rehefa nolazainy tamin’i Naomy hoe iza no tompon’ilay saha nitsimponany, dia hitan’i Naomy fa te hanao zavatra ho azy ireo i Jehovah. Havana akaikin’i Elimeleka mantsy i Boaza, ka noho izany dia iray tamin’ireo mpanavotra. Nampirisika an’i Rota àry i Naomy mba hampahafantatra izany an’i Boaza. (Rt 2:19–3:18) Nanao zavatra avy hatrany i Boaza, ka nanaraka ny fombafomba notakin’ny Lalàna mba hanavotana ny fananan’i Elimeleka avy tamin’i Naomy. I Rota àry no lasa vadin’i Boaza, ho solon’i Naomy, araka ny lalàna momba ny fitondrana loloha. Tera-dahy i Rota, ka nataon’ireo vehivavy mpiara-monina hoe Obeda ny anaran’ilay zaza. Hoy mantsy izy ireo: “Zazalahy no teraka ho an’i Naomy.” I Obeda àry no mpandova ara-dalàna ny ankohonan’i Elimeleka avy amin’ny fokon’i Joda.—Rt 4:1-22.