Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nebaiota

Nebaiota

(Nebaiôta).

Ny lahimatoa tamin’ireo 12 lahy zanak’i Ismaela, ary razamben’ny foko arabo iray anisan’ny lehibe indrindra. (Ge 25:13-16; 1Ta 1:29-31) Nanambady an’i Esao, zanaky ny rahalahin-drainy, i Mahalota (na angamba i Basemata) anabavin’i Nebaiota. (Ge 28:9; 36:2, 3) Tsy fantatra marina hoe taiza no nanorim-ponenana ny taranak’i Nebaiota. Nifindrafindra monina niaraka tamin’ny andian’ondriny angamba izy ireo, toy ny ataon’ny Arabo mpifindrafindra monina. Naminany i Isaia fa ho fanatitra ankasitrahana eo ambonin’ny alitaran’i Jehovah ny ‘andian’ondrin’i Kedara’ (rahalahin’i Nebaiota i Kedara) sy “ny ondrilahin’i Nebaiota.”​—Is 60:7.

Misy manam-pahaizana milaza fa taranak’i Nebaiota ihany ireo nantsoina hoe Nabateanina tatỳ aoriana. Tsy tena misy porofon’izany anefa.