Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nazirita

Nazirita

(Nazirìta) [Nosinganina; Nanokan-tena; Tafasaraka].

Nisy sokajiny roa ny Nazirita: Ireo nanolo-tena ho Nazirita, sy ireo voatendrin’Andriamanitra. Resahin’ny Nomery toko faha-6 ny fitsipika nifehy an’ireo nanolo-tena. Afaka nanao ilay voady manokana ho Nazirita mandritra ny fotoana noferany ny lehilahy sy vehivavy. Azon’ny ray nofoanana ny voady nataon’ny zanany vavy, ary azon’ny lehilahy nofoanana ny voady nataon’ny vadiny, raha tsy nankasitrahany.​—No 30:1-8.

Tsy nahazo nanao an’ireto zavatra telo ireto ireo nivoady ho Nazirita: 1) Nisotro zava-pisotro mahamamo, nihinana voaloboka manta na masaka na maina, nisotro ranom-boaloboka tsotra na ranom-boaloboka lasa divay na lasa vinaingitra; 2) nihety volo; 3) nikasika faty, na dia ny fatin’ny rainy, ny reniny, na ny mpiray tam-po aminy aza.​—No 6:1-7.

Voady manokana. Ny “ho Nazirita eo anatrehan’i Jehovah” na hanokan-tena ho azy no tanjon’ilay nanao voady manokana, fa tsy ny hoderain’ny olona satria hoe mahavita mampihafy tena be. “Masina eo anatrehan’i Jehovah izy amin’ny andro rehetra maha Nazirita azy.”​—No 6:2, 8; ampit. Ge 49:26.

Niavaka àry ny zavatra notakina tamin’ny Nazirita, teo amin’ny lafiny fanompoana an’i Jehovah. Hoatran’ny mpisoronabe nanao fanompoana masina mantsy ny Nazirita, satria tsy nahazo nikasika faty, na dia ny fatin’ny havany akaiky aza. Tsy nahazo nisotro divay na zava-pisotro mahamamo koa ny mpisoronabe sy ny mpisorona, rehefa nanao fanompoana masina teo anatrehan’i Jehovah. Andraikitra lehibe mantsy ny azy ireo.​—Le 10:8-11; 21:10, 11.

“Ho masina” koa ilay Nazirita (heb.: nazir) “ka havelany ho lava ny volon-dohany.” Ho famantarana izany hoe Nazirita masina izy. (No 6:5) Nadika koa hoe “tsy norantsanana” ilay teny hebreo hoe nazir. Tsy norantsanana, ohatra, ny voaloboka tamin’ny taona Sabata sy Jobily. (Le 25:5, 11) Nisy soratra hoe “An’i Jehovah ny fahamasinana” ilay takela-bolamena napetaka teo amin’ny satroka lamban’ny mpisoronabe. “Famantarana masina” izy io “hoe voatokana [heb.: nezer] ho an’Andriamanitra” ilay mpisoronabe. Iray ihany ny fototenin’ny hoe nezer sy ny an’ilay hoe nazir. (Ek 39:30, 31, f.a.p.) Nantsoina koa hoe nezer ilay diadema nosatrohan’ireo voahosotra ho mpanjakan’ny Israely. (2Sa 1:10; 2Mp 11:12; jereo FANOKANANA; SATROBONINAHITRA.) Nilaza ny apostoly Paoly fa volo lava no nomena ny vehivavy ho saron-doha, ho fampahatsiahivana fa tokony hanaiky ny lehilahy izy, araka ny fandaharan’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy nanety ny volony àry ny Nazirita na dia tsy voajanahary amin’ny lehilahy aza izany. Nifady divay koa izy, ary niezaka ny hadio sy tsy ho voaloto, mba hotsaroany foana fa tsy maintsy mahafoy tena sy manaiky tanteraka ny sitrapon’i Jehovah izy.​—1Ko 11:2-16; jereo SARON-DOHA; VOAJANAHARY; VOLO.

Raha nanjary naloto ilay Nazirita. Naloto fito andro ilay Nazirita raha nikasika faty, na dia nikasika tsy nahy fatin’olona maty tampoka teo anilany aza. Noharatany ny lohany tamin’ny andro fahafito ka nidio izy. Nitondra domohina roa (na zana-boromailala roa) tany amin’ny mpisorona izy ny ampitson’iny, ka ny iray ho fanatitra noho ny ota, ary ny iray ho fanatitra dorana. Nitondra ondrilahy kely ho fanatitra noho ny heloka koa izy. Naverina hatramin’ny voalohany indray avy eo ny fanisana an’ireo andro naha Nazirita azy, araka ny voady nataony.​—No 6:8-12.

Rehefa tapitra ilay fotoana naha Nazirita. Niseho teo anatrehan’ny mpisorona teo anoloan’ny tranolay fihaonana ilay Nazirita, ary nitondra an’ireto: Ondrilahy kely ho fanatitra dorana, ondrivavy kely ho fanatitra noho ny ota, ondrilahy ho sorona iombonana, niampy harona nisy mofo boribory sy mofo fisaka samy tsy nisy lalivay sady nafangaro menaka, ary fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro. Tsy maintsy nentiny ireo, nefa afaka nanao fanatitra hafa araka izay nananany koa izy. (No 6:13-17, 21) Notapahina avy eo ny volony, ka natao tao anaty afo teo ambanin’ilay sorona iombonana. Natao teo am-pelatanany ny ampahany tamin’ireo fanatitra, ka nahetsiketsiky ny mpisorona ho fanatitra ahetsiketsika teo anatrehan’i Jehovah.​—No 6:18-20.

Toa nanao fandaharana ny Jiosy tatỳ aoriana hoe azon’ny mpanankarena natao ny nanampy an’ireo olona sahirana te hanao voady ho Nazirita, ka nanome an’izay sorona tokony hatolony.

Toa nanaraka izany fanao izany i Paoly tamin’izy tonga tao Jerosalema, rehefa nifarana ny diany fahatelo. Niely ny tsaho hoe ‘nampianatra ny Jiosy rehetra tany amin’ny firenena hafa [izy] mba tsy hanaraka ny fomba [fanaon’ny firenena jiosy].’ Nanoro hevitra azy àry ny rahalahiny kristianina hoe: “Misy efa-dahy eto, izay efa nivoady. Ento ireo, ka midiova miaraka aminy ianao araka ny Lalàna, ary aloavy izay ho lany mba hanaratana ny lohany.”​—As 21:20-26.

Ilay nivoady no nifidy hoe haharitra hafiriana izy no ho Nazirita. Nilaza ny lovantsofina jiosy (fa tsy ny Baiboly) hoe tsy maintsy 30 andro izany, fara fahakeliny. Lasa tsy misy hasiny intsony mantsy, hono, ilay voady, raha latsaka izany.

Nazirita mandra-pahafatiny. Nisy notendren’i Jehovah ho Nazirita mandra-pahafatiny, ka nosinganiny hanao fanompoana manokana. Tsy nanao voady izy ireo, ary tsy voafetra ny fotoana naha Nazirita azy (tsy nila naverina hatramin’ny voalohany ny fanisana ny fotoana naha Nazirita azy raha sendra tsy voahaja ilay voady). Tsy tena nitovy tamin’izay notakin’i Jehovah tamin’ireo nanolo-tena ho Nazirita àry ny notakiny tamin’izy ireo. Notendren’Andriamanitra ho Nazirita mandra-pahafatiny, ohatra, i Samsona, raha mbola tsy bevohoka azy akory ny reniny. Tsy nanan-tsafidy koa ilay reniny. Ho Nazirita ilay zanany lahy, hoy ilay anjely niresaka taminy, ka tsy nahazo nisotro divay na toaka na nihinana zavatra tsy madio izy rehefa bevohoka.​—Mpts 13:2-14; 16:17.

‘Tsy tokony hokasihin-kareza ny lohan’i’ Samsona. (Mpts 13:5) Tsy norarana tsy hikasika faty anefa izy. Namono liona, ohatra, izy, ary namono Filistinina 30 lahy, avy eo nanaisotra ny fitafian’izy ireo. Tsy nanazimbazimba ny naha Nazirita azy izy tamin’izany. Namono fahavalo arivo lahy tamin’ny “valanoranon’ampondra iray” koa izy indray mandeha, ary nankasitrahan’Andriamanitra izany. ‘Nataony antontany iray, antontany roa’ izy ireo.​—Mpts 14:6, 19; 15:14-16.

I Hana renin’i Samoela kosa no nivoady hoe hatolony ho Nazirita sy hanompo an’i Jehovah izay zaza haterany. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Raha mba ... omenao zanakalahy [ny mpanompovavinao], dia homeko an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany [“ary tsy hisotro divay na toaka izy”, (1Mp 1:11, LXX)] ary tsy hokasihin-kareza ny lohany!” (1Sa 1:9-11, 22, 28) ‘Tsy nahazo nisotro divay na toaka mihitsy’ koa i Jaona Mpanao Batisa. Tsy voalaza anefa ny zavatra hafa notakina taminy. Fantatra fotsiny hoe voatendrin’Andriamanitra ho Nazirita hatramin’ny vao teraka izy.​—Lk 1:11-15; ampit. Mt 3:4; 11:18.

Anisan’ireo notendren’i Jehovah ho Nazirita i Jaona Mpanao Batisa. Hoy i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany: “Nisy tamin’ny zanakalahinareo natsangako ho mpaminany, ary tamin’ny tovolahy teo aminareo ho Nazirita.” Tsy ny Israelita rehetra anefa no nanaiky na nanaja azy ireo, ary nisy aza nitaona azy ireo hivadika amin’i Jehovah. (Am 2:11, 12) Rehefa nahatratra ny fara tampony ny fahotan’ny Israely, ary navelan’i Jehovah ho rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., dia tsy afa-nandositra koa ireo Nazirita nivadika. Tomady sy salama ireo Nazirita, hoy i Jeremia, nefa lasa mainty izy ireo ary nikainkona sy niraikitra tamin’ny taolany ny hodiny rehefa nisy mosary mafy.​—Ft 4:7-9.