Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nazareta

Nazareta

(Nazarèta) [mety hidika hoe Tanàna-Tsimoka].

Tanàna tany Galilia Ambany. Tany i Jesosy no nandany ny androatokom-piainany teto an-tany, niaraka tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny hafa ray. (Lk 2:51, 52; Mt 13:54-56) Samy nonina tao Nazareta na i Josefa na i Maria, rehefa nilaza mialoha ny hahaterahan’i Jesosy i Gabriela. (Lk 1:26, 27; 2:4, 39) Nonina tany indray izy ireo tatỳ aoriana, rehefa niverina avy tany Ejipta.​—Mt 2:19-23; Lk 2:39.

Toerana misy azy. Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana no milaza an’i Nazareta ho i En Nasira (Nazerata) any Galilia. (SARY, Boky Faha-2, p. 539) Raha marina izany, dia teo amin’ireo tendrombohitra ivaiva teo avaratra kelin’ny Lohasahan’i Jezirela no nisy an’i Nazareta. Teo antenatenan-dalana izy io, raha avy any amin’ny zorony atsimon’ny Ranomasin’i Galilia no mankany amin’ny morontsirak’i Mediterane. Tao anaty deboka an-tendrombohitra no nisy azy io, ary nihoatra 120 m ka hatramin’ny 150 m ny haavon’ireo havoana nanodidina azy. Be mponina ilay faritra, ary maromaro ny tanàna akaikin’i Nazareta. Voalaza fa adiny fito ny dia an-tongotra avy tany Nazareta nankany Ptolemaisy teo amoron-tsirak’i Mediterane, ary adiny dimy ny nankany Tiberiasy teo amin’ny Ranomasin’i Galilia, ary telo andro ny nankany Jerosalema.

Indray mandeha, dia nentin’ny mponin’i Nazareta tany “an-tampon’ilay tendrombohitra niorenan’ny tanànany” i Jesosy, “mba hanjerana azy tany amin’ny tevana.” (Lk 4:29) Tsy midika izany hoe teo amoron-tevana no niorina ilay tanàna. Teo an-tendrombohitra kosa izy io no niorina, fa ilay tendrombohitra no nisy tevana, ary teo amin’io tevana io izy ireo no saika hanjera an’i Jesosy. Misy milaza an’io tevana io ho ilay hantsana (12 m eo ho eo ny halaliny) eo atsimoandrefan’ilay tanàna.

Ny lazan’ilay tanàna. Tsy tena fantatra raha nalaza i Nazareta tamin’ny taonjato voalohany na tsia. Maro ny mpivaofy teny milaza fa tanàna kely nitokana sady tsy dia nalaza izy io. Izao tenin’i Natanaela izao no mahatonga ny olona hilaza izany: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” (Jn 1:46) Maro àry no mihevitra fa tsinontsinona i Nazareta matoa na ny mponin’i Galilia aza nanambany azy. (Jn 21:2) Nisy lalana fivezivezen’ny entam-barotra teo akaiky teo, saingy tsy nandalo tao. Tsy niresaka momba an’i Nazareta i Josèphe fa momba an’i Jafia teo akaiky teo, izay nolazainy fa hany tanàna kely voaro mafy nanerana an’i Galilia. Nanjary tsy voamarika àry i Nazareta satria lasa nalaza ilay tanàna teo akaikiny.

Mety ho gaga fotsiny i Natanaela rehefa nilaza i Filipo fa avy tao Nazareta, tanàna tany Galilia ihany, ilay Mesia nampanantenaina. Efa nilaza mantsy ny Soratra Masina fa avy any Betlehema, any Joda, ny Mesia. (Mi 5:2) Maro ny tanàna tany Galilia tsy noresahin’i Josèphe, ka tsy mahagaga raha tsy niresaka momba an’i Nazareta izy. Tsara homarihina fa “tanàna” no ilazan’ny Baiboly azy io fa tsy hoe tanàna kely. (Lk 1:26; 2:4, 39) Teo akaiky teo koa no nisy ny tanàna lehibe sady voaro mafin’i Seforisy, izay nisy ny Fitsarana Avo Jiosy tany amin’iny faritra iny. Na nanao ahoana na nanao ahoana ny haben’i Nazareta sy ny lazany, dia teo akaikin’ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra izy io sady nifandray tamin’ny tanàna lehibe maro. Azo inoana àry fa nahara-baovao ny mponina tao, na resaka momba ny fiaraha-monina io, na fivavahana, na fitondrana.​—Ampit. Lk 4:23.

Toe-tsain’ny mponina. “Nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona” i Jesosy, rehefa nihalehibe. (Lk 2:52) Fantatry ny olona tao Nazareta izy sy ireo rahalahiny ary anabaviny hafa ray. “Fanaony” koa ny nankany amin’ny synagoga tao an-tanàna isan-kerinandro. (Mt 13:55, 56; Lk 4:16) Niala tao Nazareta i Jesosy, rehefa 30 taona teo ho eo, ary nataon’i Jaona batisa. (Mr 1:9; Lk 3:23) Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, talohan’ny hanombohan’ny fitoriany nanerana an’i Galilia, dia niverina tany Nazareta izy. Nankao amin’ny synagoga izy ka namaky mafy ny Isaia 61:1, 2 ary nambarany fa izy ilay voalazan’io faminaniana io. Tsy nino ny olona ka nitady hamono azy. “Namakivaky teo afovoan’ireo anefa izy ka lasa”, ary nipetraka tany Kapernaomy.​—Lk 4:16-30; Mt 4:13.

Nitsidika an’i Nazareta indray i Kristy, herintaona mahery taorian’izay. (Mt 13:54-58; Mr 6:1-6) Misy mihevitra fa io zava-nitranga io ihany no resahin’ny Lioka 4:16-30. Tsy izany anefa no izy rehefa jerena ny filahatry ny zava-nitranga notantarain’i Matio sy Marka ary Lioka. Hafa mihitsy mantsy ny nataon’i Jesosy sy ny vokatr’izany tamin’izay fotoana izay. Mety ho efa nalaza izy tamin’izay ka toa nandray azy kokoa ny olona. Maro no tafintohina satria hoe olona avy ao an-tanàna ihany izy. Tsy voalaza anefa hoe nitady hamono azy ny olona tamin’ity indray mandeha ity. Noho ny tsy finoan’ny olona, dia vitsy ihany ny fahagagana nataony tao. (Mt 13:57, 58) Niala tao i Jesosy ary nanomboka ny fitoriana fahatelo nanerana an’i Galilia.​—Mr 6:6.