Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nebokadnezara

Nebokadnezara

(Nebôkadnezàra), Nebokadrezara (Nebôkadrezàra) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Nebo ô, Arovy ilay Mpandova!”].

Mpanjaka faharoa nitondra ny Fanjakana Babylonianina Vaovao; zanak’i Nabopolasara sady rain’i Avila-mardoka (Evila-merodaka), izay nandimby azy. Nanjaka 43 taona (624-582 T.K.) i Nebokadnezara, ka tafiditra tao anatin’izany ireo “fe-potoana fito” nihinanany ahitra toy ny omby. (Da 4:31-33) Antsoin’ny mpahay tantara hoe Nebokadnezara II izy, mba hanavahana azy amin’ilay Nebokadnezara nanjaka tao Babylona ela be talohany (tarana-mpanjaka avy any Isin).

Mifameno amin’izay lazain’ny Baiboly ihany, ny voalazan’ireo soratra miendri-pantsika momba an’i Nebokadnezara. Resahin’izy ireny fa tamin’ny taona faha-19 nanjakany i Nabopolasara no nanangona ny tafiny. Nanangona tafika koa i Nebokadnezara zanany lahy, izay efa voatendry handimby azy. Samy nitarika ny tafiny izy mianaka. Niverina tao Babylona i Nabopolasara rehefa afaka iray volana, fa i Nebokadnezara kosa niady tany amin’ny faritra be tendrombohitra ka naharesy. Nitondra zavatra maro be azo babo izy, rehefa niverina tao Babylona. Nitarika ny tafika babylonianina hiady tamin’ny Ejipsianina tany Karkemisy i Nebokadnezara, tamin’ny taona faha-21 nanjakan’i Nabopolasara. Nandresy izy tany, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima mpanjakan’ny Joda (625 T.K.).​—Je 46:2.

Lazain’ireo soratra miendri-pantsika koa fa niverina tany Babylona i Nebokadnezara, raha vao reny hoe maty ny rainy. Lasa mpanjaka izy ny voalohan’ny volana Elola (Aogositra-Septambra). Iny taona iny ihany izy dia niverina tany Hatti. Voalaza fa “nentiny tao Babylona ireo zavatra maro be azony babo tany Hatti, tamin’ny volana Sebata [Janoary-Febroary, 624 T.K.].” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 100) Nitondra ny tafiny namakivaky an’i Hatti indray i Nebokadnezara tamin’iny taona 624 T.K. iny. Azony i Askelona, tanàna tany Filistia, ka norobainy. (Jereo ASKELONA.) Mbola niady tany Hatti ihany izy ny taona faharoa, fahatelo ary fahefatra nanjakany. Toa tamin’ny taona fahefatra nanjakany no lasa teo ambany fahefany i Joiakima, mpanjakan’ny Joda. (2Mp 24:1) Tamin’io taona io koa i Nebokadnezara no niady tamin’i Ejipta, ka nitondra fahavoazana be ho azy roa tonta izany.

Ny nandreseny an’i Jerosalema. Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda, tatỳ aoriana, ka nataon’ny Babylonianina fahirano i Jerosalema. Toa maty nandritra an’io fahirano io i Joiakima, ka i Joiakina zanany lahy indray no nanjaka. Tsy naharitra afa-tsy telo volana sy folo andro anefa ny fanjakany, satria nitolo-batana tamin’i Nebokadnezara izy (tamin’ny volana Adara [Febroary-Martsa], taona fahafito nanjakan’i Nebokadnezara [nifarana tamin’ny Nisana 617 T.K.], araka ny Tantaran’i Babylona). Misy soratra miendri-pantsika (Tranombakoka Britanika 21 946) milaza toy izao: “Taona fahafito: Nangonin’ilay mpanjakan’i Akada ny tafiny tamin’ny volana Kisleo, ary lasa izy nanafika an’i Hatti. Notafihiny ny tanànan’i Joda, ka resiny tamin’ny faharoan’ny volana Adara, (ary) nosamboriny ilay mpanjakany [Joiakina]. Mpanjaka nofidiny [Zedekia] avy eo no notendreny hitondra an’ilay tanàna (ary) nentiny tany Babylona ny vola be naloa taminy.” (Tantaran’i Asyria sy Babylona, nataon’i A. Grayson, 1975, p. 102; SARY, Boky Faha-2, p. 326) Nentiny natao sesitany tany Babylona i Joiakina sy ny fianakaviany, ary ireo tandapa sy mpanao asa tanana ary mpiady. I Matania, dadatoan’i Joiakina, no notendren’i Nebokadnezara ho mpanjakan’ny Joda, ary novany hoe Zedekia ny anarany.​—2Mp 24:11-17; 2Ta 36:5-10; jereo FANISAN-TAONA; JOIAKIMA; JOIAKINA.

Nikomy tamin’i Nebokadnezara i Zedekia tatỳ aoriana, ka niray dina tamin’i Ejipta mba ho voaro. (Ezk 17:15; ampit. Je 27:11-14.) Nataon’i Nebokadnezara fahirano indray àry i Jerosalema, ny fahafolon’ny volana Tebeta (Desambra-Janoary) tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia. (2Mp 24:20; 25:1; 2Ta 36:13) Ren’ny Babylonianina anefa hoe nivoaka avy any Ejipta ny tafik’i Farao, ka natsahatr’izy ireo vetivety aloha ilay fanaovana fahirano. (Je 37:5) Voatery niverina tany Ejipta àry ny tafik’i Farao. Taorian’izay, dia niverina tany Jerosalema ny Babylonianina ka nanao fahirano azy io indray. (Je 37:7-10) Voagorobaka ny mandan’ilay tanàna tamin’ny fahasivin’ny volana Tamoza (Jona-Jolay) 607 T.K., tamin’ny taona faha-11 nanjakan’i Zedekia (ny taona faha-18 nanjakan’i Nebokadnezara na ny taona faha-19 nanjakany raha isaina avy eo amin’ny taona nahazoany fahefana). Nandositra i Zedekia sy ny miaramilany, nefa tratra ihany teny amin’ny lemaka karakaina tany Jeriko. Tao Ribla, “tany Hamata” i Nebokadnezara tamin’izay, ka tany no nitondrana an’i Zedekia. Nasainy novonoina daholo ny zanakalahin’i Zedekia. Nopotsiriny avy eo ny mason’i Zedekia, ary nofatorany izy ka nentiny tany Babylona. I Nebozaradana, lehiben’ny mpiaro ny mpanjaka, kosa no nasaina nandoro ny tempoly sy ireo trano tao Jerosalema, naka an’ireo fitaovana tao amin’ny tempoly, ary nitondra ireo babo. Nisy koa ireo navela tao amin’ilay tany ihany, ka i Gedalia no notendren’i Nebokadnezara ho governoran’izy ireo.​—2Mp 25:1-22; 2Ta 36:17-20; Je 52:1-27, 29.

Nanonofy sarivongana ngezabe. Milaza ny bokin’i Daniela fa nanonofy an’ilay sarivongana nanana loha volamena i Nebokadnezara, tamin’ny “taona faharoa” nanjakany (mety ho ny taona faharoa taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka noho izany dia ny taona faha-20 nanjakany). (Da 2:1) Tsy nahay nanazava ny hevitr’ilay nofy ny mpisorona nampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty ary ny Kaldeanina. I Daniela, mpaminany jiosy, kosa anefa nahay. Niaiky àry i Nebokadnezara fa ny Andriamanitr’i Daniela no ‘Andriamanitry ny andriamanitra, sady Tompon’ireo mpanjaka ary Mpampiharihary zava-miafina.’ Notendreny ho “filohan’ny faritanin’i Babylona sy ho mpiadidy hifehy ny olon-kendry rehetran’i Babylona” i Daniela avy eo. Notendreny ho mpitantan-draharaha koa ny naman’i Daniela telo lahy, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.​—Da 2.

Nataony sesitany koa ny Jiosy hafa. Nisy Jiosy hafa natao sesitany, telo taona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Nebokadnezara. (Je 52:30) Jiosy nitsoaka tany amin’ireo tany resin’ny Babylonianina tatỳ aoriana kokoa angamba izy ireo. Manamarina izany ny tenin’i Josèphe, mpahay tantara, hoe: “Nanafika an’i Cœlésyrie i Nebokadnezara ny taona fahadimy taorian’ny nandrobany an’i Jerosalema, izany hoe ny taona fahatelo amby roapolo nanjakany. Rehefa azony ilay tany, dia niady tamin’ny Moabita sy ny Amanita izy, ka lasa nofeheziny ireo firenena ireo. Nanafika an’i Ejipta koa izy. Novonoiny ny mpanjaka tany ary nanendry mpanjaka hafa izy. Nalainy avy eo ireo Jiosy babo tany, ka nentiny tany Babylona.”​—Rakitry ny Ela Jiosy, X, 181, 182 (ix, 7).

Azony i Tyro. Taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. koa i Nebokadnezara no nanao fahirano an’i Tyro. “Sola mihitsy” ny lohan’ny miaramilany tamin’izay, satria nikasokasoka foana tamin’ny fiarovan-doha. ‘Niendaka mihitsy koa ny hoditra’ teo amin’ny sorok’izy ireo, noho ny fibatana an’ireo fitaovana hanaovana ilay fahirano. Tsy nahazo “karama” anefa i Nebokadnezara tamin’izy nampiasain’i Jehovah hampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Tyro. Nampanantena àry i Jehovah fa hanome azy ny harenan’i Ejipta. (Ezk 26:7-11; 29:17-20; jereo TYRO.) Misy tokoa ampahana soratra babylonianina tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Nebokadnezara (588 T.K.) milaza fa nanafika an’i Ejipta izy. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 308) Tsy tena fantatra anefa na ilay fanafihana voalohany io, na ilay tatỳ aoriana kokoa.

Asa fanorenana nataony. Nahazo fandresena maro i Nebokadnezara, ka nihalehibe ny faritra nofehezin’ny Fanjakana Babylonianina, araka ny efa nolazain’ny faminaniana. (Ampit. Je 47-49.) Nanao asa fanorenana maro koa anefa izy. Voalaza, ohatra, fa nanao ny Zaridaina Mihantona izy, mba hampifalifaliana an’ilay Medianina vadiny, izay nanembona ny tany aminy. Nosokajina ho anisan’ireo zava-mahatalanjona fito teto an-tany io zaridaina io. Maro amin’ireo soratra miendri-pantsika nataon’i Nebokadnezara no miresaka ny amin’ny zavatra naoriny, toy ny tempoly sy lapa ary manda. Hoy ny iray amin’izy ireny:

“Izaho no Nebokadrezara, mpanjakan’i Babylona izay nanorina indray an’i Esagila sy Ezida; zanak’i Nabopolasara aho. [Nanao] zavatra mbola tsy vitan’izay mpanjaka talohako mihitsy [aho] ho fiarovana an’i Esagila, mba tsy hisian’ny fahavalo mahery haka sy handrava an’i Babylona, sy tsy hisian’ny tafika hanakaiky an’i Imgur-Bel na ny mandan’i Babylona: Nasiako manda matevim-be teo atsinanan’ilay manda manodidina an’i Babylona. Nandavaka hadivory lalina aho, mandra-pivoakan’ny rano avy any ambanin’ny tany. Hitako avy eo hoe kely loatra ilay manda naorin’ny raiko, ka nanorina manda mafy be aho hanamafisana azy. Nataoko tamin’ny biriky sy godorao ilay manda, ary toy ny tendrombohitra ny haavony, ka tsy hisy ho afaka hanozongozona azy. Nataoko lalina be ny fotony, ary nataoko avo be toy ny tendrombohitra ilay manda. Nampiako iray fahatelo mifanila aminy koa ilay manda mba hanamafisana azy, ary biriky no nampiasaiko ho fototr’ilay manda fiarovana. Nataoko lalina be izy io, ary nalatsako ny fototra. Nohamafisiko ny mandan’i Esagila sy Babylona, ary nataoko izay hampaharitra mandrakizay ny lazan’ny fanjakako.”​—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, nataon’i G. Barton, 1949, p. 478, 479.

Mitovitovy amin’ny fireharehan’i Nebokadnezara, taloha kelin’ny naha lasa adala azy izany. Hoy izy: “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, izay naoriko tamin’ny tanjaky ny heriko mba ho lapam-panjakana sy ho voninahitry ny fahamboniako?” (Da 4:30) Niverina ihany ny sainy, araka ny efa nasehon’Andriamanitra mialoha tao amin’ilay nofiny momba ilay hazobe nokapaina. Voatery niaiky anefa izy tamin’izay fa vitan’i Jehovah ny mampietry an’izay manambony tena.​—Da 4:37; jereo HADALANA.

Tia fivavahana be. Tia fivavahana be i Nebokadnezara, ka nanorina sy nanatsara ny tempolin’ireo andriamanitra babylonianina maro be. I Mardoka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny Babylonianina, no tena nivavahany. Izy io no nomeny voninahitra rehefa nandresy tamin’ny ady izy. Toa napetraka tao amin’ny tempolin’i Mardoka (Merodaka) ireo zava-tsarobidy azo babo, toy ny fanaka masina avy tao amin’ny tempolin’i Jehovah. (Ezr 1:7; 5:14) Nanoratra toy izao i Nebokadnezara: “Nanaovako trano hanomezam-boninahitra anao ianao, ry MERODAKA misandratra ô! ... Enga anie ka hameno azy ity ny fanomezana sarobidy be dia be avy amin’ny Mpanjakan’ireo firenena sy ny vahoaka rehetra!”​—Tantara Fahiny: Ireo Tsangambato Asyrianina sy Ejipsianina, Londres, 1875, Boky Faha-5, p. 135.

Ho fanomezam-boninahitra an’i Mardoka angamba no nanaovan’i Nebokadnezara an’ilay sarivongana volamena teo amin’ny Lemak’i Dora, sady hampisy firaisam-pinoana tao amin’ny fanjakany. Tsy nety nivavaka tamin’ilay sarivongana anefa i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, na dia efa nasaina nanao izany fanindroany aza, ka tezitra be i Nebokadnezara. Nasainy natsipy tao amin’ny lafaoro nohafanaina avo fito heny noho ny mahazatra àry ireo Hebreo telo lahy. Navotan’ny anjelin’i Jehovah anefa izy ireo, ka voatery niaiky i Nebokadnezara fa “tsy misy andriamani-kafa mahavonjy” toa an’i Jehovah.​—Da 3.

Toa nanao sikidy be koa i Nebokadnezara talohan’ny nandehanana niady. Milaza, ohatra, ny faminanian’i Ezekiela fa izany no nataon’io mpanjakan’i Babylona io, talohan’ny nanapahany hevitra hoe hamely an’i Raban’ny taranak’i Amona izy sa hamely an’i Jerosalema.​—Ezk 21:18-23.