Natana
(Natàna) [Nanome [Andriamanitra]].
1. Taranak’i Joda. Zanakalahin’i Atahy ary rain’i Zabada. Ilay Ejipsianina mpanompo atao hoe Jara no dadaben’i Natana.—1Ta 2:3, 34-36.
2. Mpaminanin’i Jehovah tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, ary mety ho avy amin’ny fokon’i Levy. Nilaza tamin’i Natana ilay mpanjaka, fa te hanorina tempoly hanompoana an’i Jehovah izy. Hoy i Natana: “Mandehana ka ataovy izay rehetra ao am-ponao.” (2Sa 7:1-3; 1Ta 17:1, 2) Nilaza tamin’i Natana anefa i Jehovah ny alin’iny hoe tsy hanorina tempoly ho Azy i Davida fa Izy no hanome taranaka ho an’i Davida, ka izy io no hanorina trano ho an’i Jehovah. Nilaza koa izy fa haharitra ny taranak’i Davida. Nilaza taminy àry i Jehovah, tamin’ny alalan’i Natana, fa manao fifanekena aminy izy hoe hisy amin’ny taranany hanjaka “mandritra ny fotoana tsy voafetra.”—2Sa 7:4-17; 1Ta 17:3-15.
Nirahin’i Jehovah i Natana tatỳ aoriana mba hampahafantatra tamin’i Davida fa tena lehibe ny fahotana nataony, tamin’izy nampamono an’i Oria Hetita sy nijangajanga tamin’i Batseba. Nolazainy koa fa hanasazy azy Andriamanitra, noho izany. Nahay nandanjalanja, nefa koa tsy niolakolaka, i Natana rehefa niresaka tamin’i Davida. Fanoharana mantsy no nampiasainy. Tsy tsapan’i Davida akory fa izy ihany no nanjary nitsara ny tenany tamin’ny saina tsy niangatra. Hoy i Natana avy eo: “Ianao izany lehilahy izany!” Nampahafantariny koa ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’i Davida sy ny ankohonany.—2Sa 12:1-18; jereo koa Sl 51:t.m.
Niteraka an’i Solomona, zanany lahy faharoa, i Davida sy Batseba, tatỳ aoriana. Tian’i Jehovah io zaza io. Nirahiny àry i Natana mpaminaniny mba hilaza fa Jedidia (midika hoe “Malalan’i Jah”) no hatao anaran’ilay zaza, “noho ny amin’i Jehovah.” (2Sa 12:24, 25) Rehefa antitra i Davida, dia nitady handrombaka fahefana i Adonia, ka nampahafantatra izany tamin’i Davida i Natana. Anisan’ny nanosotra an’i Solomona sy nametraka azy teo amin’ny toeran’ny mpanjaka i Natana, taorian’izay.—1Mp 1:5-40.
Toa anisan’ny nanoro hevitra an’i Davida i Natana sy Gada, rehefa nalamina ireo mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masina. (2Ta 29:25) Azo inoana fa i Natana sy Gada no nanoratra ny toko faramparany ao amin’ny Samoela Voalohany sy ny Samoela Faharoa manontolo. (1Ta 29:29) “Voarakitra ao amin’izay nosoratan’i Natana mpaminany” koa ny “tantaran’i Solomona.”—2Ta 9:29.
Mety ho io Natana io no rain’i Azaria sy Zaboda, izay samy olona ambony tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Andriana filohan’ireo lehibem-paritra i Azaria. I Zaboda kosa mpisorona sy mpanolo-tsain’ny mpanjaka ary namana tsy foiny.—1Mp 4:1, 5.
3. Rain’i Jigala ary rahalahin’i Joela, izay samy lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida.—2Sa 23:8, 36; 1Ta 11:26, 38.
2Sa 5:13, 14; 1Ta 3:5) Voasoratra ao amin’ny tetirazan’ny Mesia i Davida sy Natana ary ny taranany hatrany amin’i Jesosy. Azo inoana fa tetirazan’ny Mesia avy amin’i Maria reniny izy io. (Lk 3:23, 31) Naminany i Zakaria hoe “hijery an’Ilay nolefoniny izy ireo”, ka amin’izay fotoana izay dia hidradradradra sy hitomany ny isam-pianakaviana manerana an’ilay tany, indrindra fa ny fianakaviamben’ny taranak’i Davida, Levy, ny an’ny taranaky ny Simeita, ary “ny fianakaviamben’ny taranak’i Natana.” (Za 12:10-14) Raha avy amin’ilay zanak’i Davida ilay fianakaviamben’ny taranak’i Natana voaresaka eto, dia midika izany fa anisan’ireo fianakaviamben’i Davida ihany izy io. Hidradradradra àry ny fianakaviambe eo anivon’ny fianakaviambe.
4. Zanakalahin’i Davida tamin’i Batseba vadiny ary naterany tany Jerosalema. (5. Anisan’ireo sivy lahy lohandohan’ny olona avy natao sesitany, izay nitoby teo amin’ny reniranon’i Ahava. Nirahin’i Ezra izy ireo mba hitady olona hanompo tao an-tranon’Andriamanitra tany Jerosalema.—Ezr 8:15-17.
6. Anisan’ireo olona avy natao sesitany tany Babylona ary iray tamin’izy 13 lahy zanak’i Binoy. Nandroaka ny vadiny hafa firenena izy ireo, noho ny fampirisihan’i Ezra.—Ezr 10:10, 11, 38-42, 44.