Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nasona

Nasona

(Nasôna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “bibilava”].

Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Joda tany an-tany efitra. Zanakalahin’i Aminadaba i Nasona ary anisan’ny taranaka fahadimy taorian’i Joda. (1Ta 2:3-10) Vadin’i Arona ny anabaviny. (Ek 6:23) Razamben’i Davida sy Jesosy i Nasona, satria izy no rain’i Salmona vadin’i Rahaba, sady raiben’i Boaza vadin’i Rota.​—1Ta 2:11-15; Rt 4:20; Mt 1:4-6, 16; Lk 3:32.

Mpiadidy izy, ka nanampy an’i Mosesy tany an-tany efitra, tamin’ny nanoratana voalohany ny anaran’ireo lehilahy afaka niantafika. Nitondra fanomezana tany amin’ny tranolay masina koa izy rehefa notokanana ny alitara. Izy no mpifehy ny tafiky ny fokon’i Joda, izay foko mpitarika teo amin’ny Israely. Ireo miaramilany 74 600 no loha laharana rehefa niainga ny tobin’ny Israely.​—No 1:2-7; 2:3, 4; 7:2, 11-17; 10:14.