Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nebo

Nebo

(Nebô).

1. Tanàna moabita lasan’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (Ampit. No 21:26; 32:3; Is 15:2.) Naorin’ny Robenita indray i Nebo, taorian’ny nandresen’ny Israely an’i Sihona. (No 32:37, 38) Toa tsy an’ny Robenita (1Ta 5:1, 8) intsony anefa izy io, tany am-piandohan’ny taonjato fahasivy T.K. Nirehareha mantsy i Mesa Mpanjaka fa nalainy tamin’ny Israely ilay tanàna, noho ny fanarahany ny toromarik’i Kemosy andriamaniny, araka ny hita eo amin’ilay Vato Moabita. Samy naminany i Isaia (taonjato fahavalo T.K.) sy Jeremia (taonjato fahafito T.K.) fa hisy loza hanjo an’i Moaba, anisan’izany i Nebo.​—Is 15:2; Je 48:1, 22.

Maro no mihevitra fa i Kirbet Mekayyet (na Kayat el Mokaiyat), 8 km eo ho eo atsimoandrefan’i Hesbona, no Nebo. Misy tanàna voaro mafy efa ravarava eo amin’io toerana io. Nahitana zavatra be dia be vita amin’ny tanimanga efa potika koa tao (heverina fa efa nisy tany amin’ny taonjato faha-12 ka hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-6 T.K.).

2. Tanàna nipetrahan’ny Jiosy nataon’ny Babylonianina sesitany. Nisy tamin’izy ireo nody tany an-tanindrazany tatỳ aoriana. (Ezr 2:1, 29) Nisy “tamin’ny taranak’i Nebo”, angamba mponina avy tany, nandroaka an’ireo vadiny hafa firenena, tamin’ny andron’i Ezra. (Ezr 10:43, 44) Toa nantsoina hoe “ilay Nebo anankiray” izy io mba hanavahana azy amin’ilay Nebo No. 1. (Ne 7:33) Mety ho i Noba ankehitriny, 11 km eo ho eo avaratrandrefan’i Hebrona, io Nebo io.

3. Azo inoana fa iray amin’ireo tendrombohitr’i Abarima. Teo amin’ny Tendrombohitra Nebo na teny an-tampon’i Pisga (izay mety ho anisan’i Nebo ihany, na i Nebo no mety ho anisan’i Pisga) i Mosesy no nitazana ny Tany Nampanantenaina, ary teo izy no maty. (De 32:48-52; 34:1-4) Maro no mihevitra fa i Jebel en-Neba (Hara Nevo) no Tendrombohitra Nebo. Maherin’ny 800 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony, ary 17 km eo ho eo atsinanan’ilay toerana ivarinan’i Jordana any amin’ny Ranomasina Maty no misy azy. Mety ho i Ras es-Siyagah, havoana avaratrandrefan’i Jebel en-Neba sady iva kokoa noho izy io, no Pisga. Rehefa tsy misy rahona, dia tazana tsara avy eo an-tampon’i Ras es-Siyagah ny Tendrombohitra Hermona, Tabara, Ebala, ary Gerizima, izay anisan’ilay tandavan-tendrombohitra afovoany misy an’i Betlehema sy Hebrona. Tazana avy eo koa ny Lohasahan’i Jordana sy ny Ranomasina Maty.

4. Andriamanitra nambaran’i Isaia mpaminany mialoha fa hietry, rehefa resy i Babylona. (Is 46:1, 2) Nivavahana tany Babylonia sy Asyria i Nebo. Maro no nihevitra azy io ho ny planeta Mercure. Noheverina ho zanakalahin’i Mardoka sy Sarpanito, ary vadin’i Tasmetoma koa izy io. Nilaza ireo mpivavaka tamin’i Nebo fa andriamanitry ny fahendrena sy ny fianarana izy, “ilay andriamanitra mahira-tsaina”, “ilay mahare avy lavitra”, “ilay mpampianatra”, ary “tompon’ny penina anoratana amin’ny takelaka.”​—Ireo Fanjakana Tatsinanana Fito Lehibe Fahiny, nataon’i G. Rawlinson, 1885, Boky I, p. 91; Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 450.

Tena noheverina ho andriamanitra lehibe i Nebo. Porofon’izany ny niantsoan’i Nabonida mpanjakan’i Babylona azy hoe “ilay miandraikitra ny eto ambonin’ny tany sy ny any ambanin’ny tany, sady manalava ny androm-piainako” ary ilay “manalava ny fotoana hanjakako.” Nilaza koa i Nabonida fa i Nebo no nanome azy “ny tehim-panjakana sy ny tehina ara-dalàna, izay azo antoka fa (hany) mampahatanjaka an’ilay firenena.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 310) Porofo hafa ny hoe ahitana ny anaran’i Nebo ny anarana mpanjaka babylonianina sasany, toy ny hoe Nebokadnezara, Nabopolasara, ary Nabonida. Ahitana izany koa ny hoe Nebozaradana (2Mp 25:8) sy ny hoe Abednego angamba.​—Da 1:7.

Nalaza be tao Borsippa, tanàna fahiny (Birs na Birs-Nimroud ankehitriny) akaikin’i Babylona, ny fivavahana tamin’i Nebo. Nentina nandehandeha avy tao Borsippa nankany Babylona ny sarivongan’i Nebo rehefa lohataona, isaky ny Taom-baovao, ary nilahatra taorian’ilay sarivongana ireo nivavaka taminy. Rehefa naverina tao amin’ny toerana masina tao Borsippa izy io, dia nentina nandehandeha kely niaraka taminy ny sarivongan’i Mardoka (nomena anaram-boninahitra koa hoe Bela [Tompo]). Mety tsara àry ny naminanian’i Isaia fa ho afa-baraka i Bela sy Nebo rehefa resy i Babylona.​—Is 46:1, 2.