Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nebosazbana

Nebosazbana

(Nebosazbàna) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “Nebo ô, Vonjeo Aho!”].

Ilay Rabsarisa, na lehiben’ny tandapa, tao amin’ny tafik’i Nebokadnezara izay nandrava an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Anisan’ireo andriana nandidy ny hanafahana an’i Jeremia izy. (Je 39:13, 14) Mety ho i Nebosazbana ihany na lehilahy hafa nomena an’ilay anaram-boninahitra hoe Rabsarisa koa, ny iray tamin’ireo nipetraka teo amin’ny Vavahady Afovoany, rehefa avy nanagorobaka voalohany ny mandan’i Jerosalema ny Babylonianina.​—Je 39:2, 3.