Natana-meleka
(Natàna-melèka) [Nanome ny Mpanjaka].
Tandapa tany Joda, izay nanana efitra fisakafoana teo amin’ny lala-mitafo nankao amin’ny tempoly. Rehefa namongotra ny fivavahan-diso i Josia Mpanjaka, dia “tsy navelany intsony hiditra tao an-tranon’i Jehovah ka handalo teo amin’ny efitra fisakafoana izay an’i Natana-meleka” ny soavaly natokan’ireo mpanjakan’ny Joda ho an’ny masoandro.—2Mp 23:11.