Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nara

Nara

(Nàra).

1. [Ankizivavy; Tovovavy]. Vadin’i Asora Jodianina, izay niterahany zanakalahy efatra.​—1Ta 4:1, 5, 6.

2. [avy amin’ny fototeny midika hoe “manakifika”]. Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’i Efraima (Js 16:5, 7), ary heverina fa i Narana ihany. (1Ta 7:28) Voalaza fa io Nara io ihany ilay Nôôrat noresahin’i Eusèbe. (Onomasticon, 136, 24). Toa Neara kosa no niantsoan’i Josèphe azy io, ary nolazainy fa navily ny antsasaky ny rano tao mba hanondrahana an’ireo palmie naniry tany akaikin’ny lapan’i Arkelaosy tany Jeriko. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 340 [xiii, 1]) Misy milaza an’i Nara ho i Tell el-Jisr, tokotokony ho 3 km any avaratrandrefan’i Jeriko.